Tantara tamin'ny 12 Mey 2011
Okraina: Mpanao politika mpisera ao amin'ny Facebook sy Twitter
Mihoatra ny iray tapitrisa izao ny vahoaka Okrainianina mampiasa [uk] Facebook ary mihoatra ny 80,000 ireo mpampiasa [en] Twitter, mihamaro dia maro ireo mpanao politika Okrainiana no misafidy ny hiditra mpikambana amin'ireo tambazotran-tserasera ireo. I Tetyana Bohdanova dia nanome lanja ny fikarohana sasany izay nataon'ny tompon'andraikitra Okrainiana eo amin'ny resaka aterine sy ny vohikalan'ny haino aman-jery mpifaninana ara-tsosialy rehetra Watcher.com.ua mametraka rafitra ahafahana mijery ny filahatr'ireo mpanao politika manana ny lazany ireo amin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo eo amin'ireo tambazotran-tserasera Twitter sy Facebook.
Filipina: ‘Veloma Friendster’
Hivadika ho vohikala 'fialamboly an-tserasera' ny valan-tserasera Friendster ka hamafa ny mombamomba ny mpisera ao aminy amin'ny faran'ny volana. Maro ny Filipiana no naneho ny alahelony noho ny fiheverany fa i Filipina no tsena lehibe voalohany indrindra ho an'ny Friendster nandritra ny taona maro
Gabon: Mety hampikorontana ny fanesorana ny zon'ny depiote tsy ho azo samborina
Misoko mangina ny krizy ara-politika sy ara-tsosialy any Repoblika anivon'i Afrika Gabon nanomboka ny 26 janoary 2011. André Mba Obame, filohan'ny antoko mpanohitra “Union Nationale” izay efa voarara, no nanao ny...