- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Mifamely totohondry ny mpikambana Antenimiera!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fitantanam-pitondrana, Politika
A picture of the parliamentary fight as posted by Kuwaiti blog Frankom.com on May 18, 2011.

Saripika parlemantera miady nivoaka tao amin'ny bolongana koesiana Frankom.com ny 18 mey 2011.

Nisy niady ny parlemantera Koesiana nandritra ny fotoana niresahana momba ireo gadra Koesiana voatazona any Guantanamo. Noampangain'ny mpikambana Antenimiera avy amin'ny Salafista ny parlemantera Shiita iray antsoina hoe Hussein Al-Qallaf noho ny filazan'ity farany ireo voatazona ireo ho mpampihorohoro ka notsenain'ny hetsika mahery vaika avy amin'ny parlemantera Salafista toa an'i Mohammed Hayef, Waleed Al-Tabtabai ary i Jimaan Al-Hirbish izay nampiasa ny Iqaal-ny (baraka na sarondohan-dehilahy) hidarohana an'i Al-Qallaf. Voadaroka ihany koa moa ny parlemantera Shiita iray hafa, Adnan Al-Mutawa, raha niezaka ny hanasaraka.

Toy ny vara-datsaka ho an'ny Koesiana moa ity vaovao ity, izay niresaka ny hakelezan'ny zavatra tontosan'ny Antenimiera izay mbola mitsirara ihany sy niresaka ihany koa fa vao maika tsy misy na inona na inona azo antenaina avy amin'izy ireo amin'ity rombo nataony.

Mahita ity rombo ity ho fialam-boly moa ny Dr Saad Bin Tiflah [1], minisitry ny serasera teo aloha, mpanao politika sady mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo fa tamin'io fivoriana parlemantera io ihany koa no nanapa-kevitra ny maro an'isa fa ahemotra amin'ny herintaona ny fametrahana andiam-panontaniana ny praiminisitra:

ستكون “هوشة” النواب هي حديث البلد، وبالتالي ينسى الشعب أن دستوره قد أفرغ من محتواه أمس بتأجيل الاستجواب وتحويله للدستورية، وهذا هو المطلوب

Ny rombon'ny parlemantera izany no ho maresaka manerana ny firenena, nefa, hanadino ny momba ny lalampanorenany ny vahoaka sy ny fomba nanitsakitsahana azy tamin'ny nanemorana ny fanontaniana ny paiminisitra izay antom-pisiany voalohany.

Faisal Al-Qinai [2], mpitarika ny fikambanan'ny mpanao gazety any Koety, dia nanoratra siokantsera [3] [ar] fanesoana momba ny rombo tamin'ny filazana hoe:

حرس مجلس الأمة بحاجة لدورة كراتيه إستعدادا للجلسات المقبلة

Tokony hianatra karate ny mpiambina ny antenimiera hiomanana amin'ny fotoam-pivoriana manaraka.

Dr Thaqal Al-Ajmi [4], mpampianatra lalàna sy ny zon'olombelona ao amin'ny Anjerimanontolon'i Koety, no namoaka ny heviny [5][ar] :

ما يحصل الآن في مجلس الأمة هو مهزلة وجرأة غير مسبوقة في الاستهزاء بالدستور وبالشعب الكويتي

Ny mitranga dia tsy fanajana ny lalàmpanorenana sy ny vahoakan'i Koety.

Mpamaham-bolongana Koesiana, Ali AlSarraf [6], nanamarika [7] [ar] ny fomba fitarafana ny teo-draharaha politika any Koety amin'ny alalan'iny gidragidra ity:

إن تقاتل أبناء الوطن الواحد تحت قبة البرلمان التي تشرع فيها القوانين تأكد أنه لا يوجد لا غالب ولا مغلوب فالكل قد خسر .. الشعب والوطن #

Raha misy olom-pirenena mifampikasi-tanana ao amin'ny antenimiera izay fanapahan-kevitra, dia tokony hatoky avy hatrany ianao fa tsy misy mpandresy sy resy ao, fa ny rehetra no resy; dia ny vahoaka sy ny firenena.

Nanazava [8] ny Dr Obaid Al-Wasmi [9] Mpampiana-dalàna koesiana sy mpikatroka politika Dr Obaid Al-Wasmi [9] fa manome vahana ny governemanta iny ady iny:

تحرشات القلاف بالقبائل لا تعكس موقفا طائفيا, بل دورسياسي منظم سبق أن شارك فيه زميله الكومبارس الجويهل قبل اعتزاله ولذلك استبدل المدرب

Tsy mahasolo tena ny hevitry ny antokom-pivavahana iray ny fihatsiana ara-poko nataon'i Al-Qallaf fa avy amina firafitra politika iray izay nolalaovina mpandray anjara “madinika” Al-Juwaihil mialoha ny hisotroany ronono, ary izany ny antony nanovan'ny “mpanazatra” mpilalao.

Namoaka lahatsoratra [10] iray manontolo momba ity gidragidra ity moa ny mpamaham-bolongana Koesiana iray manana ny anaram-bositra hoe “Panadol [11]” ka nilaza hoe:

كيف ستحترم الحكومة النواب، وكيف سيحترمنا العالم، وكيف سنعلم أبناءنا، وكيف وكيف وكيف عندما نشاهد مثل هذه الصور (البايخة) وهي من أفعالكم

Ahoana ny hanajan'ny governemanta ny mpikambana parlemantera, ahoana ny hanajan'izao tontolo izao antsika, Ahoana ny hampianarantsika ny zanatsika, ary ahoana ahoana ahoana, rehefa mahita ireo sary “mamparikivy” tamin'izay nataonareo