Nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fiakaran'ny vidin-dasantsy, ny vidin-tsakafo ary ny fisondrotam-bidim-piainana midangana ny Ogandey tao anatin'ny roa volana izay. Androany, nampiasa ny loko raozy, ny baomba mandatsa-dranomaso ary bala tena izy nitifirana ny mpanao fihetsiketsehana mihitsy ny polisy. Indro atolotra an-tsary anio ny tantaran'ny fihetsiketsehana.
- Indro ny antony mahatonga ny Ongandey ho hany Afrikana manohitra ny vidin-tsakafo. Sary nahazoana alalana avy amin i @mugumya

Nodarohan'ny polisy ny mpanao gazety Micheal Kakumirizi raha nanangom-baovao momba ny diabe #walk2work . Sarynahazoana alalana avy amin i @no_dictatorship

Ny mpanolotsaina monisipaly avy ao Makerere, Bernard Luyiga, mitokona ho fanoherana ny famoretan'ny polisy. Milasy eo anoloan'ny Anjerimanontolon'i Makerere. Sary nahazoana alalana avy amin'i @pjkanywa

Manao fihetsiketsehana ny vehivavy hanajan'ny polisy ny vehivavy. Sary nahazoana alalana avy amin'ny mpampiasa Twitter @vote4africa.

Fitokonana tsy hihinan-kanina ho fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy. Sary nahazoana alalana avy amin'i @pjkanywa

Manakana fihetsiketsehana milamina ny polisy eo Kampala. Sary nahazoana alalana avy amin'i @vote4africa
Tafahoatra ny fepetra raisin'ny polisy ongadey manoloana ny mpanao fihetsiketsehana. Nefa ankamantatra iza no mandeha an-tongotra rehefa hiasa…
Vakio ny lahatsoratr'i Echwalu mitondra ny lohateny hoe “When Cameras Lied to the Country.” (Rehefa mandainga amin'ny firenena ny Fakantsary)