- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Però: Manambara ny fiverenany hitokona ao Puno indray ny vazimba Aymara

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
aymaras peru 2 [1]

Tantsaha Ayamara. Puno, Però. (Saripika Enrique Molina)

Taorian'ny fampiatoana vonjimaika [2] [es] ahafahana manatontosa ny fifidianana filoham-pirenena [3] [es] ao amin'ny faritr'i Puno, dia nanambara ny fiverenany [4] [es] tanteraka hitokona [5] [es] indray ny vazimba Aymara, amin'ny fitakian'izy ireo hanafoana ny toeram-pitrandrahana ankibon'ny tany rehetra any Puno, noho ny fanapotehana aterak'izy ireny [6] [es] amin'ny rafitry ny tontolo iainana, sy noho ny fandotoana ny renirano sy ny farihy Titicaca.

Mahatadidy angamba ny tsirairay fa vao haingana izay dia  nofehezin'ny [7] [es]  Aymara 15.000 tamin'ny alalan'ny herisetra [8] ny tanànan'i Puno ka nampikatso tanteraka ny renivohi-paritra sy tsy nahafahan'ny mpizahantany nivezivezy [9] [es].

Ny faritr'i Puno , izay lavidavitra ny renivohitra , Lima, ary mifanila amin'i Brezila, no faritra faharoa eo amin'ny velarana an'hekitara [10] [es] misy tetikasam-pitrandrahana an-kibon'ny tany nekena any Però, araka ny nolazain'ny mpampianatra Anjerimanontolo Jose de Echave.

Nandà ny fanafoanana [11] ny fitondrana, saingy nisy kosa ny fifanarahana niarahana amin'ny fokonolona Aymara hampiatoana ny fitrandrahana solika sy harena an-kibon'ny tany any Puno mandritra ny 14 volana any amin'ny faritany efatra (Yunguyo, Chucuito, Callao ary Juli). Saingy, mitaky ny fanafoanana [12] ny Decreto Supremo 082-2007-EM [13] [es] (Didy Hitsivolana Faratampony 082-2007-EM)  ihany koa ireto fokonolona vazimba ireto, araka ny voalazan'i Walter Adurviri [14], [es] Filohan'ny manda ho amin'ny fiarovana ny loharanon-karena voajanahary atsimon'ny faritr'i Puno.

Nolazain'i Aduviri tamin'ny gazety ao Puno Los Andes [12][es] moa fa na dia hitany ho tsara aza ny fandresen'ny kandidà nasionalista Ollanta Humala [15][es], dia tsy mionona amin'ny fampanantenana nataony ihany ny Aymara, fa takiany ny hisian'ny fifanarahana voasoratra. Mandritra izany, mangataka [16] [es] ny voafidy ho filoha Ollanta Humala ny filoham-paritr'i Puno, Mauricio Rodriguez hiditra an-tsehatra amin'ity raharaha ity.

Hanampy ny Aymara sy ny Quechua ihany koa ny fokonolona any amin'ny  faritra hafa ao Puno [17] [es], mitaky ny zo hanajana ny fakan-kevitra mialoha azy ireo [18] [es] amin'ny fanomezana alalana orinasa hitrandraka solika sy harena an-kibon'ny tany, ny fanomezana alalana ny karazana asa tahaka itony manko dia manimba ny tontolo iainana sy mamotika ny fomba fiainana nentim-pahazarana [19] [es], fitakiana izay nalain'ny mpamaham-bolongana Peruanista [20] [es] ho hita eto:

lago titicaca peru [21]

Farihy Titicaca, izay mety hanana fiantraikany avy amin'ny solika sy ny harena an-kibon'ny tany ny tontolony araka ny lazain'ny mpikatroka Aymara (Sary Enrique Molina)

Los pueblos quechua y aymara de Puno no se oponen a la minería completamente, sino quieren ser incluidos en el proceso de otorgamiento de licencias, para definir dónde es conveniente extraer minerales para evitar contaminar las cuencas de sus ríos y que llegan al lago Titicaca. Este no es solamente el lago de agua dulce más grande de Sur América, sino es un símbolo sagrado de la cosmovisión andina. El problema es que el gobierno de Lima continua con su mentalidad racista de exclusión, otorgando licencias a empresas mineras –en su mayoría extranjeras- sin consultar a los pueblos originarios que viven en las regiones donde se ubican los yacimientos mineros.

Tsy manohitra tanteraka fitrandrahana ny Fiaraha-monina Quechua sy  Aymara ao Puno, fa mitaky kosa mba ho tafiditra amin'ny fombafombam-panomezana alalana mba hamaritana ny toerana mety indrindra hitrandrahana kinendry ny tsy handotoana ny renirano ary tafiditra amin'izany koa ny farihin'i Titicaca. Tsy vitan'ny hoe farihy faharoa any Amerika Atsimo fa marika masina ho an'ny mponin'i “Les Andes” ihany koa izy. Ny olana amin'ny governemanta ao Lima dia ilay mbola fananana toe-tsana mpanilikilika sy mpanavakava-bolonkoditra, manome alalana ny orinasam-pitrandrahana- izay vahiny ny ankamaroany- tsy manontany ny hevitry ny mponina any amin'ny faritra misy ilay harena an-kibon'ny tany.

Mpamaham-bolongana hafa, tahaka an'i Rodolfo Ybarra [22][es], dia nitaraina fa mikendry ny hampiasa ny paikadin'ny “zarazarao hanjakana” ny fitondrana:

Al parecer, el ejecutivo tuvo la idea de dividir a la delegación puneña. Mientras los congresistas Yonhy Lescano, Margarita Sucari y Susana Vilca, esperaban impacientemente la llegada de la comitiva puneña, la ministra Rosario Fernández inicio la conversación sólo con el presidente y los alcaldes, dejando de lado a los legisladores puneños.

Yonhy Lescano y Margarita Sucari, coincidieron que el ejecutivo no maneja la reunión de manera transparente.

Tsikaritra fa mikendry ny hampizarazara ny solontenan'i Puno ny fahefana Mpantanteraka. Raha miandry ny fahatongavan'ny vaomieran'i Puno ny mpikambana ao amin'ny Kongresy tahaka an'i Yonhy Lescano, Margarita Sucari ary Susana Vilca, dia efa miresaka amin'ny Filoha sy ny Ben'ny tanàna maro ny minisitra Rosari Fernandez,  ka manilika ny mpanao lalàna avy any Puno.

Manaiky i Yonhy Lescano sy i Margarita Sucari fa tsy mikarakara ny fihaonana ao anatin'ny mangarahara ny Mpanantanteraka.

mahita ny mpamaham-bolongana tahaka an'i Silvio Rendon [23] [es] fa misy zavatra tsara azo raisina avy amin'ny fanoherana ampahibemaso:

El “puneñazo” (o “aymarazo”) marca el comienzo del fin de los abusos de las mineras, como el “arequipazo” marcó el fin de las privatizaciones prebendarias.

Manamarika ny fanombohan'ny farany amin'ny fihoaram-pahefana ataon'ny orinasam-pitrandrahana ny “puneñazo” (na aymarazo), tahaka ny nataon'ny “arequipazo” nanamarika ny fahataperan'ny kolikoly tamin'ny fanomezana ho an'olo-tsotra ny orinasa notantanin'ny fanjakana.

Na izany aza dia tsy mazava tsara ho an'ny mpisera hafa tahaka an'i Cedres (@Cedres [24]) ity raharaha ity:

Quién entiende a esta gente? #rabia RT @terrape: A pesar de triunfo nacionalista, aimaras vuelven al paro http://bit.ly/mFZJWh

Iza no mahazo izay lazain'ireto olona ireto? #anger (hatezerana]RT @terrape: Na dia eo aza ny fandresen'ny nasionalista, niverin tamin'ny fitokonana ny aymaras http://bit.ly/mFZJWh

Namaly i Martin Arcaya (@arcaya1 [25]) tamin'ity siokantsera ity:

Si tanto criticas a los comuneros aymaras anda a vivir alli con tu fuente de agua a punto de contaminarse, huevón!

Raha te-hitsikera mafy ny vahoaka Aymara tahaka izao, mandehana miara-miaina amin'izy ireo dia sotroy ny rano hanome poizina anao, Ampondra!

John Rivas (@johnidem) [26] miteny amin'ny parlemantera Johnny Lescano:

@yonhy_lescano Deberías estar en Puno conciliando el problema de los Aymaras.

@yonhy_lescano tokony ho any Puno mifampiraharaha amin'ny olan'ny Aymara ianao.

Ny mponina vazimba ao Puno, iray amin'ny faritra manana sandan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra avo indrindra any Però,  miaraka amin'ny tsy fanjarian-tsakafo [27] [es] sy ny fahantrana, miankina amin'ny ankapobeny amin'ny fambolena, sehatr'asa iray noadinoina manerana ny firenena. Na eo aza izany, dia mamboly karazan'ovy an'arivony izy ireo ary afa-mirehareha ho mitana ny laharana voalohany [28][es] eo amin'ny sehatra nasionaly amin'ny famokarana ity sakafo ity.

Nanambara ny hamerenana indray ny fitokonana i Walter Aduviri, mpitarika iray arahin'ny fokonolona maro na dia lavin'ny fanjakana aza ny fahefany [29][es], ary na dia tsy fantatra marina aza hoe firy ny fitambaran'ny fokonolona handray anjara amin'izany.

Photos courtesy of J. Enrique Molina [30].