Ahoana no atao mba hahatonga ny vehivavy ho tia olona tahaka an'i Osama Bin Laden lehiben'i Al-Qaeda? Toa tahaka ny hoe ny volombava lavabe, araka ny filazan'ny vehivavy Koesiana mpanoratra Khulood Al-Khamis, izay nanaitra ireo mpamaky tamin'ny taratasim-pitiavana nosoratany ho an'ilay atidoha mikotrika ny fampihorohorona, izay efa novonoin'i Etazonia, tao Abbottabad, Pakistan, tamin'ity herinandro ity.
Tao ao anatin'ny taratasiny, tao amin'ny lahatsoratrany tamin'ny gazety Koesiana Arabika mivoaka isan'andro Al-Qabas, nanoritsoritra an'i Bin Laden ho toy ny lehilahy nofinofisiny i Al-Khamis , nilazalaza ny fomba itiavany mandeha miaraka aminy any anatin'ny zohiny, manasa ny volombavany ary mba ho lasa iray amin'ireo vadiny. Nofaranany ny lahatsoratrany tamin'ny fampanantenana fa hiandry azy any an-danitra izy ary hanohy ny anganonganony Scheherazade.
Manana kaonty ao amin'ny Twitter ilay mpanoratra, izay niseho ho lasa mpanoratra tantara fohy . Nanafintohina ny mpamaky ny lahatsorany. Tao amin'ny Twitter, naharay teny fanesoana marobe i Al-Khamis, anisan'ny nandefa izany i Ayman Zawahari, kaonty fanesoana ny lehilahy faharoa Al-Qaeda, izay nametraka fanontaniana tsotra sady fohy taminy:
شدعوه خلود مالنا رب يعني؟
Saddam Hussein, kaonty fanesoana hafa, nanohy hoe:
خاتون خلود خميس ، مو آني هم مجرم وچتلت بشر أكثر من أسامه .. ليش ماتفكرين بيا ؟!
Yahya Taleb Ali, tanora mpanoratra Koesiana, mbola nanoratra tweet feno fanesoana milaza hoe:
ميخالف شباب، الأخت عبرت عن رأيها وإعجابها بأسامة بن لادن وتبي تمشط لحيته. هذا رأي والتعبير عنه حق مكفول. أنا عن نفسي أبي أمشط شنب نيتشه
Mpampiasa Twitter hafa, izay nihambo ho filohan'ny faritra sarangan'olona ambony ao Koety Shuwaikh, nanoratra karazana tweets momba ny lahatsoratr'i Al-Khamis, tafiditra amin'izany ity iray ity:
بعد مقالة خلود الخميس..ڤيكتوريا سيكريتس تطرح تصاميم جديدة بعنوان( آآآآه فجرني)عبارة عن لنجيري مفخخ بالديناميت للإغراء الإرهابي
Vehivavy Koesiana mpisera Twitter, Ghadory, tsy nisalasala hamazivazy an'i Al-Khamis, fa saingy tamin'ny teny anglisy tamin'ity indray mitoraka ity:
#kholoudalkhamees (Satria mampatahotra ianao, baby) Tianao ho ratsy izany, tantara tena ratsy Miaraka amin'i #OBL, nahazo vinavina vaovao aho amin'ny hiran'i Lady gaga
Molten86 nanoratra tamim-pahamatorana hoe:
#kholoudalkhamees تبي تشتهر ! بسرعة ! أمدح ظالم إرهابي .. مبروك انت نجم لامع الآن
Salman Al-Naqi naneho ny heviny tamin'ny fomba matotra ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i Al-Khamis ka nilaza hoe:
أحذروا السلفية الجديدة التي تطل علينا برجال حليقي اللحية و نساء سافرات الوجه.. و لنا في الكاتبين بدر البحر و خلود الخميس خير برهان ! #kuwait