- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tetikady Fampiasàna Finday Rehefa Mandray Anjarana Aminà Hetsi-Panoherana Am-Pilaminana

Sokajy: Ejipta, Hafanam-po, Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

Raha toa ianao mandray anjara aminà hetsika atao am-pilaminana amin'ny maha-mpanao gazety, mpiaro zon'olombelona, na mafàna fo, dia fitaovana sarobidy tokoa ny findainao. Fitaovana izy ahafahanao mifandray amin'ny namana, mandrakitra ny hetsika, ary ho vavolombelon'izay rehetra mitranga manodidina anao. Mandritra izany, tokony hitandrina zavatra vitsivitsy ianao amin'ny fampiasàna ny findainao sy ny fifandraisana. Ity toro-làlana manaraka ity izay nivoaka tao amin'ny Mobile Active [1] [Ang] dia afaka manampy anao hampiasa tsara ny findainao mandritra ireo hetsika am-pilaminana sady, mandritra izany, miaro tsara koa ny tenanao.

Mandanjalanja ireo mety hateraky  ny Finday

Anatin'ny ankabeazan'ireo hetsi-bahoaka, dia mety hiatrika an'ireto ianao:

Azo atao ny manamaivana ny dona tsirairay arakaraky ny fiomananao mialoha, fantaro ny findainao, sy ny fara-fahakeliny amin'ny fiasan'ny atao hoe fifandraisana amin'ny finday. Tadidio fa ny tranga rehetra dia samihafa avokoa ary ny finday dia fitaovan-tserasera tsy dia azo antoka loatra. Entaninay ianao hanopy maso ity Toro-làlana momba ny loza mitatao amin'ny Finday [2] ity mba ho fitarihana misimisy kokoa amin'ny fandanjalanjana ny dona mety ho entin'ny findainao.

Fantaro ny Hasarobidin'ny Fanorotoroana ao amin'ny findainao

1. Lahatsary  sy Saripika

Ireo lahatsary sy saripika alainao amin'ny maha-mpandray anjara anao mandrtra ny hetsika am-pilaminana dia tahirin-kevitra sarobidy. Ohatra, ndeha ataontsika hoe nisedra olana teny an-dalambe ianao ary afaka nandrakitra sombin-tsary ny zava-niseho ho ao anaty findainao. Iny porofo iny dia zava-dehibe mihitsy hanosehana izay vaovao diso mikasika hetsika iray na azo ampiasaina tsara hanaporofoana fa tena nisy tokoa ilay tranga. Ireo sombin-tsary dia mety ho azo ampiasaina ihany koa  hanaporofoana ny zava-tsy nety nataon'olona iray (tahaka ny hoe manamboninahitry ny polisy ohatra).

2. Ny Momba Anao Manokana

Mitahiry zavatra betsaka momba anao manokana ny findainao.  Jereo ny  Toro-làlana momba ny loza mitatao amin'ny finday [2] mba hahitàna ny pitsopitsony madinika mikasika ny zavatra voatahiry ao amin'ny findainao. Mety hirakitra ny lisitr'ireo mpifandray aminao ny findainao, ny hafatra nalefanao, ny antso natao, ny tahiry momba ny vohikala notsidihana, ny fitànana an-tsoratra, na ny tahirin-kevitrao.

Io karazana io dia mety hanohintohina ny asanao sy ny tambajotranao. Mety hitranga ny fampiasana azy amin'ny tsy tokony ho izy ka tsy tokony mihitsy ho azon'ny olon-kafa jerena izany raha tsy nahazo alalana avy aminao. Mandrakariva dia tokony ho fantatrao foana ny votoaty anananao ao anaty finday ao ary mampiasà izay fiarovana azo atao (toy ny ‘code pin’, ny fitendry manidy tena, ny finday manidy tena, ‘code de verouillage'… sns). Hamoaka toro-làlana manokana momba ny Fanidiana (Fiarovana) misy sy azo ampiasaina ao amin'ny findainao izahay.

Inona No Hatao Alohan'ny Hanatevenan-Daharana Hetsika am-Pilaminana Iray

Ireto soso-kevitra manaraka ireto dia hanampy anao hanao izay haha-mari-toerana ny fifandraisanao sy hiarovana ny votoaty avy aminao:

1. Manaova Tahiry amin'ireo Votoatin'ny Findainao

Mety ho very mora foana ny findainao ao anatinà hetsika iray (mety ho latsaka, nisy nangalatra, notazonin'ny manampahefan'ny polisy, nendahan'olona). Manaova tahiry ivelany an'ireo votoatin'ny findainao any anaty solosaina azo antoka any. Kendreho tsara ho voarakitra ny mpifandray amin'ny tena, ny hafatra, ny fidirana, ny media, ary izay rehetra votoaty heverinao fa manan-danja lehibe. Avy eo, azonao atao ny mi-formater ny findainao, mamafa ny votoaty sy izay rehetra noraketina. Aorian'ny hetsika dia azonao atao tsara ny mamerina ireo votoaty avy any amin'ny tahiry nataonao hiverina ho ao anatiny indray.

2. Mitondrà Vatoaratra Fiandry Ho an'ny Findainao

Na dia mihevitra aza ianao fa mahafantatra ny mety ho faharetan'ilay hetsika, sarotra ny maminavina ny mety ho fivoaran'ny raharaha. Mety ho zavatra maro no ampiasànao ny findainao ary dia mety ho vizana ny vatoaratrao. Mitondrà mandrakariva any aminao any  vatoaratra iray fanampiny ary ny famahanana azy, raha azo atao. Ianaro ny manolo amin'ny fomba haingana ny vatoaratry ny findainao.

3. Raiso anaty Taratasy ny Zava-dehibe

Soraty anaty taratasy ireo fifandraisana manana ny toerany manokana ary ento miaraka aminao satria mety ho very ny findainao ary ilainao ny fahafahana mijery maika izay fifandraisana maika izay. Ohatra, soraty ny fomba azo ifandraisana amin'ny fianakavianao, ny mpisolovava, mpitsabo, mpanao gazety ary ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.

4. Asio Fahana ny Findainao

Raha mampiasa ny tolotra fahanana ianao, aza adino mihitsy ny mamahana ny SIM findainao. Tsy fantatrao na ho firy na ho firy ny antso tsy maintsy hataonao, na ny haben'ny votoaty hampakarinao anaty aterineto.

5. Jereo ny Tanjaky ny Tambajotra

Raha azo atao, tsidiho mialoha ny toerana voatondro hanaovana hetsika ary tadiavo izay toerana ahafahana mahazo ny tsara indrindra amin'ny tambajotra, ny eo ho eo ihany, ary ny ratsy indrindra. Raha mieritreritra ny hampiasa fitaovana misy WIFI ianao, tadiavo koa izay toerana (sy ny fahazoana antoka!) misy mari-pamantarana fisianà tambajotra Wifi misokatra.

6. Fifandrohizan'ny famoahana lahatsoratra

Raha mihevitra ny hampakatra fanavaozana ao amin'ny Facebook ohatra ianao, na Twitter, na mihevitra ny hampakatra sary ao amin'ny Flickr na Twitpic, ampifandrohizo ny kaontinao mba ho azo antoka fa hihanaka ary hivezivezy ny votoaty nalefanao any anatin'ny vondrom-piarahamonina samihafa anaty aterineto any vantany vao mandefa fanavaozam-baovao na sary ianao, na manomboka fampitàna mivantana. Raha miahiahy ny amin'ny maha-azo antoka na tsia io fomba io ianao, dia azonao atao,mialoha ilay hetsika, ny mieritreritra mamorona kaonty manokana tsy ilazalazana ny momba anao ao anaty vohikala.

7. Ataovy ho Pejy Ankafizina

Aza adino ny mametraka ho pejy ankafizina ireo rohy mankany amin'ny vohikala sosialy sy fitaovana anaty aterineto eritreretinao hampiasaina. Tsarovy ny mametraka ho pejy ankafizina ny dika natao ho an'ny finday amin'ireo vohikala sosialy  (ohatra, http://m.facebook.com [3], http://m.flickr.com [4], http://m.twitter.com [5]… etc).

Fantaro ny Findainao

1. Trandraho ny Fitendry Amin'ny Findainao

2. Trandraho ny Fakantsarin'ny Findainao

Fantaro izao fomba azo itrandrahana msimisy kokoa ny fakantsarin'ny findainao mba hanaovanao izay tianao amim-pitoniana sy araka izay vokatra irina. Mifankazàra amin'ny fomba fiasan'ny fakantsarinao ary ny fomba hifehezana ny zavatra rehetra azony omena. Mety ho voasambotra ianao raha maka sary polisy iray eo am-pidarohana olona, ka nitselatra nanaitra ilay manampahefana ny jiro fanazavan'ny fakantsarinao. Ny feo avoakan'ny fakantsarinao rehefa manindry bokotra koa dia mety hisarika ny saina ho any aminao ka ilaina araka izany ny hanomananao mialoha ny fomba fiasany mba hisorohana ny mety hanamarihan'ny sasany anao.

Inona no Tokony Hatao Mandritra Ilay Hetsika Am-Pilaminana

1. Lanjalanjao ny Dona Ara-Batana Mety Hahazo Anao sy ny Fisian'ny Polisy

Ny fiarovana ny tenanao foana aloha no voalohan-daharana rehefa maka sary na lahatsary any anatinà hetsika am-pilaminana iray, na mandefa hafatra sms sy fanavaozana anaty vohikala. Fantarina ny elanelana misy anao amin'ireo mpitandro filaminana sy ireo hery mpandrava korontana, sy ny hoe akaiky fiaran'ny polisy ve sa tsia. Ny tsara indrindra (Idealy), tsidiho ny toerana, mialoha ny hanaovana ny hetsika, mba hizàrana sahady ny faritra sy ny làlana raha sendra mitranga ny herisetra. Tsy voatery hisavoritaka ianao. Sokafy fotsiny ny masonao.

2. Lanjalanjao ny Fandrakofan'ny Tambajotra sy ny Fahafahana Miditra amin'ny Aterineto

Alohan'ny hanapahanao hevitra hampakatra fanavaozam-baovao amin'ny Twitter na hanao fampitàna mivantana miaraka amin'ny fitaovana toy ny Bambuser [6], jereo aloha raha tsara toerana mahazo fandrakofana tsara avy amin'ny tambajotra ka mahazaka tsara ny zavatra tianao hatao ao anaty aterineto ianao. Ataovy an-tsaina fa mety ho tapaka tampoka izay fandrakofana izay. Ataovy azo antoka tsara ny fampitàna mivantana ataonao ary efa namorona mialoha kaonty ho an'ilay hetsika ianao. Ity toro-làlana ity [7] dia mety hanampy anao amin'ny fampiasàna ny Bambuser sady hahita fitaovana hafa ihany koa ianao ato. [8]

3. Mifidiana Tetikady

Azonao atao ny mandrakitra amin'ny fomba samihafa ny hetsika am-pilaminana iray (amin'ny SMS, lahatsary, ary saripika). Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin'izay hataonao ianao mifanaraka amin'ny zava-mitranga atrehana.

Torohevitra 10 Mahasoa