Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona ao Tonizia 2011 [1].
Hatramin'ny nialan'ny filoha teo aloha Zeine El-Abbidine Ben Ali, zavatra tokana no nandrandrain-dry zareo Toniziana: fifidianana malalaka sy madio, izay heverin-dry zareo fa hany miantoka tetezamita mankany amin'ny demaokrasia. Ny 3 Martsa, ny filoha vonjimaika Foued Mbezaa dia nanambara [2] fa ny 24 Jolay ny Toniziana no haneho ny safidiny hifidy izay ho ao amin'ny antenimiera. Tato ho ato, na izany aza, dia maro no nanomboka niahiahy fa tsy mbola vonona ny hoenti-manana amin'ny fikarakarana fifidianana madio sy mangarahara voalohany eto amin'ny firenena, ary dia nanomboka niely ny vaovao mikasika ny fanemorana ny fifidianana.
Ny 22 May, ny filohan'ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana, Kamel Jandoubi, dia nanolotra soso-kevitra hanemorana ny fifidianana [3] ho amin'ny 16 Oktobra. Ny mpitantana ny komity dia nilaza fa ny tena antony dia ny hoenti-manana sy ny ara-teknika, ary ny firenena dia “tsy mahafeno ny fepetra ilaina hikarakarana fifidianana amin'ny 14 Jolay araka izay nambara.”
[5]@Atriki: [6]Le ping-pong continue entre gvt et #IIE. L'1 insiste sur le maintien, l'otre sur le report wa7na nkawrou binethom #TnElec
@MoezTwit: [7]Bon on peut espérer que d'ici le 24 Juillet ils se mettent d'accord sur la date des élection ?
Ny ampahany betsaka amin'ny mpitoraka blaogy dia manohitra daholo ny fanemorana ny fifidianana sady mieritreritra fa ny fanemorana dia tsy mitondra ny firenena mankaiza, ary hanely korontana.
Mokhtar Yahyaoui mibitsika hoe: [8]
Tout report des élections n'a qu'un seul sens: Un saut dans l'inconnu et conduire le pays vers le chaos
Manampy [9] izy:
Il faut revenir à la rue et clamer haut et fort : “الشعب يريد الإنتخابات” ” le peuple exige les élections
Ny hafa indray misafidy ny hanome tsiny ny governemanta vonjimaika sy ny Praiminisitra Beji Caid Sebsi.
@Arabasta1 [10]:أطالب باجي قايد السبسي بتحمل مسؤلياته و إحترام تعهداته و الإستقالة من اليوم بسبب عدم قدرته على تنظيم الإنتخابات يوم 24
@dr_heny: [11]Si #BCE ne respecte pas ses echeances #tnelec il est appelé à partir.necessité d'un vrai gouv d'union nationale puissant. #Tunisie #kasbah
Hussein Ben Amer, mpitoraka bilaogy, dia manoratra hoe: [12]
لا أشك لحظة واحدة في نزاهة وأمانة سي كمال الجندوبي. تاريخه يشهد له، ولكل أعضاء الهيئة المسؤولة على الإنتخابات. هم يريدون الخير للبلاد، لا شك في ذلك. لكن لا بد لنا من تحمل المسؤولية، من طرف الهيئة العليا التي تأخرت في إنجاز القانون، والحكومة التي ماطلت طويلاً قبل المصادقة على القانون الإنتخابي، وكل الأطراف التي شدتنا إلى الوراء بجدالاتها الجانبية العقيمة. كل هؤلاء مسؤلون. والشعب لن يسامحهم إن اضاعوا علينا فرصتنا التاريخية. اليوم مصيرنا بأيدينا، كل يوم يمر يزيد من خطر الرجوع إلى الوراء، وعودة الدكتاتورية، ونكسة الإقتصاد، والإنفلات الأمني، وكل ما يندرج عن غياب الشرعية والخوف من المجهول. فلتعملوا ليلاً نهاراً. إن إلتزم الأمر، أطلبو المساعدة من الخبرات والمنظمات العالمية، لا عار في ذلك. لكن نترجاكم، بروح من إستشهدو، بروح تونس، لا تخذلونا… لا تخذلونا!
Fatma Arrabica dia mametraka fanontaniana goavana iray: [13]
وهل تأجيل الانتخابات لمدّة شهرين سيكون كفيلا بانجاز كل المسائل العالقة ؟؟ انّ كلّ ملف من الملفات العالقة يلزمه ثورة
Tsy dia miraharaha loatra izay fanemorana fifidianana any i Mehdi Lamloum. Hoy izy mibitsika: [14]
Je ne pense pas que retarder les élections soit une catastrophe. D'ailleurs, peu de tunisiens semblent s'en soucier…
Toa manjary miha-mibaribary ankehitriny fa tsy ho tanteraka ny fifidianana amin'ny 24 Jolay, ary mitodika mibanjina ny mety ho fihetsiky ny eny an-dàlambe daholo ny maso rehetra izao
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona ao Tonizia 2011 [1].