Yemen: Saritaka ao Sanaa amin'ny vaovao mifanohitra momba an'i Saleh

Tafalatsaka anaty korontana tanteraka ny renivohitra Yemenita Sanaa nandritra ity folakandro ity, noho ny fisian'ny vaovao mifanohitra momba ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh. Raha milaza ny sasany fa nandao ny lapam-panjakana ao Sanaa izy, ny hafa kosa nitatitra fa naratra izy nandritra ny fifandonana nitranga.

Indreto ny tora-po voalohany avy amin'ny Twitter.

Mohamed Abdel Daymen nisiokantsera:

#Saleh “light injuries” now confirmed by multiple reliable sources. So at least that much is true.

Voamarina avy amin'ny loharano maro azo inoana ny “faharatrana madinika” nahazo an'i #Saleh. Izany hoe farafaharatsiny dia marina io miverina indrindra io.

Nanamafy ny Al Jazeera Anglisy:

Officials: #Yemeni President Ali Abdullah #Saleh is wounded but alive. Read more on our live blog: http://aje.me/mPUHeO

Manampahefana: Maratra ny filoha Yemenita Ali Abdullah fa velona. Vakio ny bolongana mitantara mivantana: http://aje.me/mPUHeO

Ary nanampy i Ali Hashem, masoivohon'i Al Jazeera teny Arabo:

Yemeni official: President Ali Saleh will talk to the public soon

Fitondrana Yemenita: Hikabary amin'ny vahoaka tsy ho ela ny filoha Ali Saleh

Ary maneso:

Saleh is confirmed to have escaped death, lucky him

Voamarina fa nieren-doza tsy ho faty i Saleh, tsara vintana izy.

Andy Carvin miezaka ny mamehy ny toe-draharaha amin'ny filazana hoe:

So to summarize, Yemeni pres Saleh is/isn't/could be/perhaps is/supposedly/according to twitter/according to Reuters/sort of/who knows dead.

Ho fehiny, ny filoha Yemenita Saleh dia/tsy dia/mety/angamba/heverina/araka ny Twitter/ Araka ny Reuters/karazany/iza no mahalala hoe maty.

Niteraka fanantenana eto amin'ny tontolon'ny siokantsera, ny vaovao nampaharatra an'i Saleh, sy ny mety ho fahafatesany, ka iray sisa ny mpanao didijadona tavela any amin'ny tontolo Arabo.

Egyptian Mona Eltahawy ni-tweet:

We are long overdue a Friday of Departure of Despised Dictator. #Yemen's Ali Abdulla #Saleh: could you be next? Yalla, Yemen!

Efa hatry ny elaela isika no niaina fialan'ny mpanao Didijadona andro Zoma. Ry Ali Abdulla Saleh: Mety ianao ve no manaraka?

Raha hiverina any Yemen isika, mbola mitohy ny saritaka. Manoratra i Ibrahim Mothana:

I am LOST in Translation!! A lot of conflicting news and report coming from #Sanaa NOW. #Yemen #Saleh

VERY amin'ny fandikanteny aho!! tatitra sy vaovao mifanohitra avy any #Sanaa IZAO.

Amel nisiokantsera:

Sanaa is chaos. Shooting everywhere. We're headed to american embassy #Yemen #yf

Sanaa anaty korontana. Tifitifitra eny rehetra eny. Mitodika any amin'ny Masoivoho Amerikana izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.