- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda: Nolokoin'ny Polisy Mavokely Ireo Mpanao Hetsi-panoherana

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fanoherana, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Nanao valin-kafatra ho an'ireo hetsi-panoherana Walk to Work [1] nisy tato anatin'ny roa volana farany ny polisy Ogande, tamin'ny entona mandatsa-dranomaso sy tifitra tamin'ny bala tena izy. Nandritra ny hetsika iray natao tamin'ny Talata lasa teo, fomba hafa indray no nampiharin-dry zareo, tifitra rano miloko mavokely [2] mankany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nikasa ny handeha ho an'ny an-kianjan'ny Lalampanorenana ao afovoan'i Kampala.

Ny gazety New Vision ao Oganda dia nandefa sary iray tamin'ny bitsika [3] ahitàna mpitarika mpanohitra iray rakotr'ilay rano miloko:

[3]

Voatondraka tamin'izany ireo mpitarika ny mpanohitra

Ny sasany amin'ny mpitoraka bilaogy dia nanasongadina tanaty hadrohadro ny tondraka rano mavokely nataon'ny governemanta an'ireo mpanao fihetsiketsehana — loko iray izay mazàna no ampivadiana amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo olona mitovy nefa mifanambady (gay and lesbian) — raha mbola eo an-dalam-pandinihana [4] ao amin'ny Parlemanta Ogande ankehitriny ny lalàna manohitra ny fifanambadian'ny olona mitovy [5]. Afrogay [6] , mpitoraka bilaogy manoratra hoe:

…mba ho hafatra mangina ho an'ilay mpitarika mpanohitra , Kizza Besigye, ve izy ity noho ny fiandaniany efa-bolana lasa izay amin'ny fandeferana [7] ny fifanambadian'ny olona mitovy raha toa izy ka lany?

Ho valin'izany dia te-hiteny amin'ireo miaramila nanondraka rano mavokely ny mpanohitra i AfroGay: misaotra ry zalahy a, saingy ny loko mavokely dia fiofoana fotsiny ihany. Tsy misy tokony handraisana azy io ho ara-bakiteny loatra.

Lohahevitra be mpahalala koa ny tenifototra #pinkstuff [8] eo amin'ny tontolon'ny Twitter Ogande:

@Rosejackson3 [9]: Dia tsy ara-dalàna izany ny #walk2work [10] ao UG raha tsy nahazoana alàlana. Raha mamily fiara ianao, vaky fitaratra sy voapàla entona mandatsa-dranomaso. Raha handray sidina ianao, voasakana. Raha hijanona indray-#pinkstuff [11]

@ishtank: [12] Amin'ny lafiny iray hafa, eritrereto izay tantara hambarantsika an'ireo zafintsika any aoriana be any. “Kaaka, taiza ianao tamin'ny andron'ny #pinkStuff [13] lasa #trended [14] (resahana be) ao amin'ny #Twitter [15]?”

Raha mahita ny “pink stuff” ho mahatsikaiky ny sasany, ny hafa kosa dia rangitra amin'ny fomba fitondran'ny governemanta an'ireo mpanao fihetsiketsehana. KellyUganda [16], mpitoraka bilaogy dia manoratra hoe:

Nahoana izy ity no tena manana endrika Hitler/Nazi izany ho ahy? Sahala amin'ny hoe tsy manana zo haneho hevitra izany ny vahoaka! Tsy takatry ny saiko hoe fomba ahoana no ahafahan'i Musseveni milaza fa hitantana ny demaokrasia. Tsy isalasalana fa ireo vahoaka ireo dia notondrahana loko mavokely mba hahamora ny fanarahan'ny polisy azy sy hanadihady ary hila vaniny amin-dry zareo avy eo, mba hamotehana ny toe-panahiny sy ny fahatsapany ny adidy amin'ny mahasivily azy manolona ny fahalalahana maneho hevitra!

Tanaty lahatsoratra iray nitondra lohateny hoe “Turning Pink,” “Niofo ho mavokely”, mpitoraka bilaogy iray hafa, Rhino [17], no sorena amin'ny fihetsiky ny governemanta:

Nanomboka tsy tia maizina ny governemanta aho, mampiseho fampihorohoroana be izy, fisainan-jaza ary finiavana hampiasa herisetra mivandravandra be. Tsy izany mihitsy no nandrasako taminy. Fa fotsiny ny mba hanome ahy risi-po hiezaka ho tsara kokoa ary hanampy ahy hanorina toerana iray mendrika ho an'ny mpiray rà amiko sy hiaina ao anatiny. Tsy ny handràhona ahy ho faty no ilako azy raha mba mifidy ny hanana hevitra sy fomba fanao hafa aho,  fa raha izany no fiarahamonina iriany hatsangana, dia tsy ilaiko akory ny ho isan'izany.