Mitohy ny hetsi-panoherana ao Tonizia, taorian'ireo fanambaràn'ny Minisitry ny Atitany teo aloha Farhat Rajhi nivoaka tao amin'ny pejy Facebook iray antsoina hoe “Skandali” ka tao anatin'izany no nilazany mialoha ny hoe mety hikononkonona fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila, dia ireo mpiandany amin'ny filoha niongana, raha toa ka mandresy amin'ny fifidianana ny Antoko Islamista Al-Nahdha amin'ny 24 Jolay. Nilaza ihany koa izy fa Rachid Ammar, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Toniziana, dia nandeha tany Qatar niresaka tamin'ny Filoha teo aloha Ben Ali, ary hitohy hotantaninà governemanta miafina i Tonizia, tarihan'ny naman'i Ben Ali iray, dia i Kamel Ltaief.
Winston Smith, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Nawaat manoratra hoe:
…اليوم5 ماي يتواصل القمع ضدّ المواطنين العزّل عبر إعتداء فرق التدخل و البوليس السياسي …على المتظاهرين المسالمين في شارع الحبيب بورقيبة بالعاصمة التونسية…
Lahatsary Youtube iray, nivoaka tamin'ny 5 May no mampiseho fivorivoriana kely nataon'ireo mpanao hetsika manohitra ny governemanta, talohan'ny fidirana an-tsehatr'ireo mpitandro filaminana.
Ny Zoma, na izany aza, nihenjana ny tady ary nahery setra ny firotsahana an-tsehatra nataon'ny polisy.
Ben Karim mibitsika hoe:
Zava-mitranga amin'izao fotoana eto #Tunis: Mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana voadaroka sy voatifitry ny polisy amin'ny entona mandatsa-dranomaso , miverina indray ny fampiasan-kery ataon'ny polisy #Tunisian
Haythem El Mekki miteny hoe:
Les flics quand ils arrêtent un jeune se mettent tous a le battre de manière violente en même temps”
AvenueBourguiba à Tunis : violence, tabassage arrestations arbitraires
Namely mpitoraka bilaogy sy mpanao gazety ihany koa ny mpitandro filaminana.
Fatma Arabicca, mibitsika hoe:
بسام بوقرة المدون يتعرض للاختطاف من قبل البوليس والضرب المبرح ثم يرمى في الشارع آلام حادة على مستوى اليد
Leena Ben Mhenni rmaneho hevitra ao amin'ny pejy Facebook-ny:
Malahelo mafy tokoa mahalala hoe nalain'ny polisy an-keriny, nodarohana ary natsipy teny rehetra teny ny namako mpitoraka bilaogy Sam Bouguerra. Fahafaham-baraka ho anareo izany!
Mpaka sary iray avy amin'ny AFP, mpanao gazety iray avy amin'ny ShemsFM ary iray hafa avy amin'ny Aljazeera koa no notafihana, raha norahonana kosa ny solontenan'ny Radio Express FM ary nanaovan'ny polisy teny manivaiva.
Nizou mibitsika hoe:
Le journaliste de ShemsFm se fait tabasser en direct, la ligne est coupée, il n'est plus joignable
Amira Yahyaoui manampy hoe:
Un photographe de l'AFP qui couvrait les manifs de l'avenue bourguiba aujourd'hui a été agressé par les force de l'ordre #tunisie