- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Raiki-pitia amin'i Osama bin Laden

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka


[1]

Sarin'i Khulood Al-Khamis ao amin'ny kaontiny Twitter

Ahoana no atao mba hahatonga ny vehivavy ho tia olona tahaka an'i  Osama Bin Laden lehiben'i Al-Qaeda? Toa tahaka ny hoe ny volombava lavabe, araka ny filazan'ny vehivavy Koesiana mpanoratra Khulood Al-Khamis, izay nanaitra ireo mpamaky tamin'ny taratasim-pitiavana nosoratany ho an'ilay atidoha mikotrika ny fampihorohorona, izay efa novonoin'i Etazonia, tao Abbottabad, Pakistan, tamin'ity herinandro ity.

Tao ao anatin'ny taratasiny, tao amin'ny lahatsoratrany tamin'ny gazety Koesiana Arabika mivoaka isan'andro Al-Qabas [2], nanoritsoritra an'i Bin Laden ho toy ny lehilahy nofinofisiny i Al-Khamis , nilazalaza ny fomba itiavany mandeha miaraka aminy any anatin'ny zohiny, manasa ny volombavany ary mba ho lasa iray amin'ireo vadiny. Nofaranany ny lahatsoratrany tamin'ny fampanantenana fa hiandry azy any an-danitra izy ary hanohy ny anganonganony Scheherazade [3].

Manana kaonty ao amin'ny Twitter [1] ilay mpanoratra, izay niseho ho lasa mpanoratra tantara fohy [4] [1]. Nanafintohina ny mpamaky ny lahatsorany. Tao amin'ny Twitter,  naharay teny fanesoana marobe i Al-Khamis, anisan'ny nandefa izany i Ayman Zawahari, kaonty fanesoana ny lehilahy faharoa Al-Qaeda, izay nametraka [5] fanontaniana tsotra sady fohy taminy:

شدعوه خلود مالنا رب يعني؟

Oh Khulood, ahoana ny momba ahy?

Saddam Hussein, kaonty fanesoana hafa, nanohy [6] hoe:

خاتون خلود خميس ، مو آني هم مجرم وچتلت بشر أكثر من أسامه .. ليش ماتفكرين بيا ؟!

Ramatoa Khulood Khamis, mpamono olona koa aho izay namono vahoaka marobe noho izay efa novonoin'i Osama, nahoana no tsy mba tara amiko ianao?

Yahya Taleb Ali, tanora mpanoratra Koesiana, mbola nanoratra tweet feno fanesoana milaza [7] hoe:

ميخالف شباب، الأخت عبرت عن رأيها وإعجابها بأسامة بن لادن وتبي تمشط لحيته. هذا رأي والتعبير عنه حق مكفول. أنا عن نفسي أبي أمشط شنب نيتشه

Aoka ry zalahy, manambara ny heviny sy ny fitiavany an'i  Osama Bin Laden izy; te-hikosoka ny volombavany izy. Izany no heviny ary ny fanehoany ny heviny dia zo efa ananana. Toa te-hikosoka ny volombavan'i Nietzsche koa aho izany.

Mpampiasa Twitter hafa, izay nihambo ho filohan'ny faritra sarangan'olona ambony ao Koety Shuwaikh, nanoratra karazana tweets momba ny lahatsoratr'i Al-Khamis, tafiditra amin'izany ity iray [8] ity:

بعد مقالة خلود الخميس..ڤيكتوريا سيكريتس تطرح تصاميم جديدة بعنوان( آآآآه فجرني)عبارة عن لنجيري مفخخ بالديناميت للإغراء الإرهابي

Taorian'ny lahatsoratra vao haingana an'i Khulood Al-Khamis, Victoria Secret hamoaka andia-damaody vaovao manana anarana hoe [“oh, Bomb Me” na darohy baomba aho] izay akanjo anatiny misesika dinamita fametraky ny mpampihorohoro

Vehivavy Koesiana mpisera Twitter, Ghadory, tsy nisalasala hamazivazy an'i Al-Khamis, fa saingy tamin'ny teny anglisy tamin'ity indray mitoraka ity [9]:

#kholoudalkhamees (Satria mampatahotra ianao, baby) Tianao ho ratsy izany, tantara tena ratsy Miaraka amin'i #OBL, nahazo vinavina vaovao aho amin'ny hiran'i Lady gaga

Molten86 nanoratra [10] tamim-pahamatorana hoe:

#kholoudalkhamees تبي تشتهر ! بسرعة ! أمدح ظالم إرهابي .. مبروك انت نجم لامع الآن

Te ahazo voninahitra haingana izy. Dokafy ny andriamborivory mpampihorohoro! Arabaina, ianao no malaza ankehitriny.

Salman Al-Naqi naneho ny heviny tamin'ny fomba matotra ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i Al-Khamis  ka nilaza [11] hoe:

أحذروا السلفية الجديدة التي تطل علينا برجال حليقي اللحية و نساء سافرات الوجه.. و لنا في الكاتبين بدر البحر و خلود الخميس خير برهان ! #kuwait

Mitandrema amin'ny Salafisma vaovao izay tonga amintsika miaraka amin'ny lehilahy manala volombava sy vehivavy tsy misarom-boaly. Mpanoratra Bader Al-Bahar sy i Khulood Al-Khamis no ohatra tsara