Indonezia: Fanehoan-kevitry ny Bilaogy manoloana ny fahafatesan'i Bin Laden

Niely haingana toy ny afo mandoro ny vaovao mikasika fahafatesan’ ilay “mpanjakan'ny fampihorohoroana” Osama Bin Laden. Saingy tsy noraisina tamin-karavoana lehibe ny fahafatesan'i Bin Laden tao Indonezia, firenena be Miozolomana indrindra.  Nampatsiahy ny vahoaka ny solontenan'ny governemanta fa fandresena ho an'i Etazonia ny fahafatesany, fa tsy ho an'i Indonezia.

Hita fa vitsy tokoa raha ny isan'ny Miozolomana mpankasitraka ny herisetra politika saingy tena manam-bava kosa, ary tsy menatra izy ireo mampiseho fanajana ilay maherifony lavo.

Na dia izany aza, samihafa ny valinteny avy amin'ny Indoneziana. Jenny S. Bev, teraka Indoneziana, mpanoratra mipetraka ao California, nanoratra ity tao amin'ny bilaoginy:

Nihevitra i Barack Obama fa vita ny fitsarana. Mety toy izay angamba amin'ny lafiny sasany. Farafaharatsiny, misy valiny ho an'ireo rehetra niharam-boina tamin'ny 9/11 fa noterena hanandrana ny fanafody nataony ihany ilay olona tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo niharam-boina. Io fotoana io anefa no fanombohan'ny fizarana [toko na tantara] vaovao : ny mahazatra vaovao eto amin'izao tontolo izao tsy misy an'i Osama bin Laden.

Miandriandry ny hisian'ny vondrona mpampihorohoro indray Ramatoa Bev ka tena zava-dehibe indrindra ho an'i Etazonia ny manavao indray ny politikany ivelany. Nilaza koa izy hoe:

[…]Fotoana mety izao ho an'i Etazonia handrindrana ny paikady politika ivelany mba ahafahana mampihena izay mety ho fahatsapana tsy fisian'ny fandriampahalemana sy ny tsy fisian'ny famonjena any amin'ny firenen-kafa, ary ampitomboina mandritra izany ihany koa ny fametrahana fanairana amin'izay fifandonana mety hiseho.

Ny horakorak'hafaliana vetivety noho ny fahafatesan'i Oussama dia tokony heverina ho toy ny fampahatsiarovana ratsy fa mbola mety mbola hisy ny fomba hafa azo atao asolo ny fifandonana amin'ny firenen-kafa. Mety hahomby kokoa ny fitsikilovana matanjaka sy miasa tsara noho ny fandaniana an'arivony miliara dolara ary ny fihazana folo taona amin'ny fisamborana olona iray ho vidin'ireo olon-tsotra an'aliny namoy ny ainy».

Bilaogera Isro Machfudin nandefa tononkalo izay hitany fa tena mampihetsimpo lalina tokoa, nosoratan'i  Anis Matta folo taona lasa izay taorian'ny 9/11, sady  filoha ankehitriny ny Antokon'ny rariny manankarena (PKS), antoko politika islamista. Ity santionany amin'ny tononkalo:

Osama…
Kamulah yang mengunci mulut bangsa-bangsa adidaya,
Supaya mereka terdiam
Maka mereka hanya bisa mengamuk.
[…]
Kamulah yang merampas rasa aman
Dari jiwa bangsa-bangsa tirani
Maka mereka tak pernah bisa tidur nyenyak.
[…]
Osama oh Osama… Osama oh Osama…
Mari kita senandungkan lagu keabadian
Bersama nurani anak-anak manusia
Yang merindukan taman surga.

Osama, ianao no tokana nanidy ny vavan'ny firenana matanjaka indrindra,
ka dia nangina tokoa izy ireo.
Izany no nahatonga azy ireo niredareda
Ianao no any tokana nandrombaka ny fiarovan'ny firenena liandrà , koa dia tsy mety mahita tory vetivety izy ireo.<
Osama, oh, Osama, andao hihira ny hiran'ny mandrakizay miaraka amin'ny fahatsapan'ny zanak'olombelona tsy hita ao amin'ny zaridainan'ny lanitra.

Saina "Osama mujahid" ao amin'ny foibe mpiaro ny Faritra Islamika ao Jakarta. Sary hita ao amin'ny entbluextv.com

Maro ireo Indoneziana no nahazo aina raha nandre ny fahafatesan'ny olomanga vaovao an'i jihad. Bilaogera Katedra Rajawen, nilaza hoe:

Terlepas Osama dianggap sebagai penjahat atau pahlawan, saya hanya ingin mengatakan, bahwa sesungguhnya tindakan membunuh adalah sebuah perbuatan frustrasi
karena ketidakmampuan untuk mengasihi orang lain.

Na antsoina ho mpamono olona i Osama na maherifo, te hiteny fotsiny aho hoe ny famonoana olona dia fihetsika nateraky ny tsy fahafahan'ny olona tsy afaka hitia ny hafa.

Bilaogera NRG07 niteny hoe:

Tsy mazava amiko mihitsy ny eritreritry ny olona izay mamono olona amin'ny anaran'ny finoana, ary lehilahy  momba napetaka ho afisy amin ‘izany fotokevitra izany i Osama bin Laden. Raha midika zavatra amin'i Indonezia ny fahafatesany, voalohany indrindra, dia mety marika izany fa raha misy olona ao hanaparitaka ny fampihorohorona, dia misy koa ny olona manohitra izany.

Manantena izy fa na dia teo aza ny fahafatesan'i Bin Laden, dia tsy mahatonga an'izao tontolo izao hatoritory foana izany, satria mbola lavitr'ezaka ny ady amin'ny fampihorohoroana.

Tsy te-hifaly noho ny fahafatesan'i Osama bin Laden aho, raha mbola eo ny fampielezana ny fampielezana ny fankahalana sy ny tsy fahazakana ny hevitry ny hafa.

Ny tian'ny bilaogera amin'izany dia tsy tsy fahafahan'ny fitondrana misoroka ny herisetra mifandraika amin'ny fivavahana ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.