Ejypta : Mampiady hevitra ny fifanarahana amin'ny FMI

Mba hanampiana ny firenena Ejipsiana amin'ny olana ara-bola noho ny revolisiona 25 janoary, nanaiky hanao fanampiana fampindramam-bola mitentina 3 miliara dolara ho an'ny firenena be mponina indrindra ao amin'ny tany arabo ny FMI (Tahirim-bola Iraisampirenena) tamin'ny Alahady teo.

Noeritreretina hanampy an'i Ejipta ny fifanekena amin'ny fahazoana famatsiambola mba ahafahana manentsina ny fatiantoka voarakitra  amin'ny taratasy fandoavam-bola izay eo ho eo amin'ny 10 ka hatramin'ny  12 miliara dolara eo hatramin'ny revolisiona nampiongana ny filoha Hosni Moubarak tamin'ny volana febroary.

Vola Ejipsiana. Sary Flickr an i Moemen Shahawy (CC BY-NC-SA 2.0).

Raha nankatoavin'ny governemanta ejipsiana sy ny minisitry ny tetibola Samir Radwn ny soritrasa ho toy ny dingana ho amin'ny “fanarenana ny toekarena ejyptiana”, dia toa maro kosa ny ejipsiana no kely fanantenana ny amin'izany, ka misy ny tora-po maneho ny fandavana avy amin'ny mpiserasera sy ny mpikatroka.

Ao amin'ny Facebook, natsangana ny vondrona antsoina hoe “Tsy mila fifanarahana amin'ny FMI ho an'i Ejypta”, izay ahitana mpikambana 300, hiady hevitra momba ny fifanekena ary hanolotra safidy [vahaolana] hafa ahafahana manao tahiry sy hampihenana ny fatiantoka ao amin'ny tetibola.

Ny mpisera Noha El Shoky, ohatra, manome hevitra fa:

Ahafana manao tahiry mihoatra ny 70 miliara dolara ny fampihenana ny karaman'ireo mpanolo-tsaina ministerialy

Reda Eissa nanamafy hoe:

Azo atao ny manao tahiry 36 miliara dolara avy hatrany raha toa ka alefa ao amin'ny fifandanjana ankapobeny ny tetibola ny famatsiambola tsy miankina

Ao amin'ny Twitter, bilaogera sady mpikatroka Gigi Ibrahim (@Gsquare86) naneho ny fandavany tanteraka ny fifanarahana:

@Gsquare86: TOKONY HOLAVINTSIKA IO FINDRAMAM-BOLA IO !!!! ao anatina revolisiona isika, TSY MISY #SCAF TSY MISY GOVERNEMANTA afaka manapa-kevitra raha tsy mahazo fankatoavana avy amin'ny vahoaka!!! #IMF #Egypt

Mpisera Amr El Gohary (@amr_gohary) nanontany ny lanjan'ny fifanarahana nataona “governemanta tetezamita” :

@amr_gohary:  Fa nahoana ny governemanta tetezamita tsy nofidiam-bahoaka no mandray fanapaha-kevitra stratejika tahaka ny findramam-bola amin'ny FMI? #Egypt

Natao ny fifanekena taorian'ny fahafaham-pon'ny FMI tamin'ny volavolan-tetibola 2011/2012 an'i Ejypta, izay mampitombo ny fandaniambolam-panjakana ao anatin'ny fotoana vetivety monja. Nanamafy ny governemanta tetezamita fa ny tetibola dia hanampy amin'ny fanatsarana ny rariny [fitsinjarana ara-t] sosialy sy ny famahana ny olana ara-toekarena, izay navoakan'ny fitsapan-kevitra Gallup tamin'ny Alahady teo fa anisan'ny antony iray lehibe nahatonga ny fikomiam-bahoaka tamin'ny volana janoary.

Eo ny fanondrotana ny karama farafahakeliny eto an-toerana ho ho 700 livres ejyptiana raha toa ka 34 livres ejyptiana na 3,90 euros isam-bolana izany teo aloha, ary eo koa ny fanangonam-bola 2 miliara livres ejipsiana mba handoavana tamby tsy fananan'asa. Nanambara ny FMI fa hanampy ny toekarena ejipsiana “hizotra amin'ny lalana marina” ny fifanarahana, na dia eo aza ny fanoheran'ny tontolon'ny fandraharahana izay mahita ny soritrasa ho mifanohitra amin'ny politika neo-liberaly izay nampiroborobo tokoa ny orinasa nandritra ny fitondran'i Moubarak.

Ny azo itokisana dia na ny Ejipsiana na ny fitondrana ao aminy dia samy hanara-maso ny fizotry ny toe-karena rahampitso rahafakampitso. Kanefa raha miezaka ny hanarina io vondron'asa mijaly io ny mpitondra, dia mihazohazo hatrany ny tahotra mety hanimba ny  Fahaleovantena Ejyptiana aorian'ny revolisiona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.