
Kandidà Ollanta Humala sy Keiko Fujimori. sary: TVCultura (CC BY-NC-SA 2.0) sy ny Congreso of the Republic (CC BY 2.0)
Narahin'ny mpisera valan-tserasera akaiky ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra [es] nifanaovan'ny kandidà roa mifaninana hitondra an'i Però, dia i Keiko Fujimori sy i Ollanta Humala izay nifampiresahin-dry zareo nandritra sy taorian'ny fotoana: Namorona ny tenifototra (taorian'ny adihevitra sy sosokevitra maro) #dp2011 ry zareo hanarahana ny siokantsera miresaka momba azy, na dia misykoa aza ny tenifototra mirazotra aminy tahaka ny #DebatePresidencial, #Debate2011 na ny #DebatePeru.
Hita tokoa ny fifantohan'ny mpisera Twitter tao an-toerana na dia milaza amin'izay tiany horaisina ny haino aman-jery peroviana, mandritra izany fotoana izany dia manana ny fomba famakafakany manokana momba ny adihevitra ny mpanao gazety.
Nandritra ny adihevitra, izay nizara efatra, dia nisiotsiokantsera tokoa ny mpisera, ary nisy ny voafantina sy navoaka tao amin'ny Storify [es] avy amin'i Juan Arellano izay manana ny anarana mpisera Twitter hoe @Cyberjuan. Isan-karazany tokoa ny torapo tahaka ny safidin'ny vahoaka Peroviana ihany, saingy tsy vitsy ireo nisioka ny fahasisoam-panantenany. Tahaka an'i Raziel Eziel Nigromante Black [es] ao amin'ny Facebook:
el debate me aburre la hija de alguien que tiene sobre su conciencia crimenes como el de la cantuta,barrios altos etc y un muñeco de chavez que solo intenta destruir la democracia… ya se cago el peru prefiero una conciencia limpia en vez de mandar a la m… a mi pais viciado….
Ny hafa kosa maneho hevitra amin'ny tolotra ataon'ny kandidà, tahaka an'i Brian Tejeda (@signsofbrian):
Keiko se apoya en los pobres y Ollanta en beneficiar a todo el país, se nota quién quiere hacer la diferencia #debateperu #ganaperu
Amin'io resaka io ihany no nanamarika i Eric Iriarte Ahón [es] :
Acusaciones cruzadas, el gobierno que se nos viene requerira que la Sociedad Civil se organice para ser oposicion democratica #dp2011
Maro ny manoratra fa tsy manova ny safidy hatao intsony ny adihevitra, tahaka izany i Milan (@Mylanta):
Una mierda de debate, ínfimo nivel de ambos candidatos, ni siquiera creen en algo. Máscaras e intereses nomás #dp2011
Misy ny mpamaham-bolongana no nisahirana nifantina ny siokantsera heverina ho misongadina indrindra, tahaka an'i Dinorider[es]. Maro ny bolongana no manoratra fanadihadiana antsipiriany tahaka ny La Diáspora Peruana [es] sy ny Grupo Perú Futuro [es], ka ity farany moa nampivoitra fa,
El debate del último domingo terminó sin mayores sorpresas, sin grandes contrastes entre los candidatos, ni la sensación de que vaya a tener una repercusión significativa en el voto indeciso. Como es costumbre en las polémicas de nuestro medio, las referencias personales estuvieron a la orden del día y las propuestas fundamentadas brillaron por su ausencia, lo que no habla solo de los candidatos sino de lo que las personas demandan: el espectáculo.
Andro vitsivitsy taty aorian'ny adihevitra, mbola tsinjo ihany ny hevitra avy amin'ny valan-tserasera[es], saingy efa mitodika kokoa amin'ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana, izay notontosaina ny Alahady 5 Jona, tahaka izay nosoratan'i Ricardo Marapi (@ricardomarapi) :
No importa quien ganó el debate. Para los q ya tenían decidido su voto, su candidato ganó. Los dos debatieronhasta el perno [“pésimo” en jerga peruana]
Fa maromaro ihany koa ny hevitra mbola matokitoky, tahaka an'i Noel Martin Sevilla Siero [es] ao amin'ny Facebook, izay mahita zavatra miabo.
Concluyó el debate Fujimori-Humala en el Perú.En un ambiente de respeto, se debatieron las propuestas de ambos. Muchos se lamentan que el pueblo escoja entre dos candidatos, de cuestionables credenciales democráticas. No obstante, hay que confiar en la sabiduría de los peruanos, que en la última elección escogieron a Alan García, de mala gestión en su primera presidencia,pero quien mejoró en su segunda presidencia.