- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: siokantsera momba ilay mpanondraka asidra

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

Nirotsaka nanerana ny valan-tserasera tany Malezia izao hafatra izao andro maromaro lasa izay:

@MelordeLicious: [1] RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: Acid splasher on the run,plate no : MAC1841 n WPV4963…ALERT!!! Spread this msg.. -“

@MelordeLicious: [1]RT @DianaDanielleB: “@nourishamy: am-pandehanana [fiara na môtô] ny mpanondraka asidra, laharana MAC1841 n WPV4963…FANAIRANA!!! Aelezo ny hafatra.. -“

Saingy tsaho tsy marina [2] niparitaka ihany izany hoy ny polisy. Nefa misy tokoa ny fanafihana amin'ny alalan'ny asidra [3]. Ny zavamisy moa dia efa mihoatra ny 20 ny trangana fanondrahana asidra nisy tao Kuala Lumpur [4] hatramin'ny volana marsa.

More than 20 cases of acid splashing have been reported in Kuala Lumpur since March. Image by Flickr user maticulous (CC BY 2.0). [5]

Mihoatra ny 20 ny trangana fanondrahana asidra nisy tao Kuala Lumpur hatramin'ny volana marsa. sary avy amin'ny mpisera Flickr maticulous (CC BY 2.0).

Nampanahy ny mponina [6] maro ny raharaha ka nahatonga ny minisiteran'ny fahasalamana hanambara fa arahi-maso ny famarotana ny fangaro mora mamotika [7] tahaka ny asidra. Niditra amin'ny famahana olana ihany koa moa governemanta [8].

Indreto misy hevitra miposaka avy amin'ny siokantsera:

@AleefaMansor: [9] I hope they catch the f*tard acid splasher alrdy..whn I walk alone I get paranoid every time a motorbike passes me!

Manantena aho fa ho voasambotra ilay adala mpanondraka asidra iny. Lasa katahotra fadiranovana mihitsy aho rehefa mandeha irery ka misy mpitondra moto misongona ahy.

@Zu878: [10] @kamraslan When will the Acid Splasher be caught? We in M'sia live in fear terrorised by acid-totting motorcyclists, not Al-Qaeda. Silly!

@kamraslan rahoviana no ho voasambotra ilay mpanondraka asidra? mpitondra moto manondraka asidra no atahorantsika eto Malezia fa tsy ny Al-Qaeda.

@norulembab: [11] Just got back from school and why is there balai polis bergerak at the bus stop? I'm guessing waiting for acid man to come?

Vao tonga avy any an-tsekoly ary inona no ijanonan'ny polisy eo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana? Mieritreritra aho hoe miandry ilay mpanondraka asidra ho avy?

@Maxsterism: [12] @ASTOROBREAK Actually, my main concern is how did the splasher get such easy access to acid… -___-;;

@ASTOROBREAK ny tena ahiahiko izao dia ny fomba nahazoan'ilay mpanondraka ny asidra tamin'ny fomba mora dia mora tokoa…

@sameblackshoes: [13] RT @sheerakhairudin: Dear world, good night. Tomorrow, i have ppl to defend, a country to save (?) and an acid splasher to avoid

RT @sheerakhairudin: Tafandria mandry ry tontolo. Rahampitso aho manana olona harovana, firenena vonjena (?) ary mpanondraka asidra hidifiana.

@tweetingcary: [14] Im thinking this acid splasher thing is a political controversy.Do u really think the cops cant catch the guys when theres so many evidence?

Mieritreritra aho fa resaka politika no anaovan'ity mpanaondraka asidra ity ny ataony. Azonao eritreretina ve hoe tsy mety voasambotry ny polisy ranamana nefa efa maro ny porofo?

@kyu_mylurve: [15] RT @xuriatee: Why would you wanna splash acid at random women you see in the street? You are so retarded

RT @xuriatee: inona moa no antony hanondrahanao asidra amin'ny vehivavy sendra hitanao eny an'arabe? Taraiky be ianao izany.

@Kahyee_H: [16] N i really can't believe that there's people who doesn't know about the acid splasher case. like WTF. R u living under the rock?

Tena tsy mino aho hoe misy olona tsy mahalala mihitsy ity resaka fanondrahana asidra ity. Tahaka ny olomboafidy. Miaina ambany vato angaha?

Nanome hevitra amin'ny fomba isamborana [17] ilay meloka i Syed Akbar Ali:

This is not the first time more than one victim was attacked almost at the same time. I think the reason is because the culprit buys his acid from somewhere and he has to finish the entire batch in one day. Hence the multiple attacks. He has no place to store the acid or he does not want to take the acid home. If the Police can trace the acid and who are the suppliers they may be able to trace the culprit.

Tsy vao sambany raha nihoatra ny iray olona niharam-pahavoazana ao anatina fotoana iray. Ny eritreretiko ho antony dia mety mividy ilay asidra any ho any ileiry dia taperiny ao anatin'ny indray andro ny iray fehezana. Izay no isian'ny fanafihana maromaro. Tsy manana toerana itehirizana ny asidra izy ary tsy te-hitondra asidra any an-trano. Raha hitan'ny polisy ny misy ny asidra sy ny mpanome dia mety ho hitany ny misy ilay meloka.

LvLiaety Rose nampanako [18] ny eriteritry ny mponina maro eto an-tanàna

What is his motive doing so? revenge on girls? Whatever his reason is really unacceptable! He only deserve a punishment which equal to what he did to all the victims!

Fa inona ny antony hanaovany io e? valifaty amin'ny sipa? Tsy azo ekena mihitsy izao na inona antony na inona! Mendrika ny hofaizina mitovy amin'izay rehetra nanondrahany asidra rehetra izy

Tekkaus indray manontany teny amin'izay mahatonga ny polisy ho miadam-pandeha [19] amin'ny fisamborana ilay ‘ingahy asidra’

I wonder how come this crazy man can be roaming free on our streets just like that? What have our corrupt police been doing besides lustfully raiding those vice dens and massage parlous to catch prostitutes in the act?

Manontany tena aho hoe ahoana ny ahafahan'ity olona adala ity mandehandeha malalaka eny an'arabe? Inona moa no ataon'ireto polisy manao kolikoly ireto mitsiriritra tamana manafika tranon-dopy sy fanaovana masazy ary misambotra ny mpivaro-tena eo am-panaovana ny asany?