- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ségou Village Connection: Aterineto Finday Mampifandray Olona

Sokajy: Mali, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Teknolojia, Tontolo_iainana, Rising Voices

Tsotra ny tanjon'ny tetikasa Ségou Village Connection [1] ao Mali, iray amin'ireo tetikasa nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny Rising Voices [2]: mampifandray ny mponina ambanivohitra sy ny mponina an-tanan-dehibe ao Mali amin'ny alalan'ny finday sy ny Aterineto.

Boukary Konaté [3], bilaogera maliana, mpanentana mavitrika amin'io tetikasa io no manazava [4] ny maha-iankinan'ny ain-dehibe io fifandraisana io :

[5]

Boukary Konaté. Sary ao amin'ny Flickr Workshop.segou

Ny tsy fisian'ny fitaovana fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana eny amin'ny faritra ambanivohitra ao Mali no antony iray tsy ahafantaran'ny mponina ambanivohitra ny zava-mitranga karakaraina sy ny fandraisana an-tanana ho amin'ny fampandrosoana. Etsy ankilany, manankarena zava-mitranga, fomba nentim-paharazana, riba ary kolontsaina mendrika ho fantatry ny hafa ny any ambanivohitra.

[6]

Sary navoaka nankatoavin'ny Acntx. CC By-SA 3.0

Nisongadina tamin'ny andiam-pandaharana fanadihadiana anaty lahatsary notontosain'i Phil Paoletta tao amin'ny tranokala How to Draw Camels – Ahoana no fandoko rameva i Boukary. Tao amin'io horonantsary io no nilazan'i Boukary ny fomba hahafahan'ny mponina ambanivohitra ao Ségou, izay zara raha mahita aterineto, hampiasa ny findainy mba handefa vaovao izay mitranga ao an-tanàna ho an'ny mponina mipetraka ao an-drenivohitra Bamako.

Ny 1 mey 2011, dia nisy fotoam-piofanana [4] natao tao an-tanànan'i Cinzana-Gare, 30 km miala ao Ségou. Nifototra momba ny fomba ahafahan'ireo mpandray anjara ao an-tanàna marobe mandefa vaovao ho an'ny mpitantana ny tranokala amin'ny alalan'ny SMS sy amin'ny taxis-brousse [7] ataon'ny mpandray anjara avy any ambanivohitra sy ny fomba ifampitan-dresaka eo amin'ny mpamaky sy ny mponina ambanivohitra.

Taorian'ny fiofanana, dia nisy ekipa iray be herim-po no nahavita vaovao amin'ny alalan'ny SMS, na dia mbola tsy manana solosaina, solaitra fakana angovon'ny masoandro, vatoaratra ary Aterineto fitondra 3G  azy ireo manokana aza izy ireo.

[8]

Indreto sombiny [9] tamin'ireo hafatra samihafa nalefa izay samihafa amin'ireo izay vakiantsika isan'andro amin'ny aterineto:

Nanontany antsika i Seydou, mpampianatra ao Ngakoro, ao amin'ny kaominina Cinzana-Gare:

Afaka misolo ny kitay fandrahoan-kanina ve ny angovo azo avy amin'ny masoandro mba hisorohanana ny fandripahana ny ala ?

Hamidou, mpampianatra hafa ao Ngakoro, mampatsiahy ny olana amin'ny tsy fisian'ny “réseau” iasan'ny telefonina ao an-tanàna:

Raha te-hiantso anay amin'ny alalan'ny finday aty Ngakoro ianao, dia mahareta, miantso foana satria tsy voatery hanaraka anay hatrany ny finday. Ny olana amin'ny tsy fisian'ny “tambazotra ifampiantsoana” aty an-tanàna no mahatonga anay tsy maintsy manantona ny finday eny ambonin'ny hazo na eny ambonin'ny tafon-trano. Ka raha vao maneno ny finday, dia tonga izahay hihaino. Antenainay fa ho avy hanampy anay ny orinasa momba ny fifandrasaina mba hamaha izao olana izao.

Raha te-hamaky hafatra bebe kokoa dia tsindrio eto [9].