- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolgaria: Fifandonan'ny Vondrona Avy Amin'ny Elatra Havanana sy Silamo Tao Sofia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Politika, Zon'olombelona

Fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista  Ataka (Fanafihana) [1] sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.

Hatrany ampiandohan'ny fikarakarana, olona iray avy amin'ny vondron'ny nasionalista no namoaka  fez Tiorka iray [2] ka nandidy izany teo anoloan'ireo mpomba ny Ataka miisa 150 eo ho eo sy mpivavaka Silamo 200 teo am-pivavahana. Niakatrakatra ny todidra teo amin'ny vondrona roa tonta taorian'ny andrana nataon'ireo mpomba ny  Ataka hanongotra fanamafisam-peo tao amin'ny toeram-pivoahan'ilay maoske.

Nandritra ilay fifandonana dia marobe ny olona naratra, isan'izany ny lehilahy silamo iray izay vaky loha. Araka ny filazàn'i Volen Siderov [3], dia naratra ihany koa ny mpitarika ny  Ataka – Denitza Gedjeva – iray amin'ireo solombavambahoaka avy amin'ny antoko taorian'ny niantefan'ny tora-bato teny amin'ny valanoranony ary dia nalefa maika eny amin'ny tobom-pitsaboana tao an-tanànan'i Pirogov. Telo tamin'ireo naratra koa no naiditra tao amin'ny fandraisana ireo mila vonjy maika tao amin'ilay toeram-pitsaboana, saingy izy rehetra, isan'izany i Gedjeva, dia nalefa nody ary manaraka fitsaboana any an-tokantrano.

Tonga teny an-toerana ny andianà mpitsabo mba hijeryc sy hitsabo ireo naratra. Mpomba telo avy amin'ny Ataka no nosamborina.

Ireo avy amin'ny  Ataka dia nitora-bato, voankazo, atody, tapa-by sy hazo an'ireo Silamo, izay namaly tamin'ny tehaka kosa an'ireto nanafika an-dry zareo. Maro ny fanehoan-kevitra ao amin'ny  Twitter [bg, en]:

@gospodin_i [4]:

Darohan-dry zalahy ny Vavolombelon'i Jehovah, pehan-dry lerony ny Silamo. Dia te hanontany aho hoe: iza no manaraka?

@ruslantrad [5]:

Silamo iray mitsirara amin'ny tany miaraka amin'ny loha vakiny taorian'ireo fifandonana tao Sofia http://twitpic.com/502vuo [6]

@ruslantrad: Muslim lying on the ground with a broken head after clashes in Sofia http://twitpic.com/502vuo [6]

@ruslantrad: Silamo iray mitsirara amin'ny tany miaraka amin'ny loha vakiny taorian'ireo fifandonana tao Sofia http://twitpic.com/502vuo

@ruslantrad [7]:

Taratasy misokatra avy amin'ny Komity Helsinki Bolgara  ho an'ny mpampita vaovao rehetra ao Bolgaria mikasika ireo fifandonana teo amin'ny elatra havanana'ireo mafàna fo sy ny Silamo  http://bit.ly/iGL4B2 [8]

@nervnata [9]:

Hosamborina noho ny kabary miaty fankahalàna sy noho ny fanafihana miharo fanavakavahana ve ry zareo?

@ruslantrad [10]:

Elatra havanan'ireo mafàna fo mandoro ny lafika fivavahana teo anoloan'ny maoske tao Sofia http://twitpic.com/502wu4 [11]

@ruslantrad: Right-wing activists are burning prayer mats in front of the mosque in Sofia http://twitpic.com/502wu4 [12]

@ruslantrad: Elatra havanan'ireo mafàna fo mandoro ny lafika fivavahana teo anoloan'ny maoske tao Sofia http://twitpic.com/502wu4

Sasantsasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook avy amin'ny vondrona ho Fanohanana ny Zon'ireo Mpifndramonina any Bolgaria [13]:

Dafar Shaban:

Mahonena, izy [Siderov] manao fihetsika saro-pady hatrany hatrany, sady mikisaka miala amin'ny toeran'ny mpiasa vàzana lery ka mankany amin'ny tena mpandray anjara mivantana amin'ity raharaha ity, ary dia lasa kianjan'ny tsy fifandeferana ara-pinoana ny sehatra politika.

Trayana Kaleycheva:

Mila mikarakara hetsika isika ho fiarovana ireo Silamo Bolgara! Androany na rahampitso, mila mamoaka ny hevitsika momba ity hagaigena ity isika!

Vida Delcheva:

Henatra re izao! Mahazendana ny mahita hoe hatraiza no andehanan'itony mitampi-maso sy tsy mahalala biby afa-tsy sahona itony. Ny firenena iray manontolo mihitsy no nalentiky ry zalahy anaty henatra amin'ny fomba faran'izay ratsy azony natao.

Dimitar Vesselinov:

Tsy misy fotony i Sickderov [anaram-bositra iray ho an'i  Siderov], mpandranitra manararaotra ny fanohanana sy ny heriny fotsiny handrebirebena ny saim-bahoaka.

Akyra Mnoojak:

Mba marina mafy, iza no heverin'io bandy io fa soloiny tena e?  Mivandravandra be raha toa ny mpankafy azy mihena an-toerana toa fen'antitra .