Afrika : Manaraka Akaiky An'i Shina I Inda
Tamin'ny May, tao amin'ny foiben'ny Fiombonambe Afrikana ao Addis-Abeba, Etiopia, no natao ny fihaonana an-tampony faharoa teo amin'i Inda sy Afrika. Ilay Fihaoanana an-tampony dia tokony ho tonga any amin'ny fanaovan-tsonia antontan-taratasy roa : ny Fanambaran'i Addis-Abeba sy ny Drafi-piaraha-miasa eo amin'i Inda sy Afrika (izay azo jerena ao amin'ny vohikala ofisialin'ny Fiombonambe Afrikana).
Mazava ho azy fa ity fihaonana ity dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy afrikana miteny frantsay mikasika ny hazakazaka ifaninanan'i Shina sy Inda, izay nahatonga ihany koa ny fivoahan'ity lahatsary mananihany ity TheLeadersOfTheWorld tao amin'ny Youtube.

Manmohan Singh, Praiminisitra Indiana, sary avy amin'i Agência Brasil, ampiasàna ny licence Creative Commons (paternité 2.5 Brésil)
Ny journaldutchad.com dia manome ireo tarehi-marika fototra momba ity fihaonana ity:
Hamaky ny tahirin-drakitra araka izany i Inda ary efa mampisangaojy sahady ny milina fanisàna miaraka amin'ny filazàna fampindramam-bola 2400 lavitrisa CFA (5 lavitrisa dolara amerikana) ho an'ny tanibe afrikana, ho an'ny taona telo ho avy. Etsy andaniny, ny Praiminisitra Indiana, Manmohan Singh, izay manana fomba fijery mitovy amin'i Afrika, dia mihevitra koa hanome fanampiana mitentina 336 lavitrisa CFA (700 tapitrisa dolara) miendrika fanomezana ho an'i Afrika.
Patrice Garner ao amin'ny afrique7.com dia manome antsipirihany avy amin'ireo tetikasa vaovao ireo:
Asa no ilaina fa tsy kabary, ary mifanaraka amin'izay fiaraha-miombon'antoka izay dia hisy fananganana ivontoerana iray momba ny teknolojian'ny fifandraisana ao Ghana, ivontoerana iray momba ny fandrindràna ny fanabeazana ao Burundi, ivontoerana iray momba ny varotra ivelany ao Ouganda ary ivontoerana iray momba ny diamondra ao Botswana.
Efa hita mivaingana eo amin'ny fiainana andavanandron'ny Afrikana sahady ireo fampiasam-bola indiana, hoy i Assanatou Baldé ao amin'ny Afrik.com.
Ny iray tena goavana indrindra dia ny Bharti Airtel, orinasa lehibe momba ny fifandraisan-davitra, izay namoaka 10 lavitrisa dolara mba hahazoana ny tsenan'ny finday tany aminà firenena afrikana 15. Ny vondron'orinasa mpanamboatra fiara Tata, hita aminà firenena 11 ao ao Afrika, dia manjaka tokana amin'ny seha-pitateram-bahoaka ao Ouganda sy any amin'ny faritr'i Thiès ao Sénégal.

Fiarabe Tata ao Afrique – Sary: Robin Elaine ao amin'ny Flickr navoaka eo ambany fiarovan'ny licence Creative Commons CC-by
Fifanakalozan-dresaka iray no misokatra ao amin'ny Flamme d'Afrique, les autres voix de l’Afrique (Afon'i Afrika, Ireo feo hafa avy ao Afrika) an'ny Ivontoerana Institut Panos, ka ao i Ousseini Issa no mampitaha ireo fomba fijerin'i Inda sy Shina an'i Afrika:
Ireo fifandraisana ara-barotra sy fifanekem-piaraha-miasa iarahan'i Delhi amin'i Afrika dia miavaka amin'izay ataon'i Shina, amin'ny fidirana an-tsehatra betsaka ataon'ireo orinasa tsy miankina amin'ny ankamaroany, saingy atosiky ny fanjakana any aminy kosa, izay mikatsaka koa ny hipetraka any amin'ny alalan'ny tetika «fusion-acquisition» (fitambarana-fitelemana), sehatra izay anomezan'i Shina vahana kokoa ny varotra mivantana iarahana amin'ny governemanta. Saingy manana ity mampiavaka azy ity koa i Inda, ny fikendrena ny hampivoarana tetika fidirana anatin'ireo fikambanana ara-toekarena isam-paritra toy ny Cedeao sy ny Sadc. […] ho an'ny maro, ny tena lalao izany dia eo amin'ny fomba hametrahana ny kaontinanta ho anaty fifandraisana hafa noho ireo izay voafetra ny fitrandrahana azy nandritra ny taonjato maro, nanaraka ny lalan-jotra Avaratra-Atsimo.
#2 NIBIZI dia manantena vanim-potoana vaovao miaraka amin'io fifanantonana io:
Miaraka amin'io fifanekem-piaraha-miasa io, tokony hisintona lesona ireo mpitarika afrikana ka hiala amin'ny fanaovana kolikoly nambotry ny kaontinanta. Ny kolotsaina momba ny zon'olombelona no tokony handeha alohan'ny zavatra rehetra mba hahafahana misitraka ny tombontsoa avy amin'io fifanatonana io izay handevona ny ady, ny fifanolanana anatiny izay nisakana ny kaontinanta afrikana tsy hiroso tsara.
karl dia mitodika kokoa amin'ny zava-misy iainana, sady manantena no manahy ihany, indrindra ny amin'ny fanagiazana ny tany rehetra azo volena:
Ny fisian'ity vovonana ity dia tokony ho an'i Afrika, fotoana hifampiraharahàna ny amin'ny fomba hiaraha-miasa hitondràna vahaolana ho an'ny olana henjana ara-angovo. Nefa ny tena hatao dia ny hanafoana ny fampanofàna sy ny fivarotana ny tany afrikana, noho ireo mpamokatra misedra fahasahiranana mafy tokoa vao mba afaka mahazo azy ireny ho fandraisany anjara amin'ny fanatràrana ny fahavitantena ara-tsakafo sy hiantohany ny zony hanana toerana honenana.
Ao amin'ny vohikalan'ny RFI, misy lahatsoratra iray momba ny vovonan'i Addis Abeba, izay niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpamaky ihany koa. Somary henjakenjana izy ireny, ho fanoherana ny ataony hoe “Fahaleovantena ambany fanaraha-maso henjana“(teny avy amin'ny hiran'i Alpha Blondy), izany hoe ilay lasitra fiaraha-miasa Frantsay taty aorian'ny fanjanahana:
Miaraka amin'ny fahatongavan'i INDA sy SHINA eto amin'ny kaontinanta AFRIKANA, dia tena mirehareha tokoa isika, satria izany dia hanampy antsika hanilika amin-kery an'ireo jiolahy imperialista nandroba ny kaontinanta hatramin'ny 1960.[…]
[…] Tsy mahita an'izany hoe Ouattara hanome tsena mampidi-bola be ho an'ny indiana sy ny shinoa izany aho ka hanao izay hahavoa an'i Frantsa. Raha tsy ohatra angaha ka tsy te-hijanona ela eo amin'ny fitondràna izy.
Ny fomba firotsaky ny indiana amin'ny fiaraha-miasa amin'i Afrika dia tena lavitry ny fitiavantena tsy toy ny an'i Frantsa tantanin'i Sarkozy. Manomboka izao ny afrikana dia tokony hanome lamosina ireo firenena manambana vavam-basy azy ary manery azy hanao fitantanana tsy azy akory.
Ireny endrika fiaraha-miasa ireny, izay itsiriritan'ny hafa fatratra tokoa ny otrikarena afrikana (na Eraopa io na ny firenena ao anatin'ny BRIC) dia tsy ho vahaolana maharitra ho an'ny fandrosoan'ny kaontinanta. Ny fifanekem-piaraha-miasa dia tokony hiorina manodidina ny fijery lavitra izay hahafahan'ny afrikana, indray andro any, mandeha kosa mivarotra ‘TATA’ any Inda, Frantsa na SHINA (sariitatra no ataoko io). Miainga amin'ny fanofànana ny tanora izany, ny demaokrasia ary ny politika ara-toekarena sahisahy ho amin'ny Lavitr'Ezaka izay mikendry ny hanafoana ny rafitra ‘tànana mitsotra’ (hataka) nisy teto amin'ity kaontinanta ity.
Ny fihaonana tao Addis Abeba dia fotoana ihany koa ho anà vondrona iray mpively amponga, Rufisque, tanàna iray any atsimo-atsinanan'i Dakar, mba hametrahany ny dian-tànan'ny kolotsaina avy any andrefan'i Afrika, i Etiopia. Ao amin'ny rufisquenews.com, Chérif FAYE nanambàra ny fanasàna voarainy avy amin'ny Masoivohon'i Inda ao Sénégal :
Ny tarika « Kër Gi » an'i Bargny [tokony] hanao fampisehoana mandritra ny seho an-tsehatra iray antsoina hoe « Guur Nduuy » izay midika hoe « tradition léboue ». Ny « Guur Nduuy » dia seho izay mampivoitra endrika vitsivitsin'ny harena tsy hita mason'ny vondrom-piarahamonina léboue.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...