Tantara tamin'ny 21 Mey 2011
Oganda : Sarin'ny diabe “Walk to Work”
Nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fiakaran'ny vidin-dasantsy, ny vidin-tsakafo ary ny fisondrotam-bidim-piainana midangana ny Ogandey tao anatin'ny roa volana izay. Androany, nampiasa ny loko raozy, ny baomba mandatsa-dranomaso ary bala tena...
Malezia: Bitsika Momba ny Fihotsahan'ny Tany Tao Amin'ny Fitaizana Zaza Kamboty
Raha sahirana niady hevitra mikasika ny ‘fara andro’ izao tontolo izao, nisaona ny fahalasan'ireo zaza tsy manan-tsiny tao anatina toby fitaizana zaza kamboty manakaiky an'i Kuala Lumpur ireo Maleziana
Bolgaria: Fifandonan'ny vondrona avy amin'ny elatra havanana sy Silamo tao Sofia
Ruslan Trad mitatitra fa fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista Ataka (Fanafihana) sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.
Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto
Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.
Broney: Manaitra Ny Vahoaka Ilay Sarintsarim-pandrobàna
Ny herinandro lasa teo, ireo vaovao momba ny fandrobana tao anatina fiara fitateram-bahoaka tany Broney dia niparitaka haingana tao amin'ny twitter sy facebook. Teo noho eo dia naneho ny ahiahiny momba ny fandriana fahalemana eny amin'ireny toerana natao ho an'ny daholobe ireny ireo mponina any Broney. Avy eo dia fantatra fa tsy tena izy ilay fandrobana. Mihetsika amin'izany tranga izany ireo mpampiasa Aterineto.
Indonezia: Fanehoan-kevitry ny Bilaogy manoloana ny fahafatesan'i Bin Laden
Niely haingana toy ny afo mandoro ny vaovao mikasika fahafatesan’ ilay “mpanjakan'ny fampihorohoroana” Osama Bin Laden. Saingy tsy noraisina tamin-karavoana lehibe ny fahafatesan'i Bin Laden tao Indonezia, firenena be Miozolomana indrindra....