- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Tatitra momba ny Fahatapahan'ny Fifandraisan-davitra, Fihetsiketseham-pahatezerana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana

Mpisera Twitter ao Syria no nitatitra fa  nisy fahatapahana ny fifandraisan-davitra aterineto fitondra androany, mbola mitohy hatrany ny fihetsiketsehana manerana ny firenena

Furious Syrian nitatitra [1] hoe:

Nihena ny fampiasana aterineto fitondra sy ny fandrakofana 3G manokana ao #Syria. Ny roa sy ny mpandraharaha momba ny finday ihany no an'i cousin an'i Assad Rami Makhlouf

Mpiaro ny zon'olombelona Wissam Tarif nanamarika [2] hoe:

Ny Fitondrana Al-Assad nanapaka ny fifandraisana tao #Homs #Zabadani #Madaya Ary koa tao amin'ny tanàna mifanakaiky ao #Hama #Eastern manodidina an'i #Damascus

Ary i Razaniat nanampy [3] hoe:

“3G USB modem” notapahana tao Damascus, Aleppo sy i Banyas. #Syria #fb

Anonymous Syria nanamafy [4] fa:

@Razaniyat Namana ao #Aleppo nanana “modem 3G “, nilaza ahy izy fa samy tsy misy mandeha ny MTN & Syriatel . #Syria

Nisy koa ny tatitra hafa fa notapahana ihany koa ny nomerao sasany tao amin'ny tanàna maro. Malath Aumran ni-tweet [5] hoe:

Tapahana ny laharana an-telefona sy ny jiro ao #Banyas, #syria