Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Koety: Ny bilaogera manoloana ny fanendrena ny governemanta fahafito nataon'ny PM

Bilaogera Koesiana nanohy niadi-hevitra ny fomba hiasan'ny governemanta amin'ity herinandro ity, taorian'ny fananganana governemanta vaovao nataon'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah.

Tamin'ny lahatsoratra teo aloha no efa nanoratako ny fanendrena indray ny Praiminisitra na dia teo aza ny  fanontaniana efa nataon'ny Antenimiera, manoloana ny fiovaovan'ny governemantany. Andro vitsivitsy lasa, nanao ny fianianany teo anatrehan'i Amir Sheikh Sabah Al-Ahmad Al-Jaber Al-Sabah ny governemanta vaovao Koesiana, rehefa niandry 38 andro taorian'ny nametrahan'ny governemanta teo aloha ny fialany satria te-hanontany minisitra roa avy amin'ny fianakavian'ny mpanjaka Al-Sabah ny Antenimiera.

Kuwaiti Prime Minister Sheik Nasser Al Mohammed Al Sabah. Image by Flickr user Kuwait-Ra'ed Qutena (CC BY-NC-SA 2.0).

Praiminisitra Koesiana Sheik Nasser Al Mohammed Al Sabah. Sary mpisera Flickr Kuwait-Ra'ed Qutena (CC BY-NC-SA 2.0).

Namoaka lahatsoratra sy tsikera momba ny governemanta faha 27 teo amin'ny tantaran'ny firenena ny bilaogera Koesiana. Dahim Al-Qahtani, bilaogera sady mpanentana ara-politika, nilaza hoe:

حكومة تلد أخرى، وبرلمان يلد آخر وهكذا يواجه النظام السياسي في الكويت عقبات متجددة بسبب إهمال السياسيين للإصلاحات التي لا يستمر نظام سياسي بالفاعلية من دونها

Ny governemanta iray miteraka hafa indray, ary ny Antenimiera iray miteraka hafa koa, araka izany, miatrika olana vaovao hatrany ny rafi-politika ao Koety noho ireo mpanao politika manao tsinotsinona ny fanitsiana [fanovana], na dia hita aza fa tsy misy rafitra politika tafavoaka eo izany raha tsy misy io.

Bilaogera hafa, izay miantso ny tenany hoe 5alif, nametraka ny tsikerany momba ny governemanta vaovao, indrindra momba ireo minisitra roa fianakavian'ny mpanjaka, izay vao avy niatrika ny fanontanian'ny Antenimiera nialoha ny fametram-pialan'ny governemanta. Manadihady ny antony namerenana indray ireo minisitra roa ireo ao amin'ny governemanta vaovao izy na dia teo aza ireo zava-nitranga teo aloha:

عودة الوزراء الشيوخ في مناصبهم مؤشر على تعقيد الموقف داخل الأسرة وأيضاً على قوة كل طرف، فالرئيس بعد أكثر من شهر يعيدهم في مناصبهم وهو ما يدل على عدم إمكانية اقصاء أحدهم مهما شكل من خطر على مستقبل الحكومة

Mariky ny fahasarotan'ny toe-draharaha ao anatin'ny fianakaviamben'ny mpanjaka Al-Sabah ny fiverenan'ireo minisitra roa ireo ho ao amin'ny governemanta vaovao, sy ny fahefana ananan'izy roa ireo tsirairay avy satria ny praiminisitra, iray volana mahery taty aoriana , dia namerina azy ireo indray izay milaza amintsika fa tsy afaka ny hanaisotra azy ireo izy na dia eo aza ny loza mety hoentiny amin'ny governemanta hoavy.

Sharif Roma, bilaogera Koesiana miafina anarana, namoaka lahatsoratra mba nitsikera ny heviny momba ny governemanta vaovao ka nanambara hoe:

المواجهات في البرلمان لن تقف أو تخف لأن اصل المواجهة والاحتقان بسبب سمو الرئيس لا وزرائه

Tsy hijanona na hihena ny fifandonana ao amin'ny antenimiera satria noho ny praiminisitra no nisian'ny fifandonana, fa tsy noho ny governemantany.

Koesiana hafa nanoratra tao amin'ny bilaoginy, Inona no mitranga, lahatsoratra nisafidy an'ny Dr. Amani Bourisly ho toy ny minisitry ny varotra sy ny indostria – ary nametraka azy ho minisitra vehivavy tokana ao amin'ny governemanta vaovao:

تشكلت الحكومة الجديدة من ٣ ايام تقريباً، لا تغيير كبير ولكن التغيير الذي فعلاً خلاني أتفادل هو التغيير في وزارة التجارة والصناعة وتم تعيين الدكتورة أماني بورسلي وزيراً لها. في هذه الحكومة الجديدة حصلت امرأة واحدة على الوزارة، وأي امرأة؟ دكتورة التمويل والمنشآت المالية في كلية العلوم الإدارية جامعة الكويت أماني بورسلي، عقلية اقتصادية فذة ومميزة

Tsy dia niova betsaka ny governemanta vaovao fa ny fiovana tokana izay nahatonga ahy hanana fanantenana dia ny fiovana tao amin'ny minisitry ny varotra sy ny indostria izay nahitana ny fanendrena an'i Dr. Amani Bourisly ho toy ny minisitra vaovaony. Ao amin'ny governemanta vaovao, misy vehivavy tokana ihany, fa vehivavy manao ahoana izy izany? Mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontaolon'i Bourisly mpampianatra momba ny tetibola ao amin'ny kolejin'ny Frandraharahana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Koety. Manana toetsaina miavaka sy manokana momba ny toe-karena izy.

Bilaogera Koetiana Hamad nanoratra lahatsoratra mikasika ny praiminisitra sy ny governemantany vaovao, ary ity misy azo tsoahina avy amin'ny teny fampidirany:

كم من الوقت ستهدر الحكومة القادمة او التعديل على حكومة تصريف العاجل اكثر مما اهدرته حكومات ناصر المحمد الست السابقة، فلا تغيير منهجي ولا هم يحزنون

Haharitra hafiriana moa izany ny faharetan'ity governemanta vaovao ity miohatra tamin'ireo governemanta enina natsangan'i Nasser Al-Mohammed teo aloha; Tsy misy fiovana fomba fiasa manko.

Le Koweit, mpamaham-bolongana ao an-toerana liana politika, dia manoratra lahatsoratra maro momba ny governemanta koesiana, ary ny iray amin'ireny dia nampitondrainy ny lohateny hoe “Ilay mpanao Holocaust Koesiana“. Ao no anoratany hoe:

لدينا في الكويت هولوكست سياسي متخصص في حرق الوزراء وهو مجلس الوزراء، نعم لدينا هتلر كويتي قام ببناء هذا الهولوكست وقيادته على مدى خمس سنوات وهو الشيخ ناصر المحمد رئيس مجلس الوزراء من أجل حماية نفسه وكفالة بقائه أطول مدة ممكنة في الحكم

Eto Koety, manana mpanao politika mpanao Holocaust [fandripahana jiosy nataon'ny nazi] manampahaizana manokana momba ny fandroahana minisitra isika, indrindra rehefa amin'ny filankevitry ny minisitra. Eny, manana Hitler Koesiana isika izay manondro ny Holocaust ary mamela azy mandritra ny dimy taona. Izy no praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed izay miaro ny tenany sy manao izay hijanonana ela araka izay tratra eo amin'ny sezany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.