- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gabon: Mety hampikorontana ny fanesorana ny zon'ny depiote tsy ho azo samborina

Sokajy: Afrika Mainty, Gabòna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Misoko mangina ny krizy ara-politika sy ara-tsosialy any Repoblika anivon'i Afrika Gabon nanomboka ny 26 janoary 2011 [1]. André Mba Obame, filohan'ny antoko mpanohitra “Union Nationale” izay efa voarara, no nanao ny fianianany fa izy no filohan'ny firenena, nanamafy hatrany izy fa izy no mpandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana jona 2009  saingy i Ali Bongo no nandresy ara-pomba ofisialy, izay zanaka lahin'ny filoha teo aloha Omar Bongo.

Nihamafy hatrany ny krizy nanomboka hatreo, nisy ny fihetsiketsehana nataon'ny mpianatra [2] sy ny mpiasan'ny solika [3] vao haingana, na dia teo aza ny  fivoahan'i [4] Mba Obame tao amin'ny tranon'ny PNUD (Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana), toerana izay nokasainy hialokalofana mandritra ny iray volana.

Fanesorana ny zon'ny solombavahoaka tsy azo samborina

Tamin'ny 5 may, Mba Obame, izay sady solombavabahoaka ao amin'ny parlemanta Gabonezy, no nahita ny fanesorana ny  zony [5] tamin'ny alalan'ny latsabato nataon'ny antenimieram-pirenena, satria voampanga olona ambony namadika (ny fireneny).

Noraketina fa ho ny 4 may no nokasaina hanatanterahana ny fombafomba tao amin'ny antenimieram-pirenena saingy nafampana ny toe-draharaha, mpanohana an-jatony an'i M. Mba Obame no nanao fihetsiketsehana mba haneho ny fanohanany an'ilay olona heveriny fa tena filohany. Nivory teo anoloan'ny lapan'ny Atenimieram-pirenena ao Libreville, renivohitra ao an-tanàna izy ireo mba hanery ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hanemotra ny fotoam-pivoriana , izay nohodidinin'ny miaramila,.

Jean-Pierre Rougou, mpitolona gabonezy, namoaka sary sasantsany [6] tamin'io fihetsiketsehana io :

Mba Obame's car surrounded by partisans in front of the National Assembly, Libreville. Image copyright Jean-Pierre Rougou. [7]

Fiaran'i Mba Obame, teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena ao Libreville, nohodidin'ireo mpanohana azy. Sary avy amin'i Jean-Pierre Rougou.

Army facing demonstrators in front of the National Assembly, Libreville. Image copyright Jean-Pierre Rougou. [8]

Miaramila manatrika ny fihetsiketsehana eo anoloan'ny Antenimieram-pirenena ao Libreville. Sary avy amin'i Jean-Pierre Rougou.

Fihetsehampon'ireo mpiserasera

Tao amin'ny tranokala La voix du peuple Gabonais (Feon'ny vahoaka Gaboney), maherin'ny 138 ireo fanehoan-kevitra nalefa tamin'ny lahatsoratra [9] milazalaza ny toe-draharaha. Araka ny hevitry ny iray amin'izy ireo, AMO Advocat, ny ady an-trano no mety ho vokatry ny fisamborana mety atao amin'i Mba Obame:

[…] Boukoubi n'a qu'à arrêter AMO si lui et son chef son courageux

Mais les conséquences seront une guerre civile et impitoyable

[…] Avelao i  Boukoubi [sekretera jeneraly ny filohan'ny antoko] hisambotra an'i AMO [André Mba Obame] raha sahy izy sy ny lehibeny. Saingy ny vokatr'izany dia ny fisian'ny ady an-trano tsy mifaditrovana.

Nilaza i Mba Obame fa ny fanesorana ny zony tsyho azo samborina dia misy ambadika politika ataon'ny governemanta Gaboney izay mikendry ny famotehana azy eo amin'ny sehatra politika [10].

Nanome fanazavana hafa momba ilay latsabato ireo solontena tao amin'ny Antenimieram-pirenena. Araka ny filazan'ilay solombavambahoaka Jean Christophe Mbiguidi Dinga, izay nitarika ny vaomiera manokana nisahana ity raharaha ity, navoakan'ny tranonkala infosgabon [11] , fa “ahafahan'i Mba Obame manome fanazavana eo anatrehan'ny lalàna” ny fanesorana ny zony tsy ho azo samborina.