Nisy niady ny parlemantera Koesiana nandritra ny fotoana niresahana momba ireo gadra Koesiana voatazona any Guantanamo. Noampangain'ny mpikambana Antenimiera avy amin'ny Salafista ny parlemantera Shiita iray antsoina hoe Hussein Al-Qallaf noho ny filazan'ity farany ireo voatazona ireo ho mpampihorohoro ka notsenain'ny hetsika mahery vaika avy amin'ny parlemantera Salafista toa an'i Mohammed Hayef, Waleed Al-Tabtabai ary i Jimaan Al-Hirbish izay nampiasa ny Iqaal-ny (baraka na sarondohan-dehilahy) hidarohana an'i Al-Qallaf. Voadaroka ihany koa moa ny parlemantera Shiita iray hafa, Adnan Al-Mutawa, raha niezaka ny hanasaraka.
Toy ny vara-datsaka ho an'ny Koesiana moa ity vaovao ity, izay niresaka ny hakelezan'ny zavatra tontosan'ny Antenimiera izay mbola mitsirara ihany sy niresaka ihany koa fa vao maika tsy misy na inona na inona azo antenaina avy amin'izy ireo amin'ity rombo nataony.
Mahita ity rombo ity ho fialam-boly moa ny Dr Saad Bin Tiflah , minisitry ny serasera teo aloha, mpanao politika sady mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo fa tamin'io fivoriana parlemantera io ihany koa no nanapa-kevitra ny maro an'isa fa ahemotra amin'ny herintaona ny fametrahana andiam-panontaniana ny praiminisitra:
ستكون “هوشة” النواب هي حديث البلد، وبالتالي ينسى الشعب أن دستوره قد أفرغ من محتواه أمس بتأجيل الاستجواب وتحويله للدستورية، وهذا هو المطلوب
Faisal Al-Qinai, mpitarika ny fikambanan'ny mpanao gazety any Koety, dia nanoratra siokantsera [ar] fanesoana momba ny rombo tamin'ny filazana hoe:
حرس مجلس الأمة بحاجة لدورة كراتيه إستعدادا للجلسات المقبلة
Dr Thaqal Al-Ajmi, mpampianatra lalàna sy ny zon'olombelona ao amin'ny Anjerimanontolon'i Koety, no namoaka ny heviny [ar] :
ما يحصل الآن في مجلس الأمة هو مهزلة وجرأة غير مسبوقة في الاستهزاء بالدستور وبالشعب الكويتي
Mpamaham-bolongana Koesiana, Ali AlSarraf, nanamarika [ar] ny fomba fitarafana ny teo-draharaha politika any Koety amin'ny alalan'iny gidragidra ity:
إن تقاتل أبناء الوطن الواحد تحت قبة البرلمان التي تشرع فيها القوانين تأكد أنه لا يوجد لا غالب ولا مغلوب فالكل قد خسر .. الشعب والوطن #
Nanazava ny Dr Obaid Al-Wasmi Mpampiana-dalàna koesiana sy mpikatroka politika Dr Obaid Al-Wasmi fa manome vahana ny governemanta iny ady iny:
تحرشات القلاف بالقبائل لا تعكس موقفا طائفيا, بل دورسياسي منظم سبق أن شارك فيه زميله الكومبارس الجويهل قبل اعتزاله ولذلك استبدل المدرب
Namoaka lahatsoratra iray manontolo momba ity gidragidra ity moa ny mpamaham-bolongana Koesiana iray manana ny anaram-bositra hoe “Panadol” ka nilaza hoe:
كيف ستحترم الحكومة النواب، وكيف سيحترمنا العالم، وكيف سنعلم أبناءنا، وكيف وكيف وكيف عندما نشاهد مثل هذه الصور (البايخة) وهي من أفعالكم