Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Jona 2011

Tantara tamin'ny 10 Jona 2011

Ejypta: Khaled Said, Herintaona Taty Aoriana

Herintaona lasa izay, Khaled Said, Ejyptiana 28 taona avy any an-tanàna amorontsirak'i Alexandria, no nampijalijaliana teo am-pelantanan'ny polisy roa lahy. Ankehitriny, mahatsiaro ny fitsingerenan'ny iray amin'ny nahatonga ny revolisiona nataony ny Ejipsiana.

Ejypta : Mampiady hevitra ny fifanarahana amin'ny FMI

Mba hanampiana ny firenena Ejipsiana amin'ny olana ara-bola noho ny revolisiona 25 janoary, nanaiky hanao fanampiana fampindramam-bola mitentina 3 miliara dolara ho an'ny firenena be mponina indrindra ao amin'ny tany arabo ny FMI (Tahirim-bola Iraisampirenena) tamin'ny Alahady teo.

Masedoana : niteraka fihetsiketsehana ny lazaina ho famonoan'ny polisy tovolahy iray

Olona azo refesina no nivory tao afovoan-tanànan'i Skopje ny alina lasa teo mba hanohitra ny fahafatesan'ny tovolahy iray izay nolazaina fa novonoin'ny polisy nandritra ny fankalazana ny fandresen'ny antoko politika eo amin'ny fitondrana tamin'ny fifidianana natao.