- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Però: fifidianana 2011: Torapo avy amin'ny adihevitr'ireo kandidà ho filoha

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Ollanta Humala Keiko Fujimori [1]

Kandidà Ollanta Humala sy Keiko Fujimori. sary: TVCultura (CC BY-NC-SA 2.0) sy ny Congreso of the Republic (CC BY 2.0)

Narahin'ny mpisera valan-tserasera akaiky ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra [2] [es] nifanaovan'ny kandidà roa mifaninana hitondra an'i Però, dia i Keiko Fujimori sy i Ollanta Humala izay nifampiresahin-dry zareo nandritra sy taorian'ny fotoana: Namorona ny tenifototra (taorian'ny adihevitra sy sosokevitra maro) #dp2011 ry zareo hanarahana ny siokantsera miresaka momba azy, na dia misykoa aza ny tenifototra mirazotra aminy tahaka ny #DebatePresidencial, #Debate2011 na ny #DebatePeru.

Hita tokoa ny fifantohan'ny mpisera Twitter tao an-toerana na dia milaza amin'izay tiany horaisina ny haino aman-jery peroviana [3], mandritra izany fotoana izany dia manana ny fomba famakafakany manokana [4] momba ny adihevitra ny mpanao gazety.

Nandritra ny adihevitra, izay nizara efatra, dia nisiotsiokantsera tokoa ny mpisera, ary nisy ny voafantina sy navoaka tao amin'ny Storify [5] [es] avy amin'i Juan Arellano izay manana ny anarana mpisera Twitter hoe @Cyberjuan [6]. Isan-karazany tokoa ny torapo tahaka ny safidin'ny vahoaka Peroviana ihany, saingy tsy vitsy ireo nisioka ny fahasisoam-panantenany. Tahaka an'i Raziel Eziel Nigromante Black [7] [es] ao amin'ny Facebook:

el debate me aburre la hija de alguien que tiene sobre su conciencia crimenes como el de la cantuta,barrios altos etc y un muñeco de chavez que solo intenta destruir la democracia… ya se cago el peru prefiero una conciencia limpia en vez de mandar a la m… a mi pais viciado….

Nankaleo ahy ny adihevitra. Ny zanaka vavin'ilay nahavita heloka araka ny ao an-tsainy ao amin'ny vola miandry, ny vato misakana sns  sy ny saribakolin'i Chavez izay mitady hamotika ny demokrasia no tanjony … Aleoko mahita an'i Però manana eritreritra madio fa tsy handefa ny tanindrazako ho any an-davaky ny helo….

Ny hafa kosa maneho hevitra amin'ny tolotra ataon'ny kandidà, tahaka an'i Brian Tejeda (@signsofbrian [8]):

Keiko se apoya en los pobres y Ollanta en beneficiar a todo el país, se nota quién quiere hacer la diferencia #debateperu #ganaperu

Keiko manohana ny mahantra ary i Ollanta kosa ho amin'ny tombotsoan'ny firenena iray manontolo, izany no mampiseho aminao izay te-hanao zavatra hafa kokoa #debateperu #ganaperu

Amin'io resaka io ihany no nanamarika i Eric Iriarte Ahón [9] [es] :

Acusaciones cruzadas, el gobierno que se nos viene requerira que la Sociedad Civil se organice para ser oposicion democratica #dp2011

Fifanamelohana, ny fitondrana ho avy dia hitaky ny fiarahamonim-pirenena ho ny Fanoherana demokratika #dp2011

Maro ny manoratra fa tsy manova ny safidy hatao intsony ny adihevitra, tahaka izany i Milan (@Mylanta [10]):

Una mierda de debate, ínfimo nivel de ambos candidatos, ni siquiera creen en algo. Máscaras e intereses nomás #dp2011

Adihevitra t.., hevitra mirefarefa ami'nny tany eo amin'ny kandidà roa, izay tsy mino na inona na inona. Fanafenantava sy tombotsoa, tsy misy ankoatra izay # dp2011

Misy ny mpamaham-bolongana no nisahirana nifantina ny siokantsera heverina ho misongadina indrindra, tahaka an'i Dinorider [11][es]. Maro ny bolongana no manoratra fanadihadiana antsipiriany tahaka ny La Diáspora Peruana [12] [es] sy ny Grupo Perú Futuro [13] [es], ka ity farany moa nampivoitra fa,

El debate del último domingo terminó sin mayores sorpresas, sin grandes contrastes entre los candidatos, ni la sensación de que vaya a tener una repercusión significativa en el voto indeciso. Como es costumbre en las polémicas de nuestro medio, las referencias personales estuvieron a la orden del día y las propuestas fundamentadas brillaron por su ausencia, lo que no habla solo de los candidatos sino de lo que las personas demandan: el espectáculo.

Nifarana tsy nisy zava-nanaitra ny adihevitra alahady teo, tsy misy fifanoherana miandravandra eo amin'ny samy kandidà, na fahatsapana fa hampisy fiantraikany amin'ireo mbola tsy manana fanapahan-kevitra amin'izay hosafidiany. Araka ny mahazatra eo amin'ny fomba fiadian-kevitsika moa, ny momba ny olona no tena nifampiresahana ka nivandravandra fa tsy nisy ny tolokevitra fototra hita, tsy miresaka momba ny kandidà ihany fa izay tadiavin'ny vahoaka: fampisehoana!

Andro vitsivitsy taty aorian'ny adihevitra, mbola tsinjo ihany ny hevitra avy amin'ny valan-tserasera [14][es], saingy efa mitodika kokoa amin'ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana, izay notontosaina ny Alahady 5 Jona, tahaka izay nosoratan'i Ricardo Marapi (@ricardomarapi [15]) :

No importa quien ganó el debate. Para los q ya tenían decidido su voto, su candidato ganó. Los dos debatieronhasta el perno [“pésimo” en jerga peruana]

Tsy zava-dehibe loatra ny hoe iza no nandresy tamin'ny adihevitra. Ho an'ireo izay efa manana ny safidiny amin'ny fifidianana, dia nandresy ny kandidàny. Latsaka ambany tanteraka ny fiadian-kevitry ny roa tonta.

Fa maromaro ihany koa ny hevitra mbola matokitoky, tahaka an'i Noel Martin Sevilla Siero [16] [es] ao amin'ny Facebook,  izay mahita zavatra miabo.

Concluyó el debate Fujimori-Humala en el Perú.En un ambiente de respeto, se debatieron las propuestas de ambos. Muchos se lamentan que el pueblo escoja entre dos candidatos, de cuestionables credenciales democráticas. No obstante, hay que confiar en la sabiduría de los peruanos, que en la última elección escogieron a Alan García, de mala gestión en su primera presidencia,pero quien mejoró en su segunda presidencia.

Nifarana ny adihevitra teo amin'ny Fujimori-Humala eto Però. Niadian-kevitra tao anatin'ny fifanajana ny hevitra avy amin'ny roa tonta. Maro ny mitomany fa tsy maintsy misafidy eo amin'ny kandidà roa izay azo iadian-kevitra ny fananany fototra demokratika. Na izany aza dia tsy maintsy inoana ny fahendrena Peroviana, izay nifidy an'i Alan García [17] tamin'ny farany, izay ratsy fitantanana tamin'ny fitondrany voalohany saingy nivoatra kosa tamin'ny faharoa.