Nankalaza ny andro hanoherana ny tsy fankasitrahana ireo olona mitovy nefa mifanambady ny 17 May teo, ary na teo anivon'ny aterineto nataty ivelany dia samy nankalaza ny fahasamihafana ara-pananahan'ny olona.
Ny Alahady 15 May, ny fetibe nataon'ireo lehilahy mifanambady dia natao tao amin'ny renivohitr'i San Jose. Mauricio Rojas [es] dia nanao lahatsary iray maneho ireo zava-nisongadina tamin'ilay hetsika, toy ny mozika, ny tranohevan'ireo mpivarotra, dihy sy kabary:
Ilay fetibe dia nokarakaraina niaraka tamin'ny fandraisan'andraikitry ny tanan'i San Jose nanomboka tamin'ny hoe hanaovana ny tanàna ho tsy misy fanavakavahana, ary amin'izay tranga izay indrindra, araka izay voalaza tamin'ny Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nanambarana ny amin'ilay fetibe [es]..
Mpampiseho mahatsikaiky iray anaty vohikala, I can't pronounce the R [es], Tsy haiko ny manonona ny R, koa no namokatra lahatsary iray ho an'ilay andro, amin'ity tranga ity, manesoeso an'i Juan Jose Vargas, Kostarikana iray mpanao politika lasa mpaminany izay tamin'ny taona lasa [es] dia anton-dresaky ny fampahalalam-baovao tamin'ny dokam-barotra nataony ho an'y foibe iray natsangany hitsaboana olona hiala amin'ny homosexualité (fifanambadian'ny olona mitovy).
Ao anatin'ity lahatsary ity, dia manao resadresaka sandoka ry zareo iarahana amin'i Juan Nose Vainas (izay midika toy izao Juan TsyMisy Zavatra Haiko) ka ao anatin'izany no amoahany ny vokatry ny fitsaboana: mifototra amin'ny fanofanana ireo mpianany amin'ny kiririoka fitsoka, ny ady ho an'ny lehilahy, ny fijery mitsiriritran'ireo lehilahy ary ny fandehanana amin'ny kiraro avo vodi-tongotra ho an'ireo vehivavy, sy ny “fahatsaram-bintana” manoloana ny andaniny (lahy na vavy)..
Ny bilaogy ChepeStyle [es], izay manoratra mikasika ny hetsika tao San Jose, dia tany amin'ilay Fetibe ihany koa. I E.Fernandez dia nanoratra fitantarana iray momba ilay hetsika izay ahitàna sary sy fomba fijery toy izao:
Estar ahí me hizo entender un poco más porqué el arcoíris es considerado símbolo de la comunidad LGBT (Lesbiana, Gay, Bisexual y Transgénero). Como decimos por acá para gustos hay colores y este símbolo nos llama a apreciar la diversidad y belleza de todos los colores… y todos los gustos.