- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tanora

Ity dia ampahany amin'ireo lahatsoratray manokana momba ny Revolisionan'i Egypta 20 [1]11 [1].

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan [2]‘ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Maherin'ny 350 no voalaza fa naratra [3], ary koa mihoatra ny 150 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra [4] nanaovana fanadihadiana sy niakatra fitsarana, isan'izany ireo tanora fanta-daza mpanao fihetsiketsehana nitatitra ny zava niseho iny alina iny tao amin'ny “Twitter”. Nahavita nitantara isa-minitra ny fizotry ny fihetsiketsehana tao anaty baomba mandatsa-dranomaso  nanerana ny làlana tao amin'ny distrikan'i Giza ao Cairo mihitsy ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpitazana, izay namafisiny tamin'ny sary sy lahatsary.

Raha vao navoakan'ny fampahalalan-baovao ny fandatsahan-drà navalin'i Israely ireo hetsi-panoherana tao Nakba [5] (‘Andron'ny Loza’, araka ny ahafantarana azy eo amin'ny tontolo Arabo) teo amin'ny sisintany iraisany amin'i Libanona, Syria ary Gaza, lasa nirohotra nifamotoana teo amin'ny Masoivohon'i Israely ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Cairo tamin'ny tolakandro.

[6]

Iray amin'ireo fihetsiketsehana lehibe farany teo akaikin'ny Masoivohon'i Israely- sary Twitpic avy amin'i Mosaab Elshamy

I Gigi Ibrahim (@Gsquare86 [7]), mafàna fo ara-politika sy endri-pamantarana ny mpampita vaovao revolisionera, tafaverina avy  any amin'ny fitetezana izao tontolo izao tamin'ny fanolorana kaonferansa sy  fanangonam-baovao [8], dia nandefa lahatsary [9] tao amin'ny YouTube nampiseho ny momba ny hirahiran'ireo mpitokona nandritra ny fotoana niangonany teo anoloan'ny faritra mifefin'ny masoivoho, raha ny mpitandro filaminana kosa naparitaka teo anoloan'ilay tranobe:

Voalaza fa tampoka be sy tsy fanta-pototra ny fampiasana herisetra nataon'ireo mpiambina, raha ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana kosa dia ny hampidinana ny saina tao amin'ny masoivoho:

@mosaaberizing [10]: Andiany maro avy amin'ny CSF  [mpiantoka filaminana ivelan'ny tafika Central Security Forces [11]] no avy dia tonga teo amin'ny Masoivoho. Nifanehatra tamin'ny hiakiakam-pahatezerana.

@3arabawy [12]: nitifitra baomba mandatsa-dranomaso ireo “kisoa”-n'ny csf, ireo miaramila kosa nanao tifi-danitra teo anoloan'ny masoivohon'i Israely tao Giza.

@Gsquare86 [13]: : ireo mpanao hetsika am-pilaminana teo amin'ny #IsraeliEmbassy tao #Cairo dia tsy nanao na inona na inona tamin'ny masoivoho, nefa naninona ireo no nitifi-danitra sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso?

@msheshtawy [14]:Voalohany, nihira fotsiny ny olona, avy eo nisy olona nanongotra ny fefy, nefa tsy niditra na nanao NA INONA NA INONA akory an'ireo miaramilan'ny   #israeliEmbassy.

@msheshtawy [15]: Nijoro teo fotsiny no nataony, tsy nanao inona ny miaramila, nijoro am-pilaminana, avy eo tonga tampoka ny polisy #israeliEmbassy

Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny  mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety:

[16]

Nihemotra ireo Polisy, nandroso izahay, nandefa baomba mandatsa-dranomaso izy ireo, nitsoaka niverina izahay sady nitora-bato.. – Sary Yfrog avy amin'i Gigi Ibrahim

@Gsquare86 [17]:niangona ireo vahoaka ..ny làlana morad dia toerana tanin'adin'ny polisy mirongo basy marovava izay tsy nitsahatra nitifitra.

@3arabawy [18]nitohy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Tsy mbola nahitana toy izany hatranin'ny 28 janoary

@LeilZahra: [19]Tsy mijanona ny firaraky ny baomba mandatsa-dranomaso. tsy mampino. Mila tsy ho afaka miaina. #Egypt #jan25 #nakba #may15

@arwasm [20]: Foana ny arabe. feon'olona mitsoaka sy mikiakiaka , vehivavy mivazavaza, anjomara, baomba mandatsa-dranomaso no sisa re.#israeliembassy #egypt #jan25

@ianinegypt [21]: Ny masoivohon'i Israely moa dia eo akaikin'ny valan-java-boaharin'i Cairo. Nipàka hatrany amin'ireo fitoeran'ny biby ny baomba mandatsa-dranomaso. #Egypt

@3arabawy [22]: basy marovava! nanao tifi-danitra, rehefa avy nihodinkodina nanao fisafoana

@Gsquare86 [23]: narehitra teo anoloan'ny saha fitsidihana bibidia ny kodiarana..nitora-bato ireo polisin'ny Ambasady ary tsy mitsahatra mandefa baomba mandatsa-dranomaso

@moftasa [24]: Ny rehetra dia nibitsika fa hoe toy ny tamin'ny 28 indray ity ..Izay mihitsy. Ary tsy ilay baomba mandatsa-dranomaso no tadiavintsika fa ilay fiakaran'ny tosi-drà.

Tarek Shalaby dia nandefa lahatsary maromaro mahatsiravina mazava tsara tao amin'ny Bambuser, mampiseho ireo  mpanao fihetsiketsehana rakotry ny baomba mandatsa-dranomaso[ar] [25], ary kiakiaka satria poa-basy ranolava no heno tsy lavitra teo [26] [ar]. Amr Salama also posted live videos on Bambuser, showing ambulance crews treating protesters [27] [ar], and spent ammunition casings used by security forces [28] [ar]. Nandefa lahatsary tao amin'ny Bambuser koa i Amr Salama , nampiseho ireo andia-pitsabo avy amin'ireo fiara mpamonjy voina mikarakara ireo mpanao fihetsiketsehana [27][ar], ary ireo tranom-bala nampiasain'ny mpitandro ny filaminana [28] [ar].

Gigi Ibrahim [29]Hossam Hamalawy [30]Mostafa Hussein [31] sy ny hafa dia nandefa sarin'ireo fifandonana ho ao amin'ny Flickr  sy Purephoto.  Lahatsary [32] iray nampakarin'i Gigi Ibrahim tao amin'ny YouTube no manasongadina ireo mpanao fihetsiketsehana nitangorona taorian'ny fandefasan'ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso voalohany:

Maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no naratra sy notsaboina noho ny olana ara-pisefoana vokatry ny vesatry ny entona mandatsa-dranomaso nampiasain'ny mpitandro ny filaminana. Betsaka koa ny  fanadihadiana tsy mari-pototra mikasika tranga 2 izay mety namoizana aina:

@tarekshalaby [33]: be tovolahy nidaraboka tamin'ny tany teo ambany masoko. noho ny olana ara-pisefoana izay nahazo azy tampoka…

@moftasa [34]: fampandrenesana avy amin'ny fiara mpamonjy voina: efatra no tojo fahasemporana.

@tarekshalaby [35]: Aty akaikin'i Kintaaki izahay [KFC, fampielezan-kevitr'i Mubarak nanambara fa famokisan'ny revolisiona Tahrir izany]. Nahatsikaiky! Niaritra teo daholo ireo mpitsabo  mba nikarakara ireo naratra. Manodidina ny 100 izahay no teo …

@HebaAfify [36]: Ampolony maro no ireo olona tsy nahatsiaro tena ka nentin'ny fiara mpitatitra marary #isreliembassy

@Gsquare86 [37]: Nitifitra faramparany ny polisy sy ny miaramila…Izany no niainana…olona iray voatifitra teo amin'ny lohany no nitondrana azy haingana teny amin'ny hopitaly, valo hafa naratra.

@GSquare86 [38]: Lahatsary: (Sary mety hanohina) sarin'i Aly khalaf voa teo amin'ny ambava-fony amin'ny 11:30 ary mbola eny amin'ny toeram-pandidiana izy hatramin'izao
http://tinyurl.com/5uwbffq [39] #may15

@monasosh [40]: roa no voalaza fa maty. Iray voatifitra teo amin'ny lohany, ary ny iray hafa kosa voahitsakan'ny kamiaon'ny CSF

@alaa [41]: ny rahavavy keliko dia nandany ny alina nitondra mpanao fihetsiketsehana iray naratra  sady nanafina azy tsy ho hitan'ny miaramila  ary nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Enga anie mba ho velona izy.

@SheriefFarouk [42]: Atef Yehia Ibrahim dia voa teo amin'ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana androany tao  #Egypt. tsy nisy nandray azy ireo hopitaly,pub. Sao dia hisy hisambotra azy.

Norahonan'ny mpitandro filaminana ireo ekipan'ny Al Jazeera. Araka ny tatitr'i Rawya Rageh mpampita vaovao:

@RawyaRageh [43]@AJEnglish [44] Nosakanana sy norahonan'ny pôlisy sy miaramila ny ekipan'ny @AJEnglish.Nohazonina niaraka tamin'ny entan'ny tsirairay ny fakan-tsarinay #Egypt

@RawyaRageh [45]: Nanampatra ny  fahefana nananany ny tafi-panjakana tamin'ny nanaparitahany izay tao anatin'ny poketrako ary dia naneso ahy izy niantso ahy hoe “mpitsikilo”#Egypt

@RawyaRageh [46]: Eny fa na dia ny fitoeran'ireo ankosotra  haingoko aza voatazona..ny fitoeram-panafodiko.. Nikaroka zava-mahadomelina, hono,  izy ireo ary dia niantso ahy tamin'ny karazana anarana rehetra #Egypt

Mihoatra ny 120 ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra tamin'io alina io . Abdel Hamid Abdella (@meedo11 [47]) sy Nadine Sabry (@nsanbry [48]) dia namatsy sary, lahatsary ary fanenhoan-kevitra nirarak'ompana momba ilay korontana sy ny fisamborana taorian'io izay teo ambany lavarangan'izy ireo mihitsy:

@meedo11 [49]: Fanafihana voarindra no nataon'ireo tafi-panjakana sy miaramila  tamin'ny vahoaka tany Giza  avy amin'ny  andaniny roa amin'ny làlana#egypt

@meedo11 [50]: Nitana olona 15 farafahakeliny izy ireo , nafatony teo amin'ny tany. Nanapoaka basy ho fampitahorana #giza#egypt

@nsabry [51]: Ny miaramila sy ny  polisy dia nisambotra olona teo ambanin'ny tranonay toy ny tamin'ny fotoan'andro tany aloha. Herisetra sy miaramila mitam-basy! #giza

@nsabry [52]: Nidaboka  tamin'ny tany ireo mpanao fihetsiketsehana izay voasambotra, mifato-tanana ao an-damosina ary voahodidina miaramila sy 2amn dawla #giza

Ny namana sy ny fianakavian'ireo mpanao fihetsiketsehana dia nandrindra ny vaovao tao amin'ny “twitter” mba hahalalàna izay nanjavona. Anisan'ireo ilay bekotro maroholatr'i Tahrir, Mosa'ab Elshamy (@mosaaberizing [10]), izay mivaky toy izao ny mombamomba azy ao amin'ny Twitter “nanohitra sy nanaisotra ny mpanao jadona aho” , sy Tarek Shalaby (@tarekshalaby [53]), tompon'ny  Freedom Motel ao  an-kianja Tahrir , izay nitondra fanampiana tany Lybia.

Niara-nandefa bitsika tamin'ny fisamborana azy izy roa tonta (Amira Al Hussaini nanoratra fangatahana famotsorana azy ireo tao amin'ny [54] Global Voices):

@tarekshalaby [55]: Kay! tena voafandrika isika! mipoitra avy ery am-pita ny miaramila. Mihazakazaka eny amin'ny lalan-kely…

@Gsquare86 [56]: Araka ny voalazan'i @meedo11 [57] izay nanatri-maso ny fisamborana an'i @tarekshalaby [53] dia olona 18 eo no eo no voasambotra.Izany hoe @3effat [58]@mosaaberizing [59] koa:(

@abdallahelshamy [60]: Tsy hita efa ho ora iray izao ny rahalahiko @mosaaberizing [59] . Tazoniko ho tompon'antoka tanteraka amin'ny momba azy ny miaramila sy ny polisy Egyptiana.

@abdallahelshamy [61]: niantso ahy tamin'ny finday tokoa ny rahalahiko @mosaaberizing [59] nilaza fa voatazona ao anaty kamiaon'ny CSF eo alohan'ny Modyryet Amn ElGiza izy.

@norashalaby [62]: Voamarina: Nisy namana niantso avy any an-toerana nilaza fa tena voasambotry ny miaramila tokoa i @tarekshalaby [53]

Lahatsary [63] iray nalefan'i Abdella sy Sabry tao amin'ny YouTube nampiseho ny fisamborana andiana mpihoko ahitàna an'i Mosa'ab Elshamy sy Tarek Shalaby, araka ny voalazan'i Gigi Ibrahim: [64]

Mbola isan'ireo voasambotra  niaraka tamin'i Shalaby sy Elshamy, fa navotsotra avy eo, ilay mpanangom-baovao an-tsary, Mohamed Effat (@3effat [58]):

@3effat [65]: O ry zareo a, ato an-trano aho ary tsy maninona, izaho ihany no afaka tao, manodidina ny 50 ka hatramin'ny 60 no notanan'ireo mpitandro filaminana #israelembassy #may15

Nadikan'ny mpampiasa Twitter iray avy amin'ny teny Arabo ny taitra fisamborana an'i Effat sy ireo hafa voasambotra:

@ysalah [66]: Tr. @3effat [58] N'iza n'iza mitraka dia mety ho tapa-tenda. Ny 8yrold dia nigogo ary novelesin'izy ireo. Napetrany tao amin'ny làlana somary fidinana kely akaikin'ny Masoivoho izahay.

@ysalah [67]: Tr. @3effat [58] Naneho fanevatevana sy teny maloto ry zareo : mpanelaka, izany ianareo ao amin'ny facebook ao. Nobanjinin'ireo manamboninahitra ny miaramila ary nilazany hoe “nitondranay sakafo hariva ianareo”.

@ysalah [68]: Tr. @gemyhood [69] Voasambotra i Mahmoud Hassan Ahmed Elsadaty, naka anay tamin'ny kamiao izay tany amin'ny Lalamben'i St Nile. Nisy olona 24 ary nampijaliana fatratra izy.

Rehefa niha-nangiran-dratsy ny alina, latsaka tanaty fahadisoam-panatenana ny tanora revolisiônera ka naneho fahatezerana  izay mety hitarika ny tafika hidina amin-kery, taorian'ny nitazanany fotsiny nandritra ny 18 andro nisian'ny hetsika. Ny bilaogera Mahmoud Salem,  solonanarana Sandmonkey, nahatsapa fifandonana sy fifandirana , raha vao saika ho any ivelany izy handray ny valisoa tamin'ny fitondran-tena nanoloana ireo revelisiônera izay voadaroka sy voasambotr'ireo “mpiaro ny fiovana” :

@Sandmonkey [70]: Ny sasany amin'ireo tanora mendrika dia voatanan'ny tafika ny alin'ny niondranako handray ny Mariboninahitra  honorary doctorate USF ho an'ny “tanora mpitaky fiovàna”!

@Sandmonkey [71]: Tokony nandeha ihany ve aho? Izany tokoa ve? Toy inona ny teny hambarako raha any an-tranomaizina ireo olona ireo amin'izao fotoana izao?

Ary Gigi Ibrahim dia nibitsika tamim-pahalainana:

@Gsquare86 [72]:Nahatsiaro nangorintsina aho ka tsy afaka nisaina intsony aza

@Gsquare86 [73]: Ahoana no hanamarinan'ny tafika izany? #iWantToKnow #mbaTiakoHoFantara

Ho fanampim-baovao, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia nandika ny tranga nisy marina momba ny fifandonanan'i Nakba tao Cairo tamin'ny fampiasana Storify [74], manaraka indrindra ny tena fizotrany.

Ity dia ampahany amin'ireo lahatsoratray manokana momba ny Revolisionan'i Egypta 20 [1]11 [1].