- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: Sisintany an-tserasera iniana atsangana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Nahita zavatra hafahafa ny mpisera Kazakhstani tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Hita manko vao haingana izay fa mivadika ho azy mankany amin'ny Google.com miaty teny  Kazakh ny tokotaniny [1] ny Google.kz. Miteraka fanelingelenana ho an'ireo mampiasa ny mili-pitadiavana Google amin'ny mili-piseraserana Chrome izany, satria isaky ny manao fitadiavana ry zareo, dia mipoitra hatrany ny takelaka fandraisana efa amin'ny teny Kazakh tsy misy na inona na inona.

Manazava [2] ao amin'ny bolongana ofisialin'ny orinasa [ru] i Bill Karan, filoha lefitra sady talen'ny departemantan'ny fotodrafitrasa hanaovana fitadiavana ao amin'ny Google:

Iray volana lasa izay ny Ivotoeram-pampahalalam-baovao an-tserasera Kazakh no nampahalala anay ny fisian'ny didy hitsivolana avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Fampahalalam-baovao ao Kazakhstan. Araka ny voasoratra ao amin'ny antontan-kevitra, izay rehetra ao manana ny valan'anarana .kz , ka tafiditra amin'izany ny google.kz [3], dia tsy maintsy ato amin'ny faritry ny firenena no misy ny servers-ny… Izay no nahatapakevitra anay hamindra ny mpitsidika ao amin'ny google.kz [3] ho any amin'ny  www.google.com [4] amin'ny teny Kazakh.

Sariitatra avy amin ny mpamaham-bolongana Kazakh FrozenKing

Mr_recovery mitaky [5] ny zava-drehetra hiverina ho toy ny teo aloha, satria manimba ny fifamoivoizana an'aterineto ao kazakhstan amin'ny ankapobeny izay “zava-baovao” izao [ru]:

Nahafahana nanaovana fitadiavana hatramin'ny vohikala kazakhstani ny tamin'ny endrika “taloha”. Tsy misy intsony izany safidy izany ankehitriny.

Saingy ny an'i yerden kosa dia hafa tanteraka ny heviny [6]. Noarahabainy izao fanapahan-kevitry [ny minisitera] izao, satria heveriny fa tokony hampanarahan-dalàna ny sehatr'asa Kazakhstani eo amin'ny aterineto [ru]:

Hampiroborobo ny sehatry ny aterineto eto Kazakhstan ny fampiorenana ny servers [Google] ato anatin'ny faritanin'i Kazakhstan. Miara-dalana amin'i Kazakhstan ny valan'anarana .kz ary misy ny mpisera eto an-toerana. Noho izany, tsy maintsy manorina ny foto-drafitr'asantsika sy ny tahirin-tsoratra fototra antsika isika, mamorona asa ary maka hetra eto Kazakhstan.

Quessir namoaka an-kitsirano ny fitsipahany [7] [ru]:

Tsy ho afaka ny hametraka manontolo ny tolotra fitadiavana eto ny Google […] Mety ny nataon'ny orinasa raha tsy te-hiditra amin'io sehatra [mampihomehy]  io izy. Ary nambarany mazava tsy misy olakolaka izany.

Roma_penman mihevitra [7] fa tsy hetsika maningana noho ny fifandraisana izao fanapahan-kevitr'i Google izao fa fiombonana amin'ny filozofian'ny orinasa ihany [ru]:

Orinasa manana soatoavina sy fomba fiasa ny Google. Mijoro ho amin'ny aterineto tsy misy sisintany izy… Ary Orinasa goavana izy – Raha mandao an'i Kazakhstan ny Google, ohatrinona ny vola miditra ho very? 0,000001 isan-jato angamba?

Vladimir78 nanampy [7] ny fomba fijeriny amin'ireo mahita ny fiantraikany ratsy [ru]:

Very mpitsidika ny ankamaroan'ny vohikala Kazakhstani … sy very vola nampiasaina amin'ny fiezahana ho hita amin'ny mili-pitadiavana [SEO [8]].