- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Miverina indray Ny Herisetran'ny Polisy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Mitohy ny hetsi-panoherana ao Tonizia, taorian'ireo fanambaràn'ny  Minisitry ny Atitany teo aloha Farhat Rajhi [1] nivoaka tao amin'ny pejy Facebook iray antsoina hoe “Skandali” [2] ka tao anatin'izany no nilazany mialoha ny hoe mety hikononkonona fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila, dia ireo mpiandany amin'ny filoha niongana, raha toa ka mandresy amin'ny fifidianana ny Antoko Islamista Al-Nahdha amin'ny  24 Jolay.  Nilaza ihany koa izy fa Rachid Ammar, [3] Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Toniziana, dia nandeha tany  Qatar niresaka tamin'ny Filoha teo aloha Ben Ali, ary hitohy hotantaninà governemanta miafina i Tonizia,  tarihan'ny naman'i  Ben Ali iray, dia i Kamel Ltaief.

[4]

Mpanao fihetsiketsehana iray darohan'ny polisy iray miakanjo sivily

Nifamory indroa tato anatin'ny 24 ora farany ireo mpandàla ny demaokrasia, ny Alakamisy tolakandro sy ny Zoma maraina, tao an-dalamben'i Hbib Bourguiba, mba hangataka ny fialan'ny governemanta. Nandritra ireo fotoana roa ireo dia tamin-kerisetra no nanaparitahan'ny polisy mpandrava korontana an'ireo mpanao hetsi-panoherana, tamin'ny fampiasana entona mandatsa-dranomaso sy kibay [5].

[5]

Winston Smith, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Nawaat manoratra hoe [5]: [6]

…اليوم5 ماي يتواصل القمع ضدّ المواطنين العزّل عبر إعتداء فرق التدخل و البوليس السياسي …على المتظاهرين المسالمين في شارع الحبيب بورقيبة بالعاصمة التونسية…

Androany, 5 May, ny polisy mpandrava korontana sy ny Mpitandro filaminam-panjakana dia manohy  mamoritra ireo vahoaka amin'ny fanafihana ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny Lalamben'i  Hbib Bourguiba, tao  Tunis renivohitra

Lahatsary Youtube iray [7], nivoaka tamin'ny 5 May no mampiseho fivorivoriana kely nataon'ireo mpanao hetsika manohitra ny governemanta, talohan'ny fidirana an-tsehatr'ireo mpitandro filaminana.

Ny Zoma, na izany aza, nihenjana ny tady ary nahery setra ny firotsahana an-tsehatra nataon'ny polisy.
Ben Karim mibitsika hoe: [8]

Zava-mitranga amin'izao fotoana eto #Tunis: Mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana voadaroka sy voatifitry ny polisy amin'ny entona mandatsa-dranomaso , miverina indray ny fampiasan-kery ataon'ny polisy #Tunisian

Haythem El Mekki miteny hoe: [9]

Les flics quand ils arrêtent un jeune se mettent tous a le battre de manière violente en même temps”

Rehefa mahasambotra tanora iray ry zareo polisy, dia miara-mirohotra midaroka azy tsy misy indrafo daholo izy mianakavy avy eo.
[10]

Mandositra ny herisetra ataon'ny polisy

[5]

Nawaat [5]mibitsika hoe: [11]

AvenueBourguiba à Tunis : violence, tabassage arrestations arbitraires

Lalamben'i Bourguiba ao Tunis: herisetra, daroka, ary fisamborana tsy amin'antony

Namely mpitoraka bilaogy sy mpanao gazety ihany koa ny mpitandro filaminana.

Fatma Arabicca, mibitsika hoe: [12]

بسام بوقرة المدون يتعرض للاختطاف من قبل البوليس والضرب المبرح ثم يرمى في الشارع آلام حادة على مستوى اليد

Nalain'ny polisy an-keriny ny mpitoraka bilaogy, Bassem Bouguerra, niharan'ny daroka tsy nisy indrafo ary navela teny an-dalambe avy eo. Ratra mafy eo amin'ny faritry ny  lohany

Leena Ben Mhenni rmaneho hevitra ao amin'ny pejy Facebook-ny: [13]

Malahelo mafy tokoa mahalala hoe nalain'ny polisy an-keriny, nodarohana ary natsipy teny rehetra teny ny namako mpitoraka bilaogy Sam Bouguerra. Fahafaham-baraka ho anareo izany!

Mpaka sary iray avy amin'ny  AFP, mpanao gazety iray avy amin'ny  ShemsFM ary iray hafa avy amin'ny Aljazeera koa no notafihana, raha norahonana kosa ny solontenan'ny Radio Express FM ary nanaovan'ny polisy teny manivaiva.

Nizou mibitsika hoe: [14]

Le journaliste de ShemsFm se fait tabasser en direct, la ligne est coupée, il n'est plus joignable

Voadaroka teo ampanaovana fampitàna mivantana  ny mpanao gazetin'ny ShemsFm , tapaka  ny fifandraisana ary tsy tratr'antso izy avy eo.

Amira Yahyaoui manampy hoe: [15]

Un photographe de l'AFP qui couvrait les manifs de l'avenue bourguiba aujourd'hui a été agressé par les force de l'ordre #tunisie

Niharan'ny herisetran'ny polisy ny mpaka sary iray avy amin'ny AFP nanao fandrakofam-baovao tao amin'ny Lalamben'i Bourguiba