- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Bitsika Momba ny Fihotsahan'ny Tany Tao Amin'ny Fitaizana Zaza Kamboty

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Tanora, Vaovao Mafana, Voina

20 mahery ireo mpianatra tao anatina toby fitaizana zaza kamboty iray no tototra [1] ny tolakandron'ny Asabotsy teo noho ny fihotsahan'ny tany tany Hulu Langat akaikin'i Kuala Lumpur, Malezia. Amin'izao fotoana hanoratana izao, vatana mangatsiaka 12 no efa hitan'ireo mpanavotr'aina [2].

Ireo teny fototra #landslide [3], #orphanage [4], #langat [5], ary #hulu [6] no nibahana indrindra tao anatin'ny tontolon'ny twitter tao an-toerana tany Malezia satria dia naneho ny alahelony tamin'ilay loza nitranga ireo mponin'ny aterineto. Ireto misy bitsika tsotra mangataka fanampiana ara-bola, fiezahan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo, sy  toro-lalana ho an'ireo mpitondra fiarakodia:

@MrAbooDin: [7] RT @zaimjazmani: Mila VONJY izy ireo!!! Antsoy ny En Naza (017-3280013) ampio ireo niaram-boina tamin'ny fihotsahan'ny tany tany Hulu Lgt. mila jiro hanazava, lamba tsy lena, bodofotsy, rano madio, sns.

@ariffshah: [8] RT @popmyberry: Hanome fanampiana ara-bola 25% avy amin'ireo fivarotana haingo sy tolotra ho an'ny trano fitaizana zaza kamboty Hulu Langat isika manomboka rahampitso..Miangavy indrindra mba RT!

@popmyberry: [9] @yunamusic manao fanentanana hiantra ny trano fitaizana zaza kamboty Hulu Langat izahay amin'ny fanomezana ampahany amin'ny varotray..miditra amin'izany ve i @iamjetfuelshop nak ? 😀

@Pecicilan: [10] Iangaviana ianao mba tsy ho any  Hulu Langat raha tsy anisan'ireo mpamonjy voina satria mila làlana malalaka sy miasa haingana izy ireo.

@vijaysaravanen: [11] Mpitsidika marobe no mibahana ny fidiran'ireo mpamonjy voina any amin'ny Ulu Langat miaraka amin'ny fiaran'izy ireo. Iangaviana ihany koa ireo mpanao politika hihataka. Avelao ny olona hanao hiasa.

[12]

Ny ankamaroan'ireo bitsika dia dindon'ny alahelon'ireo Maleziana maro androany

@RodgerMY: [13] RT @prasys: Somary diso fanantenana tamin'ny fihotsahan'ny tany izay nahafaty zaza kamboty tany amin'ny Hulu Langat aho. Mety ho faly aho raha ireo mpanao politika no maty – Fa nahoana loatra re Andriamanitra o ? Nahoana..

@TaritaFarzira: [14] Tsy tantiko ny mamaky ireo vaovao momba ny fihotsahan'ny tany tao amin'ny Hulu Langat. Tsy hoe mandà aho fa ny fiakaran'ny isan'ireo maty dia mandratra ny sofiko.

@malaychic: [15] Vao avy niantso ny reniko. Nitomany. Tena mintraika any aminy izany isaky ny misy zavatra mitranga tahaka izao, indrindra amin'ireo zaza kamboty/ fitaizana zaza kamboty.

@jessejoy: [16] ny saiko sy ny vavako dia any amin'ireo niharam-boina rehetra tamin'ny fihotsahan'ny tany taoy Hulu kelang. Manao izay ho afany ny ekipa mpamonjy voina.

Raha sahirana niady hevitra mikasika ny ‘fara andro’ izao tontolo izao, nisaona ny fahalasanan'ireo zaza tsy manan-tsiny tao anatina toby fitaizana zaza kamboty ny  Maleziana:

@Zu878: [17] @nursamad Faly fa tsy nisy ny .#IfTheWorldEndsOnSaturday (#RahaMifaranaSabotsyIzaoTontoloIzao).. nefa tena andro feno alahelo  miaraka amin'ny fihotsahan'ny tany tao amin'ilay fitaizana zaza kamboty tany Ulu Langat.  Al Fatihah.

@onenonlyJW: [18] RT @euricko: Mety tsy fara andro izao, nefa kosa dia fara andron'ireo 15 niaina tao anatin'ilay fitaizana zaza kamboty tao y Hulu Langat. http://bit.ly/mgKaZs (expand) Miangavy anao mba hivavaka :

Mangataka fanampiana ara-bola [19] ny The Starbucks Lover

Ho an'ireo mikasa ny hanome tànana, afaka manao izany ianao amin'ny fiantsoana ny En.Naza (017-3280013) ary mitondra fanilo mpanazava, lamba tsy lena, bodofotsy ary rano madio. Mandria am-piadanana ho an'ireo lasa ary ny tsara indrindra ho an'ny ekipa mpamonjy voina mba hahita ireo olona tsy hita izay mety voatototra tao anatin'ilay fihotsahan'ny tany.

Ao amin'ny Facebook, diso fanantenana amin'ireo mpanao politika [20] i Yatie Kay

Ny fiaraha-mioriko amin'ireo zaza kamboty voakasik'ilay loza nitranga tamin'ny fihotsahan'ny tany tao hulu langat nefa tena mampalahelo ny mahita ireo mpanao politika manararaotra ity tranga ity hahazoana fotoana hivoahana amin'ny fahitalavitra.

Mino i Sathish Kumar Batumelai fa tsy loza voajanahary [21] iny nitranga iny

‎zaza 9 no maty tany Rumah Anak Yatim Hidayah tao Hulu Langat. Maninona isika no tratry ny tany mihotsaka? Tsy loza voajanahary iny..novonoin'ieo olona mangetaheta fahefana manodidina antsika izy ireo..ny saiko sy ny vavako ho azy ireo..