Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espaina tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa.

“Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny tomponà banky sy ny mpanao politika akory isika,” no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra.

Tsy nifarana teo io. Narahana fitorevahana am-pilaminana ilay fihesikesehana tamin'ny 16 May, nahitàna olona anjatony nilasy teo amin'ny kianjaben'i Madrid, la “Puerta del Sol.” Ilay hetsika, notarihana sy narindran'ny fikambanan-jatovo  Democracia Real Ya [es], dia tena faran'izay navitrika tokoa teo anivon'ny aterineto.

Demonstrations in Spain. Image by Juan Luis Sánchez.

Fihetsiketsehana ao Espaina. Sary avy amin'i Juan Luis Sánchez.

Ignacio Escolar dia mitatitra ao amin'ny Público [es] :

Es una noticia preocupante la increíble distancia que se está creando entre los políticos y el resto de los ciudadanos. El 15-M no es el único síntoma de que esta democracia está enferma, de que no podrá sobrevivir si se mantiene la injusticia, la corrupción y la impunidad. Que los políticos aparezcan en las encuestas del CIS como uno de los principales problemas del país es otra evidencia más que los partidos no deberían ignorar si no quieren que la sociedad les pase por encima.

Ny hantsana goavana eo anelanelan'ireo mpanao politika sy ny vahoaka dia tena vaovao manaitra tokoa. Tsy ny 15M[ay] fotsiny ihany no marika manaporofo fa tsy salama ity demaokrasia ity ary tsy ho ela velona raha toa ny tsy fahamarinana, ny kolikoly ary ny maha-tsimatimanota no mbola mitohy manjaka. Ny fiheverana an-dry zareo mpanao politika ireo ho olana fototr'ity firenena ity  (araka ny fahitàn'ny  CIS, ivon-toeram-pikarohana Espaniola  momba ny Sosiolojia azy) dia zavatra iray tsy tokony ho tsinontsinoavin'ireo antoko politika raha tsy tian-dry zareo ny ho fongana ao anatin'ny fiarahamonina.

Periodismo Humano [es] mitatitra hoe:

Varios miles de personas no dejaban de comentar la sorpresa de ver tanta gente manifestándose para pedir trabajo especialmente, sí, pero también mecanismos de participación más democráticos y adaptados a las posibilidades que la tecnología ofrece hoy, relaciones internacionales justas y basadas en las personas, no en las multinacionales, justicia y la erradicación de la pobreza en el mundo… “Hartos de estar hartos”, “Los políticos mienten, los banqueros roban, los ricos ríen”, “Estamos cabreados y muy indignados”…

An'aliny ny vahoaka no zendana nahita olona marobe nanao fihetsiketsehna nangataka asa fivelomana, eny, saingy nangataka koa fandraisana anjara bebe kokoa mifanaraka amin'ny tolotra omen'ny fivoarana ara-teknolojika misy ankehitriny, fifandraisana iraisampirenena madio mangarahara mifototra amin'ny zo maha-olona fa tsy amin'ny orinasa goavambe, fanafoanana ny tsy rariny sy ny fahantrana manerantany… “Mararin'ny faharariana izahay,” “Mandainga ireo mpanao politika, mangalatra ny tompona banky, manao farahehy ny mpanankarena,” “Rangitra sy tofoka izahay”…

#15m, #15mani sy #democraciarealya no tenifototra tena nampiasaina betsaka tao amin'ny  Twitter ary nampifandraisina tamin'ireo hetsi-panoherana tamin'ny15 May, namnpiasaina hifampizaràna rohy an'aliny misy ireo saripika sy lahatsary momba ny fihetsiketsehana any aminà tanàna 50, ary ny vaovao momba ireo fifidianana ho avy sy ny hetahetan'ny vahoaka.

Taoriana kely, rehefa nilasy tao ankianjaben'i Puerta del Sol ireo mpanao fihetsiketsehana, #acampadasol (filasiana ao Sol square) dia niofo ho tenifototra hita kokoa, nanondraka ny Twitter taminà hafatra an'aliny ary nanjary lohahevitra resahan'izao tontolo izao.

Ity ny iray amin'ireo hafatra isan'ny naverina imbetsaka indrindra tamin'ny 16 May:

@Anon_Leakspin: Primero te ignoran. Luego se ríen de ti. Después te atacan. Entonces ganas» Gandhi #acampadasol #spanishrevolution @policia

@Anon_Leakspin: Voalohany indrindra dia tsy raharahan-dry zareo ianao. Manaraka izay ihomehezany fotsiny. Avy eo petahan-dry zareo. Avy eo ianao mandresy, Gandhi #acampadasol #spanishrevolution
Youth protest in Madrid, Spain. Image by Guillermo Martinez, copyright Demotix (15/05/11).

Tanora manao hetsi-panoherana ao Madrid, Espana. Sary avy amin'i Guillermo Martinez, fizakà-manana Demotix (15/05/11).

Ireo sasany mpampiasa ny Twitter dia nilaza ity hetsika ity ho ny Revolisiona Espaniola, mampahatsiahy ny Lohataona Arabo ho tahaka ny  aingam-panahy nanosika ny tanora Espaniola.

@rujiki: Ya está aquí! es la Spanish Revolution http://t.co/g7cRCdx ¿en cuántos puntos coincidimos? hay que apoyar #15m #spanishrevolution #nolesvotes

@rujiki: Injay ary! Revolisiona Espaniola ity http://t.co/g7cRCdx  Inona no lafika iraisantsika? Ndao ho tohanana ny  #15m #spanishrevolution #nolesvotes

Ireo mpampahalala vaovao mahazatra toy ny  ABC dia nanao fampifanantonana toy izay ihany:

Como si se tratara de la plaza Tahrir, en Egipto, escenario de las protestas populares [es]. El caldo de cultivo del derrocamiento de Hosni Mubarak. Esto es distinto pero puede ser el embrión de algo. Quién sabe.

Sahala amin'ny hoe tany amin'ny kianja Tahrir, Ejipta, izahay, miaraka aminà fomba fisehon'ny firohotam-bahaka mitovitovy, sy ny lalàn-kizorana tonga hatramin'ny fanalàna an'i Mubarak. Tsy mitovy amin'zany ity, saingy mety ho vanja mandrehitra ny afo. Iza no mahalala?

Ny mpampiasa sasany dia naneho ny ahiahiny fa hoe ny #15M Espaniola dia mety tsy ho namaritra tsara ny tetikadiny sy ny tanjony.

@dequant: El problema de #15M y similares es que esto (desde mi punto de vista) si no encuentra pronto un objetivo claro y medible no llegará a nada.

@dequant: Izaho mihevitra fa ny olana amin'ny #15M sy ny hetsika toa azy dia izy tsy ho lasa aiza akory raha tsy hoe mahita tanjona mazava sy mivaingana isika.

Mba hamaritan-dry zareo ny tetikadiny, ny tanjona ary ny sehatra araka ny lalàana, ireo mpanao fihetsiketsehana dia niantehitra tamin'ny fanampian'ireo mpahay lalàna fanta-daza ao Espaina. David Bravo (@dbravo) sy Javier de la Cueva (@jdelacueva) dia nifampizara torohevitra araka ny lalàna [es] mikasika ny zo hanao fikambanana sy fivoriana [es].

Maro ireo fitorevahana nolazaina hatao androany  (18 May) manerana ny firenena. Ny vohikala Democracia Real Ya [es] dia tsy azo nidirana ny andron'ny 17 May, toa hoe hono noho ny habetsahan'ireo mpitsidika, saingy ireo mpampiasa dia nifandamina ary nifampizara ny toerana misy ny hetsika tamin'ny alalan'ny  Facebook sy Youtube. Ny iray manaraka: Talata 17 May amin'ny 8 ora alina.

Ny fanentanana dia azo arahana koa amin'ny fampitàna mivantana na ‘live streaming’.

http://www.abc.es/20110516/espana/abci-acampada-democracia-real-201105162131.html

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.