Tantara tamin'ny 20 Mey 2011
Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe
An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.
Okraina : Mibilaogy hamantarana ny momba ny tena
Ho an'ireo mpidoroka zava-mahadomelina, mitondra fiovana azo tsapain-tanana eo amin'ny fiainany ny fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana [izay iankinana]. Ny fiverenana amin'ny fiainana mahazatra taorian'ny fahazarana mampiasa tsindrona zava-mahadomelina teo amin'ny fiainana,...
Panama: Fahatsiarovana an'i Raúl Leis
Tamin'ny 30 aprily, nodimandry tampoka ilay sôsiology sady mpanoratra Raul Leis. Taorian'ny nahafatesany, nivoaka tamin'ny gazety sy tany amin'ny bilaogy ny asa sorany sy ny momba azy, izay nanasongadina ny...
Gresy: fanafihana misesisesy atao amin'ireo mpifindra monina ao Athène
Tao ho ato izay dia niha-nahazo laka ny tahaka-ny-fandringanana ireo mpifindra monina tany afovoan-tanànan'i Athènes nataon'ireo antoko mahery fihetsika ao Athènes . Tamin'ny 10 May no nanomboka nisian'izao toe-draharaha izao...