Lahatsarin'olon-tsotra no maneho ny taorian'ilay horohorontany nanana hery hatramin'ny 5.1 sy 4.5 namely ny tananan'i Lorca any amin'ny faritra'i Murcia, Espana ny 11 May. Araka ny Filankevitry ny Tanàna, eo anelanelan'ny 20 000 sy 30 000 eo ny olona natory teny an-dalambe, raha mbola eo an-dalam-panamarinana ireo tranobe ny brigady voatokana ho amin'izany.
Terremoto Lorca avy amin'i Antonio Periago CC By-SA
Poti-bato eny an'arabe, ny fisian'ireo fiara mpamonjy voina, ny maratra sy ny fahasimban'ny trano, no hita ao anatin'ity lahatsary natambatambatra ity. Tandremo: Misy sary mety hanohina:
http://youtu.be/mQFcwaHnEq0
Ao amin’ ity iray ity, dia an-tongotra manerana ireo arabe eo an-tanàna no nahazoana, tsy ny sary fotsiny ihany fa ny feo any ambadimbadika any koa:
Roberto Cesar, mpitoraka bilaogy manana olana amin'ny fandrenesana dia nampita hafatra fankaherezana ho an'ny namany mpiray dia aminy Oscar, izay isan'ireo 8 tra-doza tamin'ilay horohorontany ny reniny:
http://youtu.be/fzkppkTyxdg
Tao Bilbao Espana, Mayor Iñaki Azkuna dia nangataka iray minitra fahanginana ho solon'ny fivorian'ny tanàna, ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy, ary ho fanohanana ireo mponina ao Lorca:
http://youtu.be/bm5t9noUW-I
Tao amin'ny Nosy Canary, nanao toy izany koa ny governemanta.
LDTV nandefa sary avy eny ambony eny momba ilay loza voajanahary, noraketina avy eny ambony angidimby nisidina teo ambonin'ny tanànan'i Lorca:
http://www.youtube.com/watch?v=YAdQSg2p9KA