Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

19 Mey 2011

Tantara tamin'ny 19 Mey 2011

Arabia Saodita: Vehivavy iray mihaika ny lalàna tamin'ny alalan'ny fitondrana fiara tao Jeddah

Tsy mahazo mitondra fiara ny vehivavy ao Arabia Saodita. Vehivavy iray Saodiana no nanao fitakiana vao haingana mahakasika izany lalàna izany, raha nitondra ny zanany ho any an-tsekoly ao Jeddah. Miady hevitra izany toe-javatra izany ny mpiserasera, nisy ny fihobiana ilay vehivavy Najla Hariri, noho ny asan-kerim-po nasehony. Nandroso ary...

Kazakhstan: Terantany avy any Kazakhstan nivoaka tamin'ny vaovao maneran-tany – nosamborina ny anankiray, ny iray hafa nisy namono

Terantany avy any Kazakhstan anankiroa no nivoaka tamin'ny vaovao iraisam-pirenena tamin'ny herinandro lasa teo, nampalahelo avokoa ny nanjo azy roalahy. Ny voalohany, Valeriy Tolmachev, mpanolon-tsaina ao amin'ny UNESCO any Kazakhstan, nanafika mpanamory fiaramanidina iray tamin'ny antsy nandritra ny dia Paris-Rome ary nandidy ity farany hamily ny dia ho any Lybie. Voafehin'ny...

Costa Rica: Andro Hanoherana Ny Tsy Fankasitrahana Ireo Olona Mitovy Nefa Mifanambady

Nankalaza ny andro tsy fankasitrahana ireo olona mitovy nefa mifanambady ny 17 May teo, ary na teo anivon'ny aterineto nataty ivelany dia samy nankalaza ny fahasamihafana ara-pananahan'ny olona.

Tonizia: Miverina indray ny Sakana amin'ny Aterineto

Ny mpampiasa aterineto Toniziana dia afaka niditra ankalalahana tamin'ny Aterineto, tao aorian'ny nienjeran'ny fitondran'i Ben Ali tamin'ny tapaky ny Janoary sy ny niafaran'ny sakana amin'ny vohikala nisy teo aloha. Toa hifarana anefa ity volan-tantely fohy ity, noho ny baiko azo vao tsy ela izay, avy amin'ny fitsarana miaramila mba hanakanana...