Danemarka: Lalàna mampiady hevitra amerenana ny fisavana an-tsisintany

Nanambara vao tsy ela ny famerenana indray ny fisavana an-tsisintany miaraka amin'i Alemaina sy Soeda ny antoko ankavanana nasionalista Danoà, ny antokon'ny vahoaka Danoà (Dansk Folkeparti/DF). Tsy nahovoka ny antoko eo amin'ny fitondrana afovoany-ankavanana vitsy an'isa ka dia lany ilay tolo-kevitra.

Nanampoka ny maro izany fanapahan-kevitry ny Danoà izany satria nialoha ora vitsy monja ny fivoriana maika nataon'ny Vondrona Eoropeana izay mifantoka amin'ny Dinan'i Schengen. Nosoniavina tamin'ny taona 1985 ny fifanarahana ary tamin'ny taona 2001 i Danemarka no nanala toeram-pisavana tamin'ny sisintany miaraka amin'i Alemaina.

Borderline between Sweden and Denmark on the Øresunds Bridge. Image by Flickr user mollenborg.com (CC BY 2.0).

Tsipiky ny sisintany mampisaraka an'i Soeda sy Danemarka eo amin'ny tetezan'i Øresunds. Saripika mpisera Flickr mollenborg.com (CC BY 2.0).

Ny faritra tsy misy fisavana an-tsisintany moa ankoatra ny firenena 22 mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana dia miampy an'i Soisa, Liechtenstein, Norvezy ary Islandy. Miainga hatrany Portiogaly izany ka tonga hatrany amin'ny sisintany mampisaraka ny firenena Balta amin'i Rosia , ary hatrany Reykjavik ka hatrany amin'ny sisintany mampisaraka an'i Gresy amin'i Torkia.

Misy ny antso ny hanesorana an'i Danemarka amin'ny rafitra Schengen tao amin'ny Antenimiera Eoropeana araka ny lalàna vaovaon'ny sisintany. Saingy nampanantena ny fitondrana Danoà fa tsy ho tonga any amin'ny fisavana pasipaoro ny fisavana eny an-tsisintany sy ny fadin-tseranana ary mbola mifanaraka tsara amin'ny Dinan'i Schengen izany.

Mbola eo ampandinihana moa izao ny Vaomiera Eoropeana raha mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena ny ataon'i Danemarka na tsia. Mandritra izany fotoana izany dia nanao fanoherana ny fitondrana Alemana nilaza fa tsy tokony atao sorona noho ny raharaha politika anatiny [da] ny fisokafan'ny sisintany [da] ary nantsoin'i Soeda ho fahatafintohinana io.

Politika henjam-panoherana amin'ny fifindra-monina

Logo from the Facebook page ‘What about shutting your ass instead of shutting the borders’.

Sary famantarana ao amin'ny pejy Facebook ‘maninona raha ny fitombenana no akatona fa tsy ny sisintany’.

Nihahenjana hatrany moa ny lalàna momba ny fifindra-monina tany Danemarka tao anatin'ny folo taona ary nampiely bebe kokoa hatrany ny kabarin'ny elatra farany havanana manerana an'i Eoropa izany – any Italia, Frantsa ary Pays-Bas.

Mety ho nampiroborobo azy ihany koa ny tahotra mpifindra monina vokatry ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny Lohataona Arabo hatramin'ny fiandohan'ity taona ity.

Manana mpikambana 2.324 ny vondrona Facebook antsoina hoe ‘[miasa] indray ny polisin'ny sisintany eto Danemarka’ (Grænsepoliti tilbage i DK) [da] ka manohana ny fanapahan-kevitry ny DF izay ahitana fanehoan-kevitra toy ny hoe “mahazo matory tsara amin'izay isika amin'ny alina”.

maninona raha ny fitombenana no akatona fa tsy ny sisintany’  (Hvad med at lukke røven i stedet for at lukke grænserne) [da] indray no anarana vondrona Facebook hafa – manohitra ny tolo-kevitra – izay manana mpikambana 6,263 izay mbola eo ampitomboan'isa.

Indreto misy hevitra tsy faly nivoaka tamin'ny Facebook sy Twitter:

Lars Rosgaard: Symbolpolitik er desværre den eneste form for politik, der i øjeblikket praktiseres i DK

Lars Rosgaard: Famantarana politika ihany no mba politika eto Danemarka amin'izao fotoana izao

Lena Olsen: Valgflæsk for DF (…). Jeg er bare så træt af de tosser

Lena Olsen: Marimaritra iraisana amin'ny mpifidy ny DF (…). Tsy mahazaka an'ireo adala ireo mihitsy aho

Jakob Ellekjær: Det der ødelægger det her land, er dem der styrer det.

Jakob Ellekjær: Ny mitondra azy no mandrava ity firenena ity

@trinemaria: @umbraco Det er SÅ dumt med den grænsekontrol at jeg seriøst overvejer ikke at vende tilbage, hvis jeg slipper igennem!

@trinemaria: @umbraco tena FAHADALANA mihitsy ity fisavana an-tsisintany ity ka tsy hiverina intsony aho raha mahadingana azy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.