Toniziia: Tsy Azo Ihodivirana Ny Fanemorana Ny Fifidianana Nokasaina Ho Ny 24 Jolay

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona ao Tonizia 2011.

Hatramin'ny nialan'ny filoha teo aloha Zeine El-Abbidine Ben Ali, zavatra tokana no nandrandrain-dry zareo Toniziana: fifidianana malalaka sy madio, izay heverin-dry zareo fa hany miantoka tetezamita mankany amin'ny demaokrasia. Ny 3 Martsa, ny filoha vonjimaika Foued Mbezaa dia nanambara fa ny 24 Jolay ny Toniziana no haneho ny safidiny hifidy izay ho ao amin'ny antenimiera. Tato ho ato, na izany aza, dia maro no nanomboka niahiahy fa tsy mbola vonona ny hoenti-manana amin'ny fikarakarana fifidianana madio sy mangarahara voalohany eto amin'ny firenena, ary dia nanomboka niely ny vaovao mikasika ny fanemorana ny fifidianana.

Ny 22 May, ny filohan'ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana, Kamel Jandoubi, dia nanolotra soso-kevitra hanemorana ny fifidianana ho amin'ny 16 Oktobra. Ny mpitantana ny komity dia nilaza fa ny tena antony dia ny hoenti-manana sy ny ara-teknika, ary ny firenena dia  “tsy mahafeno ny fepetra ilaina hikarakarana fifidianana amin'ny 14 Jolay araka izay nambara.”

Ny 23 May, taorian'ny fivorian'ny kabinetra, namoaka fanambaràna ny governemanta ka tao anatin'izany no nilazany fifikirany amin'ny daty 24 Jolay hanaovana ny fifidianana. Taoriana kely indray, tamin'io androio ihany, dia nanamafy indray io komity io ny amin'ny hanemorana ny fifidianana.

Tanivon'ireo fisafotofotoana ireo, tsy hitan'ny teny an'arabe intsony izay hosainina, noho ny daty marina hanaovana fifidianana tsy hay be ihany, ary toa tsy afaka mahita ny marimaritra iraisana koa ny tompon'andraikitra.

@Atriki:Le ping-pong continue entre gvt et #IIE. L'1 insiste sur le maintien, l'otre sur le report wa7na nkawrou binethom #TnElec

Mitohy ny lalao  ‘ping pong’ eo amin'ny governemanta sy ny komity misahana ny fifidianana. Iry voalohany mifikitra amin'ny daty nomena tany am-boalohany, ary itsy faharoa mankasitraka ny fanemorana, ary isika no baolina eo anelanelan'izy roa ireo.

@MoezTwit:Bon on peut espérer que d'ici le 24 Juillet ils se mettent d'accord sur la date des élection ?

Ndeha isika hanantena fa mandra-pahatongan'ny 24 Jolay, dia hahita ny marimaritra iraisana ry zareo mikasika ny datin'androm-pifidianana

 

Ny ampahany betsaka amin'ny  mpitoraka blaogy dia manohitra daholo ny fanemorana ny fifidianana sady mieritreritra fa ny fanemorana dia tsy mitondra ny firenena mankaiza, ary hanely korontana.

Mokhtar Yahyaoui mibitsika hoe:

Tout report des élections n'a qu'un seul sens: Un saut dans l'inconnu et conduire le pays vers le chaos

Ny fanemorana ny fifidiana dia midika zavatra tokana: dingana mankany amin'ny tsy fantatra ary fitondràna ny firenena ho any amin'ny korontana

Manampy izy:

Il faut revenir à la rue et clamer haut et fort : “الشعب يريد الإنتخابات” ” le peuple exige les élections

Tsy maintsy hiverina eny an-dalambe isika ary hikiaka mafy ny hoe: “Mangataka fifidianana ny vahoaka”

Ny hafa indray misafidy ny hanome tsiny ny governemanta vonjimaika sy ny Praiminisitra Beji Caid Sebsi.

@Arabasta1:أطالب باجي قايد السبسي بتحمل مسؤلياته و إحترام تعهداته و الإستقالة من اليوم بسبب عدم قدرته على تنظيم الإنتخابات يوم 24

Izaho dia mitaky an'i Beji Caid Sebsi handray ny andraikiny, hanbaja ny teny nomeny ary hametra-pialana androany noho ny tsy fananany fahafahana hikarakara fifidianana amin'ny 24 Jolay.

@dr_heny:Si #BCE ne respecte pas ses echeances #tnelec il est appelé à partir.necessité d'un vrai gouv d'union nationale puissant. #Tunisie #kasbah

Raha tsy manaja ny fetr'andro nofinidiny i Béji Caid Sebsi, dia tokony hiala. Mila governemantan'ny fampiraisam-pirenena sy matanjaka

Hussein Ben Amer, mpitoraka bilaogy, dia manoratra hoe:

لا أشك لحظة واحدة في نزاهة وأمانة سي كمال الجندوبي. تاريخه يشهد له، ولكل أعضاء الهيئة المسؤولة على الإنتخابات. هم يريدون الخير للبلاد، لا شك في ذلك. لكن لا بد لنا من تحمل المسؤولية، من طرف الهيئة العليا التي تأخرت في إنجاز القانون، والحكومة التي ماطلت طويلاً قبل المصادقة على القانون الإنتخابي، وكل الأطراف التي شدتنا إلى الوراء بجدالاتها الجانبية العقيمة. كل هؤلاء مسؤلون. والشعب لن يسامحهم إن اضاعوا علينا فرصتنا التاريخية. اليوم مصيرنا بأيدينا، كل يوم يمر يزيد من خطر الرجوع إلى الوراء، وعودة الدكتاتورية، ونكسة الإقتصاد، والإنفلات الأمني، وكل ما يندرج عن غياب الشرعية والخوف من المجهول. فلتعملوا ليلاً نهاراً. إن إلتزم الأمر، أطلبو المساعدة من الخبرات والمنظمات العالمية، لا عار في ذلك. لكن نترجاكم، بروح من إستشهدو، بروح تونس، لا تخذلونا… لا تخذلونا!

Tsy isalasalako ny fahamendrehan'Ing. Kamel Jandoubi. Milza zavatra betsaka momba azy ny tantaram-piainany, ary ireo mpikambana rehetra ao amin'ny komitim-pifidianana: mikatsaka ny tsara indrindra ho an'ny firenena ry zareo. Na izany aza, mila mandray andraikitra isika. Mitaky fotoana lava amin'ny Komity Ambony ho Fanatràrana ny Tanjon'ny Revolisiona, Fanavaozana ara-Politika, ary Tetezamita mankamin'ny Demaokrasia ny famoahana lalàm-pifidianana sy ny fankatoavan'ny governemanta an'izany. Ary ireo antoko rehetra nisarika antsika hihemotra miaraka amin'ny fifandirana tsy misy dikan-dry zareo manokana any. Tomponandraikitra daholo izy rehetra ireny, ary tsy hamela ary ireo ny vahoaka raha raha isika no asainy mandoa be amin'ity vanim-potoana ho raketin'ny tantara ity.

Fatma Arrabica dia mametraka fanontaniana goavana iray:

وهل تأجيل الانتخابات لمدّة شهرين سيكون كفيلا بانجاز كل المسائل العالقة ؟؟ انّ كلّ ملف من الملفات العالقة يلزمه ثورة

Hamaha ny olana rehetra ve ny fanemorana ny fifidianana ho afaka roa volana? Ny olana tsirairay dia ilàna revolisiona iray vao hivaha

Tsy dia miraharaha loatra izay fanemorana fifidianana any i Mehdi Lamloum. Hoy izy mibitsika:

Je ne pense pas que retarder les élections soit une catastrophe. D'ailleurs, peu de tunisiens semblent s'en soucier…

Tsy dia heveriko loatra ho olana goavana ny fanemorana fifidianana. Sady koa, Toniziana vitsivitsy ihany no mametraka olana amin'io.

Toa manjary miha-mibaribary ankehitriny fa tsy ho tanteraka ny fifidianana amin'ny 24 Jolay, ary mitodika mibanjina ny mety ho fihetsiky ny eny an-dàlambe daholo ny maso rehetra izao

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona ao Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.