Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'nytatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Siria 2011.
Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny hoavin'izy ireny.
Ao amin'ny Twitter, @RevolutionSyria dia manamarika hoe:
Na dia ny ankizy aza ao #Syria tsy matahotra ny fiara mifono vy an-dry #Bashars. Mila fahasahiana sy herim-po ny fanaovana izany… http://fb.me/12T47y0Ml
Ny rohy mankany amin'ilay lahatsary, avy amin'i fnnsyria, dia mampiseho ankizy ao Baniyas miatrana manoloana ireo fiara mirongo fiadiana, re any ambadika any ny tifitra:
http://www.youtube.com/watch?v=taeS_UX_PsY
Ity lahatsary ity, nampakarin'i Syriaandsyria, dia mampiseho ankizy miresaka momba ny tetikadiny sy mangirifiry noho ny revolisiona. Misy ny dikanteny Anglisy:
Ao anatin'ity lahatsary ity, avy amin'i kurdishsyrian, betsaka ireo ankizy hita any anaty hetsi-panoherana mihiaka ny hoe : “Syria! Fahafahana!” Manentana ireo Siriana mba hijoro ihany koa ry zareo ka hihetsika hanohitra ny fitantanan'i Assad:
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'nytatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Siria 2011.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...