Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Syria: Tatitra momba ny Fahatapahan'ny Fifandraisan-davitra, Fihetsiketseham-pahatezerana

Mpisera Twitter ao Syria no nitatitra fa  nisy fahatapahana ny fifandraisan-davitra aterineto fitondra androany, mbola mitohy hatrany ny fihetsiketsehana manerana ny firenena

Furious Syrian nitatitra hoe:

Nihena ny fampiasana aterineto fitondra sy ny fandrakofana 3G manokana ao #Syria. Ny roa sy ny mpandraharaha momba ny finday ihany no an'i cousin an'i Assad Rami Makhlouf

Mpiaro ny zon'olombelona Wissam Tarif nanamarika hoe:

Ny Fitondrana Al-Assad nanapaka ny fifandraisana tao #Homs #Zabadani #Madaya Ary koa tao amin'ny tanàna mifanakaiky ao #Hama #Eastern manodidina an'i #Damascus

Ary i Razaniat nanampy hoe:

“3G USB modem” notapahana tao Damascus, Aleppo sy i Banyas. #Syria #fb

Anonymous Syria nanamafy fa:

@Razaniyat Namana ao #Aleppo nanana “modem 3G “, nilaza ahy izy fa samy tsy misy mandeha ny MTN & Syriatel . #Syria

Nisy koa ny tatitra hafa fa notapahana ihany koa ny nomerao sasany tao amin'ny tanàna maro. Malath Aumran ni-tweet hoe:

Tapahana ny laharana an-telefona sy ny jiro ao #Banyas, #syria


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.