Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra [1]ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif [2], nitondra fiara koa niaraka tamin'ny vehivavy mpitolona ho an'ny zon'ny vehivavy saodiana, Wajeeha Al-Huwaider, teo akaikiny, ny anadahiny sy ny zanany lahy tokana. Ny omalin'io, Al-Sharif nandefa sary miaina mampiseho azy mitondra fiara [3] tao amin'ny YouTube.
Nosamborina i Manal Al-Sharif, avy eo navotsotra rehefa nandoa onitra kanefa niverenana nosamborina tany an-tranony indray tamin'ny misasak'alina .
Nitobaka ny hafatra nataon'ny internôty tao amin'ny twitter niresaka ity mahery fo vaovao ity izay ampitovian'izy ireo amin'i Rosa Parks [4] (vehivavy nanan-tantara nanamarika ny ady amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra tany Etazonia).
Ilay bilaogera saodiana Ahmed Al-Omran (@ahmed [5]) nanoratra:
@ahmed [6]: Fotoana ve izao? Rosa Parks : 1955 :: Manal al-Sharif : 2011 #saudi [7] #women2drive [8]
Biloagera saodiana Omar Johani (@omar9944 [9]) nanoratra tao amin'ny twitter ny alina lasa teo naneho hevitra tamin'ny nataon'i Al-Sharif:
@omar9944 [10]: ilay mahery fo tsy fantatra no anadahiny! Niaraka taminy io tamin'izy nitondra fiara niaraka tamin'ny vadiny nitaiza ny zanaky Manal. Ry lehilahy saodiana #TakeNote [11]! [hevero izany] #FreeManal [12]
Ilay mpanao gazety sady mpitolona Mona ElTahawy (@monaeltahawy [13]) niresaka tao amin'ny twitter mikasika ny raharaha Manal ny alina lasa teo ary niverina niresaka indray momba ny fanehoan-kevitra marobe izay nanindry mafy fa tonga ny fotoana tokony hijeren'ny vehivavy saodiana ny zony:
@monaeltahawy [14]: #ManalAlSharif [15] nosamborina tsy nisy taratasy fahazoan-dalana hisambotra tamin'ny 4 maraina. Ny “helony”? Nitondra fiara kanefa vehivavy. #Saudi [16] #Women2Drive [17] #FreeManal [12]
Nonkianiny koa ny fahavalon'ny zon'ny vehivavy any Arabia Saodita ka hoy izy:
@monaeltahawy [18]: #Saudi [16] milaza ny mpanaraka ny fomban'andriana sy ny mpitana ny nentin-drazana fa mbola tsy vonona hijery vehivavy mitondra fiara ny fiaraha-monina. Izany hoe mbola tsy vonona hanome zo ho an'ny vehivavy izany ry zareo.
Fouz Abdullah (@FouzAbd) [19], tanora vavy anankiray saodiana mpisera twitter, miresaka momba an'i Manal sy ny fahazoan'ny vehivavy mitondra fiara ao amin'ny kaontiny, mampitandrina ny polisy mikasika ny ady ataon'ireto farany amin'ny vehivavy:
لا نحتاج الى وصي او رقيب لكي نحافظ على عفتنا وشرفنا. ارحلوا #haya'a
Mpampiasa twitter koesiana iray, Rana Al-Abdulrazaq (@ranati01 [21]) , nampiseho fankasitrahana an'i Manal Al-Sharif koa ka niteny hoe [ar]:
ما قامت به منال الشريف اليوم هو شجاعة حقيقية .. امرأة تصارع ارثا مثقلا من الجهالة والموروث الذكوري المجحف
Vehivavy saodiana hafa, Nawwarah Ashad (@@nawwarah82 [23]), manaraby ny hevitry ny fiaraha-monina izay maneho ny vehivavy ho toy ny “mpanjaka vavy” ka noho izany tsy mahazo miasa na mitondra fiara fa ambenana fotsiny any an-trano sady tompoina:
@nawwarah82 [24]:ahoana moa aho no ho mpanjaka vavy aty Arabia Saodita kanefa ny mpanjaka mitondra firenena no asany, aty aho tsy mahazo mifidy akory amin'ny fifidianam-paritra sady tsy maintsy mila mpiambina “hitarika” ahy!
Mpiserasera Ejitpiana ao amin'ny twitter Egyptian , Maha Hosny (@Maha114411 [25]), nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fihetsika nataon'i Manal talohan'ny nisamborana azy fanindroany, hoy izy:
منال خرجت من السجن بس دخلت التاريخ و هى فعلا تستحق الاحترام و لن يضيع حق وراءه مطالب ده ابسط الحقوق فى ايه؟؟ #manalalsharif [26]
Saodiana hafa, Abdulaziz Al-Alami (@AzizAlAlami [28]), maneho hevitra momba ny nisamborana an'i Manal:
@AzizAlAlami [29]: nosamborina tao an-tranony i Manal, tao Aramco, ary nentina tany amin'ny biraon'ny polisy nandritra ny alina. Ohatr'izany mihitsy no hitondrana ny mpanjaka vavy #Saudi [16] #FreeManal [12]
Saodiana hafa, Heba Al-Butairi (@H_eba [30]), izay vao haingana no hita an-terineto mitaky ny zon'ny vehivavy saodiana, nanoratra momba ny raharaha Manal:
@H_eba: [31] #Miala amin'ny famoretana mankany amin'ny HADALANA isika. Alaina any an-tranony amin'ny andro alina? Kanefa tsy mpampihorohoro akory.
Mpitolona saodiana hafa, Khuloud Al-Fahad (@Khulouds [32]) mampiseho ny fanohanany an'i Manal Al-Sharif:
القبض على منال بهذه الطريقة هو لإرهابنا من الخروج للقيادة وتخويف أولياء أمورهن وبث الرعب في نفوسهم لكن ماقامت به منال خلق مليون منال