Okraina: Manivana Facebook?

Nanaitra ny fiarahamonina Facebook Okrainiana ny fanesorana ny kaontin'ilay mpisera malaza indrindra ao amin'ny firenena, Mykola Sukhomlyn [kaonty vaovao], na i Николай СУХОМЛИН, tamin'ny voalohany volana Jona.

Tamin'ny 17 May dia nizara lahatsary YouTube navoakan'ny mpanao gazety Oleksiy Matsuka mampiseho ny governoran'ny faritra Donetsk, Anatoly Blyzniuk, manamory fiara S-class Mercedes mitentina farafahakeliny 60.000, i Mykola Sukhomlyn. Nakarin'ny[ru] loharanom-baovao an-tserasera malaza Ukrainska Pravda, izay nampifandrohy azy tamin'ny mombamomba an'i Sukhomlyn ny lahatsoratra, ary nampahafantarin'ny vohikala aterineto ampolony hafa ihany koa avy eo. Ny andro manaraka dia nahazo ny fandrahonana voalohany i Sukhomlyn.

Tahaka izao ny fomba nitantarany indray [ru] ny zava-nitranga tao amin'ny naoty facebook izay nozarainy tamin'ny namany:

На следующий день я получил «приватную рекомендацию» удалить видео, а также «умерить свой пыл по отношению к украинским политикам». Вскоре «советы» начали приобретать менее рекомендательный характер и человек, позвонив по телефону и не представившись, сообщил, что «на меня найдут управу».

В течение недели личные сообщения на Facebook содержали ту или угрозу. На сей раз неизвестные с временных аккаунтов грозились заблокировать мой профиль в социальной сети и принять меры для дальнейшего «недопущения распространения порочащей украинских политиков информации». 1 июня 2011 года профиль на Facebook был удален администрацией социальной сети.

Tena ny andro manaraka indrindra dia nahazo “baiko an-taratasy manokana”  aho hanaisotra ny lahatsary sy ny mba “hampitonitony ny hafanam-poko amin'ny mpanao politika Okrainiana.” Vetivety moa ny “torohevitra” tahaka itony no mijanona ho baiko raha nisy lehilahy niantso ahy tamin'ny finday ka nilaza tamiko, tsy nisy fampahafantarana ny tenany, fa tokony “hiadiako varotra io.”

Tokony ho herinandro izay, feno fandrahonana ny hafatra manokana ao amin'ny Facebook. Tamin'ity indray mitoraka ity kosa ry zareo miafin'anarana amin'ny kaonty vonjimaika no mandrahona hanakana ny mombamomba ahy ao amin'ny valan-tserasera ary handray andraikitra mety “handrara [ahy] tsy hamoaka vaovao fanasoketana ny mpanao politika Okrainiana.” Ny 1 Jona 2011, nofoanan'ny mpitantana ny valantserasera ny mombamomba ahy ao amin'ny Facebook.

Araka ny voalazan'ny vavahadin-tserasera malaza Maidan.org.ua, dia nanadino [uk] nanamarika tamin'i Sukhomlyn ny mety hanafoanana ny kaonty sy ny antony ny Facebook.

Fanazavana Ofisialy (Nampiana)

Ny 6 Jona, ny mpanara-maso ny fampitam-baovao Okraniana amin'ny aterineto Telekritika no nitodika tany amin'ny Facebook nanontany ny fanazavana ofisialy ny momba izay nataony tamin'ny mpisera Mykola Sukhomlyn. Ny solontenan'ny orinasa any Rosia, Yekaterina Skorobatova, no nilaza [uk]tamin'ny Telekritika fa nosakanana ny mombamomba an'i Sukhomlyn noho ny “fandikana miverimberina ny zon'ny mpamorona” izay efa nampitandremana azy matetika. Nolazainy ihany koa fa tsy ao anatin'io tranga io ny lahatsary ahitana ny governora.

Ny 7 Jona, nanamafy [ru] fanambaran'ny Facebook ny tonian'ny vohikala durdom.in.ua Roman Shrayk, nilaza fa ny mpisera Mykola Sukhomlyn dia imbetsaka no misintona votoaty avy amin'ny vohikalan-dry zareo sady manaisotra ny filazana ny zon'ny mpamorona. Toy izao ny nosoratany [ru] tany amin'ny Telekritika:

Я подтверждаю заявление администрации „Фейсбука”. Николай Сухомлин многократно (десятки раз) воровал фотоприколы с сайта durdom.in.ua. Он срезал с них лого и ник автора и размещал как свои. На замечания не реагировал. Комментарии о воровстве поудалял и закрыл мне доступ к своему аккаунту. Меня возмутило такое отношение, и я обратился в администрацию ФБ. Они раз 5 просто удаляли ворованный контент, но Сухомлин не переставал мошенничать. Видимо, после очередной жалобы его аккаунт и был закрыт.

Hamafisiko ny fanambaran'ny mpitantana ao amin'ny Facebook. Efa nangalatra sariitatra avy amin'ny vohikala durdom.in.ua efa impolo kely i Mykola Sukhomlyn. Nesorina ny famantarana zon'ny mpamorona (copyright) sy ny anarany dia avoakany tahaka ireny hoe azy ireny ilay izy avy eo. Tsy taitra mihitsy izy raha misy ny fitarainana. Foanany fotsiny ny hevitra miresaka ilay [votoaty] halatra dia sakanany tsy hiditra eo amin'ny mombamomba azy aho. Romotra tamin'ny fihetsiny aho ary dia nitodika tany amin'ny tompon'nadraikitra ao amin'ny Facebook. Indimy ry zareo no nanafoana fotsiny ny votoaty nangalarina, fa tsy mbola nitsahatra nanao ny asa ratsiny i Sukhomlyn. Koa heverina fa nofoanana ny kaontiny rehefa nisy ny fitarainana hafa.

Shrayk ihany no nanamarika [ru] fa teo anelanelan'ny 20 Marsa sy ny 1 Jona dia fito ny fitarainana nalefany tany amin'ny Facebook momba an'i Mykola Sukhomlyn.

Nofoanan'ny Facebook miaraka tamin'ny mombamomba an'i Sukhomlyn moa ny takelaka “Momba ny politika misy ihomehezana” (mpitsidika 300.000 isam-bolana) sy ny vondrona malaza ho an'ny mpanao gazety “MediaUkraine,” tantanin'i Sukhomlyn. ho setrin'izany dia nisy ny mpisera Okrainiana  no nanangana vondrona Facebook misokatra [ru] ho fanohanana azy, raha misy kosa ny hafa manolo-kevitra ny hiantsoana manokana ilay mpanangana ny orinasa Mark Zuckerberg.

Niteraka adihevitra [ru] mafana tao amin'ny Facebook moa ny fisongadinan'ny fanambarana nataon'i Roman Shrayk tamin'ny 7 jona raha toa ka hosoka efa voaomana tsara ny tantaran'i Mykola Sukhomlyn lasa “ampijalian'ny fitondrana”.

Tsy vao voalohany amin'ny kaonty tsy ankasitrahan'ny manampahefana Okrainiana nakatona ny azy ity. Vao am-bolana vitsivitsy lasa izay dia nampihantona [en] ny kaontin'ny vondrom-behivavy FEMEN [en], malaza amin'ny fampiderana nono, nandritra ny herinandro vitsivitsy ny Facebook.

Eo amin'ny sehatra iraisampirenena moa dia efa voatsikera [en] amin'ny tsy fahafaha-mampiasa kaonty isak'izay misy mitaraina, tsy ijerena raha nandika ny lalàna momba ny aterineto tokoa na tsia ilay mpisera, ny Facebook. Raha vao tsy afaka ampiasaina indray mandeha manko ny kaonty (tsy ijerena ny antony) dia sarotra ny hamerina azy amin'ny toerany teo aloha.

Maro ny mpisera Okrainiana nonanasongadina fa manamora ny fampanginana sy ny fisamborana ireo mpisintaka mpisera ato amin'ny valan-tserasera ny politika tahaka izao. Amin'izao fotoana izao dia efa mihoatra ny 700 ny mpisera no nanasonia hanatrika ny hetsika Facebook Okrainiana antsoina hoe “Fahalalahana miteny ao amin'ny Facebook [uk].”

Hajian-tsary avy amin'ny mpisera Flickr pshab (CC BY-NC 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.