- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: Halatra tao amin'ny Foiben'ny Parlemanta Andeana

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Ekoatora, Kolombia, Però, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Tamin'ny faha-7 ny volana jona, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Andeana [1] no voaroba [2] tao amin'ny foiben'ny rafitra tao Bogotá, Kolombia. Ny Parlemanta Andeana no solontena mpanara-maso ny Fokonolona Andeana, [3] fikambanam-paritra ahitana an'i Bolivia, Kolombia, Ekoatera ary i Però ka ny tanjona dia ny hisian'ny “fampandrosoana matotra”, mirindra kokoa sy mahaleo tena, manerana ny faritra  Andeana, miaraka amin'i Amerika Atsimo sy Amerika Latina manontolo.” Nizara ny vaovao [4] ny bilaogy Planeta al día :

Los ladrones se llevaron computadoras y bolsos de legisladores latinoamericanos que asistían a un foro en la sede central bogotana del Parlamento Andino (Parlandino)

Los asaltantes entraron al lugar cuando los congresistas habían salido del recinto para un descanso, según lo denunció la senadora paraguaya Ana María Mendoza.

Nangalarin'ny mpandroba ny solosaina sy ny kitapon'ny mpanao lalàna  Amerikana Latina nanatrika ny fihaonana (forum) tao amin'ny foiben'ny Parlemanta Andean ao Bogota (Parlandino)

Niditra tao an-toerana ireo mpangalatra raha nivoaka naka rivotra kely ireo mpikambana ao amin'ny kongresy, araka ny tatitra nambaran'ny loholona Paragoaiana Ana María Mendoza.

Nandefa ny heviny ao amin'ny Twitter ireo mpiserasera, tsy mankasitraka velively ny zava-niseho, ahitana ny tenifototra #Parlamentoandino [5].

Natalia A. Gómez (@NataliaAGR [6]) nanoratra hoe:

Esos ladrones del #ParlamentoAndino, nos hicieron quedar a los colombianos frente al mundo, como país altamente inseguro…Que pena

Ireo mpangalatra tao amin'ny #ParlamentoAndino no mahatonga izao tontolo izao hihevitra fa toy ny firenena tsy misy fandriampahalemana i Kolombià…mampalahelo izany

César Herrera (@cesarherrera00 [7]) nanambara hoe:

Que pena con esas personas extranjeras que fueron víctimas de la delincuencia al interior del #parlamentoandino [8]! @bogotá insegura!

Mahasanganehana tokoa fa niharan'ny hadalan-tanora ny tao amin'ny #parlamentoandino ireo vahiny! tsy misy fandriampahalemana ao @bogotá!
[9]

Foiben'ny Parlemanta Andean – Bogotá avy amin i MrKrako tao amin'ny Flickr (CC 2.0)

Ny sasany, sahisahy, nampitaha ny manampahefana ao amin'ny Parlemanta Andeana amin'ny mpangalatra:

Juan David Buitrago (@JuanDABuitrago [10]) nanoratra:

Ladrones robando ladrones….. #ParlamentoAndino [11]

Mpangalatra mandroba mpangalatra… #ParlamentoAndino [11]

Jimena Contreras, (@Azulitagirl86 [12]) nilaza hoe:

Robaron el #ParlamentoAndino [11] ? y luego ellos no nos roban nuestros #impuestos [13]? Mas #ladrones [14] de cuello blanco!

Nandroba ny #ParlamentoAndino [11] izy ireo? araka izany, tsy mangalatra ny hetra naloantsika ve izy ireo? Jiolahy am-birao!

Ary i MarceloGonzalez (@Diegomarcelo [15]) nanontany hoe:

Será que los del #parlamentoandino [8] sintieron igual cuando los robaron, como el #pueblo [16] cuando nos roba el gobierno? #losdilemasdelavida [17]

Mety ho tsapan'ny #parlamentoandino [8] ve ny fahatsapan'ny olona raha  mangalatra anay ny governemanta ?#manahirana ny fiainana