- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka

Herinandro monja taorian'ny “kiendiendim-panoherana [1]” (na kitonotono fanoherana) [en] ny fitsaratsaram-poana ny saranga sy ho fiarovana ny kalitaon'ny fitateram-bahoaka ao an-tanànan'i Sao Paulo City, dia fotoana izao hanaovana jery todika izay nisongadina tamin'ny fihetsiketsehana, satria manko mahatonga aingam-panahy hamorona sy hehy ho an'ny tontolom-bolongana eo amin'ny firenena izany.

Araka ny tombatombana dia nahazo olona tanelanelan'ny 200 (araka ny lazain'ny fampitam-baovao be mpanaraka [2]) sy mihoatra ny 4000 (araka ny filazan'ny tontolom-bolongana [3]) ity hetsika ity. Indreto ary ny sasany  “samihafa” amin'ny sary sy lahatsary vokarin'ny olotsotra tia mitati-baovao. [ny rohy rehetra dia amin'ny fiteny portiogey avokoa ankoatra izay marihana manokana; misy soratra azo vakiana amin'ny fiteny anglisy ny lahatsary].

Fanoherana ny lalamby ambanin'ny tany

Ny sary manaraka etoana, izay nopihana teo ampanombohan'ny fihetsiketsehana, dia mampiseho ny toerana nokasaina hanorenana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis. Ny kiendiendim-panoherana moa dia setrin'ny fanafoanana ny fanomezana alalana [4] hananganana ilay gara nataon'ny governemantan'i Sao Paulo, noho ny fanangonan-tsonia nahatratra 3500 nataon'ny mponina avy amin'ny faritra mpanankarena manodidina ny renivohitr'i Sao Paulo.

Corner between Angélica and Sergipe streets. Photo by Marcel Maia, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [5]

Kihon-dalana eo amin'ny lalana Angélica sy Sergipe. Saripika Marcel Maia, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Na dia efa nirotsaka tanteraka aza ny alina dia mbole feno olona ihany ny arabe. Amin'ity sary manaraka ity dia ahitana lamba maromaro mihaha ao amin'ny Lalambe Angelica, manome endrika ilay tanànan'ny mpanankarena ho toy ny any amin'ny faritry ny mahantra manodidina:

Angelica is the new Augusta: a reference to the neighbor area that have long been taken by "different people". Photo by luddista on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [6]

Angelica no Augusta vaovao: toerana fakan-tahaky ny manodidina izay falehan'ny “mponina [sami

Hehy, eso ary kilalaom-pitiavana (na tsia)

Araka ny efa nampoizina moa dia voamariky ny esoesonteny sy tsikeran'olona tsara fanahy noho ny fihetsik'ireo vato nasondrotry ny tany ao Sao Paulo ny hetsika. Voarakitra tsara ao amin'ity sary manaraka ity moa ny kisangisangy hita:

"Enough of cars 1.0 in Higienópolis". Photo by Patricia Melendi, on Flickr. Published with permission. [7]

“Leo fiara 1.0 eto Higienópolis”. sary Patricia Melendi, Flickr. nahazoana alalana.

I only take the tube in NY, Paris and London! Photo by Luís Eduardo Catenacci, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [8]

Any New York, Paris ary Londres ihany no andraisako metro! sary Luís Eduardo Catenacci, Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Change now! – A protester holds poster suggesting that some streets should have their names changed: instead of poor northeastern states, they should be called after chic French regions. Photo by Luís Eduardo Catenacci, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [9]

Fiovana izao! – mpanao fihetsiketsehana mamoaka sora-baventy ny tokony hanovana anarana ny arabe sasany. Ovaina ho anarana faritra malaza any Frantsa ny anarana mahantra. Saripika Luís Eduardo Catenacci, Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Pop (music) is the closest the middle class gets to popular. Photo by Patricia Melendi, on Flickr. Published with permission. [10]

Mozika Pop no mifanakaiky indrindra amin'ny saranga antonony. Sary Patricia Melendi, Flickr. Nahazoana alalana.

A protester holds a post saying "Down with the poverty of spirit!". Photo by Fernando Baldan, on Flickr. Published with permission. [11]

Sorabaventy milaza ny hoe “Miala ny fahantrana ara-panahy [fisainana

Ny sary eto ambany kosa no ampisehoana ny famoronana sy ny loko “maro isan-karazany” avy amin'ny olona:

Photo by Eduardo Catenacci, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0) [12]

Sary Eduardo Catenacci, Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Photo by Eduardo Catenacci, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0) [13]

Saripika Eduardo Catenacci, Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Ary mazava loatra moa dia tsy mety lany sakafo sy zava-pisotro nentin'ny tsirairay ho amin'ilay fihaonana mihitsy ny mpanao fihetsiketsehana,  avy amin'ny Fitantarana mampihomehy ao amin'ny Facebook [14] moa no niandohan'izany fihetsika izany:

Farofa at Angélica. Farofa is a very popular toasted manioc flour mixture. Twitpic by @amanda_rossi. [15]

Farofa ao amin'ny Angélica. Fangarona vovo-mangahazo malaza tokoa ny Farofa. Twitpic @amanda_rossi.

A "different cat" barbecue (the name given to any street barbecue with meat of doubtful origin, not necessarily cat though!). Photo by Luís Eduardo Catenacci, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [16]

kitonotono “henan-tsaka hafa” (anarana omena ny kitonotono eny an-dalambe izay tsy fanta-piaviana ny henany, tsy voateryho saka anefa!). Sary Luís Eduardo Catenacci, Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

"Differentiated peoples. We are in the area." Photo by Marcel Maia, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0). [17]

“vahoaka natao ho samihafa. etoan-toerana izahay.” Sary Marcel Maia, on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Ny fihetsiketsehana amin'ny lahatsary

Ao amin'ny tatitra an-dahatsary voalohany hita tao amin'ny bolongany [18], Rafael Castilho no mitafatafa amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mponina hihainoany ny fomba fijery samihafa momba ity raharaha ity. Ny vokatra azo avy amin'ny lahatsary [19] dia mampiseho olona izay mandeha ora roa na telo raha hiasa ho any Higienópolis, sy ny solontenan'ny fikambanan'ny mponina ihany koa:

Voazava ao amin'ny antontan-kevitra [20] novokarin'i @carolthome [21] sy i @ducamendes [22] avokoa moa ny antom-pifandirana rehetra:

Vokatry ny kiendiendy

Nananontanona ny 5000 ny isan'ny olona nanao sonia an-tserasera [23] ho fanoherana ny sonia 3500 nokarakarain'ny fikambanan'ny mponina voalohany izay mitarika ho amin'ny fanorenana indray ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany. Nanome aingam-panahy hamorona amin'ny lalao an-tsolosaina [24] sy ny hetsika hafa moa ity hetsika ity, toy ny Manda samihafa ho an'i Brezila [sami]hafa [25]:

Parabéns a toda galera que fez parte de alguma forma do evento “Churrascão da gente diferenciada” os inspiradores do nosso movimento Frente Diferenciada, graças a vocês ficou refletida a idéia clara que podemos e queremos um Brasil diferente. Afinal de contas somos todos diferenciados, somos brasileiros por um Brasil melhor!

Miarahaba anareo rehetra izay nandray anjara tamin'ny “Kiendiendy Goavan'ny Olona samihafa”, loharanon-kevitra ho an'ny hetsika Manda Samihafa, isaorana anareo ny hevitra mazava milaza fa azo atao sy tia an'i Brezila samihafa handroso isika. Na izany na tsy izany, samihafa avokoa isika rehetra, Breziliana isika ary mivondrona ho an'i Brezila tsaratsara kokoa!

Tsy mazava moa raha hiteraka fandraisana andraikitra avy amin'ny fitondrana na tsia ny fihetsiketsehana, fa raha any amin'ny Antenimieram-pirenena ny zavatra rehetra dia “mifarana amin'ny pizza” [26] [en], ny eny an-dalamben'i Higienópolis, ny olona samihafa dia mamarana amin'ny [dihy] Samba [27]. Ny hira moa dia nataon'i Márcio Lugó [28] sy i Dre Nascimento [29]:

Elitist Government of Sao Paulo. A graffit protest on the wall where the Higienópolis subway station was planned. Twitpic by @mundano_sp. [30]

Fitondrana Elitista ao Sao Paulo. soratsora-panoherana eo amin'ny rindrina saika hanorenana ny garan-dalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis. Twitpic @mundano_sp.

Gente Diferenciada

Eu sou diferenciado
Gosto de churrasco de gato
Pão com pão sem queijo coalho
Cerveja gelada só no bar do lado

Alguns dizem “não preciso de metro
Tenho carro, dinheiro que levo aonde eu vou”
Mas e a gente tão igual e diferente
Que pelos trilhos descarrila a cantar

Alguns dizem que não precisa de metro
E o governo aceita sem nenhum pudor
Mas a gente que é diferenciada
Nesse churrasco mostra a cara pra cantar

Eu sou diferenciado
Pego ônibus lotado
Morumbi ou Eldorado
Porque o metrô foi inapropriado
Pra quem?

Olona samihafa

Hafa aho
Tiako ny tokom-pitonoana [31]
Mofo atao amin'ny mofo fa tsy sandwich fromazy
Labiera mangatsiaka ihany ao amin'ny bar manaraka

Misy milaza “tsy mila metro aho,
manana fiara sy vola afaka mitondra ahy na aiza na aiza aho”
Fa ny aminay kosa, izay tena mitovy sy tena hafa tokoa
izay “mamalana” rehefa mihira

Misy milaza fa tsy mila metro
Ary mahamenatra fa manaiky izany nygovernemanta
Fa izahay vahoaka kosa izay [sami]hafa
tonga miaraka eto amin'ity kitonotono ity hihira

Hafa aho
mandeha amin'ny fiara fitaterana feno hika
ho any Morumbi [32] na Eldorado [33]
Satria tsy mendrika manko ny metro
Ho an'iza?

Tsy mbola mazava tsara aloha hoe ho tontosa ihany ve sa tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis. Fa ny aty amin'ny aterineto aloha mandritra izany dia mandeha soa amantsara ny sariitatra esoeso maneho ny lalana izoran'ny metro ho an'ireo lazaina fa “vahoaka [sami]hafa” miampitampita any amin'ny Twitter, izay natao “sary tapaka” ao amin'ny twitpic nataon'i @rogertunes [34]:

The "different people" metro line. Twitpic by @rogertunes. [34]

zotra metro ho an'ny “vahoaka hafa” . Twitpic @rogertunes.