- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tratry Ny Tazo Bieber i Brunei

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Tanora, Tontolo_iainana

Taorian'ny namoahana voalohany ny sangan'asan'i Justin Bieber tamin'ny fahitalavitra, ‘Never Say Never [1]‘ “Mandrakizay aza miteny ny hoe Mandrakizay”, lahatsary/fanadihadiana iray momba ny resa-pitsarana sy ny olana ara-pitiavana nolalovany, ireo ‘Beliebers’-ny eto Brunei dia niezaka mafy ny hisarika ny sainy satria i Brunei tsy iray amin'ireo fampisehona mandalo ataony any atsimon'i Azia.

Misy ny vaovao mikasika ny fampisehoana ataony any amin'ireo tanàna mifanolobodirindrina, efa tsy ahitàna tapakila intsony, Singapore, Kuala Lumpur ary Jakarta, nanosika ireo mpankafy azy ao Brunei hamorona ny tenifototra  #Bruneineedsbeiber [2] ary isa-minitra dia tondraky ny mpankafy azy avy ao Brunei ny tenifototra  #Brunei mba hisarihana ny sain'i @justinbieber [3].

‘Brunei Beliebers’ aza dia nanokatra mihitsy  twitition [4] iray hanampiana ny hanaovana izay hahatongavan'ilay mpanakanto Kanadiana ao Brunei. Hatreto dia manana sonia 366 ry zareo.

[4]

Ilay mpitoraka bilaogy avy ao an-toerana @marul69 avy ao amin'ny geekinwhite.com [5] dia tsy  ‘belieber’ hatrizay sady ‘tsy mbola mpankafy ihany koa’ saingy taorian'ny nijereny ny ‘Never Say Never’, dia nanamarika izy hoe,

Taorian'ny nahitako ilay lahatsary, aleo dia tsoriko fa tsy kisendrasendra ny laza azony, tsy namboamboarina nan noho ny endrika amam-bika velively. Tena mana atelenta lery hatramin'ny fahakeliny. Ilay karazana talenta azo hatrany ankibo.

Tsy hoe tratry ny aretina Bieber aho akory. Tsy isalasalana fa manintona ny hirany, saingy tsy tiako hatao fihaino isan'andro. Ny zavatra lazaiko dia izao, hajaiko ny filofosan'i lery, ilay toe-tsainy manao hoe mandrakizay aza miteny ny hoe mandrakizay, ny asa lehibe natontony tao amin'io ary ny sorona nataony mba hahatongavana amin'ny misy azy ankehitriny. Raha 16 taona ianao ary efa nanjifa ny  Madison Square Garden tanatin'ny 22 minitra, mbola maivana izany!

Ilay malazan'ny fandefasana bitsika ao Brunei, @BruneiTweet [6] ,  dia nandefa ny bitsiny voalohany [7] ho an'i @justinbieber [3] taorian'ny nijereny ny  ‘Never Say Never’ ary nanamarika fa noho ny asa fikarohana ataony mikasika ny fampitam-baovao sosialy ny nahatonga azy nijery an'io.

Mpitoraka bilaogy iray hafa avy eo an-toerana, @Bruneiankidsays [8] ao amin'ny bilaoginy ‘memoirs of a Bruneian Kid’ [9] (Tsiahin-jaza iray avy ao Brunei) tsy manan-kolazaina ankoatry ny fiderana ilay tanora vao 17 taona monja.

heveriko fa tena mpihira manana talenta manokana lery ary tsy olana izay mbola ho entin'ny ampitso ho azy. Fa dia misy zavatra momba azy fotsiny aloha.

Ny sasany tamin'ireo  ‘Brunei Beliebers’ aza dia tonga hatramin'ny fanaovana fanitàrana ilay lahatsary [10] sy nanpakatra [11] izany tao amin'ny YouTube mba handresena lahatra an'i  Bieber ho tonga any Brunei. Mandritra izany, Aziz Harun, mpanan-talenta avy ao an-toerana @jambul212 [12]dia mandrakitra [13] araka ny fombany ny hira sangany an'i  Bieber, ilay hoe  ‘Baby’

Nefa taorian'ireo andrana rehetra ireo, mbola miady saina ireo  ‘Brunei Beliebers’ satria i @justinbieber [3] tsy mbola namaly na iray aza tamin'ireo bitsika nalefa avy any Brunei.