Espana: Namely An'i Murcia Ny Horohorontany

Tratry ny horohorontany in-droa i Lorca, any amin'ny faritr'i Murcia, ao Espana, tamin'ny 11 May. Niteraka fahafatesan'olona sivy sy naharatràna manodidina ny 300 teo ho eo hatreto ireo horohorontany, nanana tanjaka 4.1 sy 5.1 [es] tamin'ny maridrefy Richter, miampy ireo rambony taty aoriana. An'arivony maro ireo tra-boina no tsy maintsy nifindra toerana, nitady fialofana.

Ireo tra-boina eny an-dalamben'i Lorca. Sary avy amin'ny EFE/Juan Francisco Moreno. Nalaina tao amin'ny Globovisión eo ambany fiarovana CC License.*

Sary EFE. Nalaina tao amin'ny Globovisión eo ambany fiarovana CC License.

Noho ny twitter dia tsapa avy hatrany ny fanehoam-piraisankina amin'i “Ciudad del Sol” (“Tananan'ny Masoandro”) , amin'ny tenifototra #terremotomurcia sy #todosconlorca nampiasaina mba hanelezana ny vaovao sy hanehoana firaisankina. Nanokatra kaonty ao amin'ny Facebook ireo mpanohana, Apoyo por el Terremoto de Murcia [es] (Fanohanana noho ny Horohorontany tao Murcia) izay efa naharaisana hafatra an'arivony sahady, ary ny bilaogy Murcian dia mizara ny hirifirin-dry zareo, toy ny ao amin'ny  María en el Atelier [es]. .

Faharavàna tao Lorca, Murcia naterak'ilay horohorontany. Sary avy amin'ny EFE/Juan Francisco Moreno. Nalaina tao amin'ny Globovisión ambany fiarovan'ny CC License.*

Maro ireo tranobe ao Lorca no nisy fahavoazana amin'ny ampahany. Nalaina tao amin'ny Globovisión ambany fiarovan'ny CC License.*

Sary EFE. Nalaina tao amin'ny Globovisión ambany fiarovan'ny CC License.*

Misy fanisàna momba ny zavatra nitranga nandritra ilay horohorontany, antotanisa ary fenehoan-kevitra ofisialy anaty bilaogy toy ny Spain: The Blog, (Espana: Ilay Bilaogy) ary fangonana an'ireo vaovao manodidina ilay tranga, toy ny ao amin'ny Aquí hay tomate [es], izay manana pejy fandrakofana manokana. I Raúl Guevara [es], mpanao fanatanjahantena, dia milaza amintsika ny nizakany ny faharavan'izay niainany hatrizay sy hitany teo an-tanànany. Sady tsy adinony ny fanentanana ho amin'ny fifidianana manaraka eo an-toerana [es]:

Cuando los partidos políticos se discuten entre ellos para ganar unas elecciones de como gobernar un país, la tierra da un toque de atención. La naturaleza no entiende de política, de campeones ni vencidos.

Raha miady izy samy izy ireo antoko politika ny amin'izay fomba hitantànana ny firenena mba handresena amin'ny fifidianana, nomen'ny tany kosa ny dona mampisaina. Ny natiora tsy mahalala izay politika any,  na tompondaka na ny resy.

Niharan'ny horohorontany iray i Lorca, Murcia. Sary avy amin'ny EFE/Israel Sánchez. Nalaina tao amin'ny Globovisión ambany fiarovan'ny CC License.*

Ary tsy ity no hany tranga nampifandray ny fiainana ara-politikan'ny Espaniola sy ny loza voajanahary tao Lorca.  Ny bilaogin'i Antonio Javier Vicente Gil [es] dia mampiseho fiaraha-mientana tsy ankanavaka sy fandinihana lalina momba ny politikan'ny governemanta ao Espana amin'izao fotoana.

Solo espero que este país solidario, capaz de destinar cientos de millones de euros a las causas más peregrinas, se vuelque en ayudar y en reconstruir, y me refiero al gobierno que nos desgobierna, a ver por donde sale ZP, será digno de ver.

Ny iriko fotsiny dia ny hoe ity firenena ity izay naneho ny firaisankinany, afaka nandefa Euros an-tapitrisany ho an'ny loza tany ivelany, dia mba hirotsaka amin'ny fiavotan-tenany sy ny fanarenana, sady ny tiako ho lazaina dia hoe ny governemanta izay tsy mahavita mitantana antsika, aleo jerentsika hoe hatraiza no tena hiafaràn'i  ZP [Zapatero], tena mendrika hojerena ny amin'io.

Misy fanakianana ihany koa ny amin'ny tsy fahampian'ny firotsahana avy hatrany ho fanampiana ireo izay tsy manana trano honenana nandritra ny alina voalohany, mifanohitra amin'ny tatitra nataon'ny fampahalalam-baovao ofisialy. Tahaka izay soratan'i Kaos en la Red [es]:

Tiembla la tierra. Se caen las casas más humildes y antiguas. Y las de abajo pierden lo poco que tienen. Los más vulnerables, los trabajadores, muchos de ellos migrantes, gente mayor, jóvenes en situación precaria se quedan en la calle.

Mihetsika ny tany. Mirodana ireo trano tsotra sy efa antitra. Ary ireo tena faran'izay mahantra dia namoy ny kely nananany. Ireo tena osa, ireo mpiasa, maro amin'ireo mpifindra monina, ireo be antitra, ny tanora   anaty fari-piainana tsy zarizary no tavela teny an'arabe.

*Ny sary rehetra dia nalaina avy amin'ny Kaonty Flickr an'ny Globovisión ary naverina navoaka teo ambanin'ny CC License BY-NC-2.0 License.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.