- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Bahrain, Andron'ny Tsy-Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Solovava, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava

Androany 3 Mai no Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety [1], andro iray izay zary lasa fotoana fitserana kokoa noho ny maha-andro fankalazana azy any amin'ny firenena maro, isan'ireny i Bahrain, izay mbola misy fangejana ataon'ny governemanta amin'ny mpanao gazety sy ny mpitoraka bilaogy.

Feno esonteny, iray amin'ireny mpitarika erantany mankalaza ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ireny ny Mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa ao Bahrain, iray amin'ireo filoham-pirenena 38 nahazo anarana ho “mpanitsakitsaka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety [2]” avy amin'ny Reporters Without Borders. Androany izy dia namoaka fanambarana iray [3] milaza fa inoany ny “maha hazondamosin'ny fampandrosoana ny demaokrasia ny Asa Fanaovan-gazety malalaka, tsy mitanila ary mahaleotena.”

Na izany aza, nanome fampitandremana vitsy ihany koa izy, manentana ireo mpampahalala vaovao “tsy hiditra amin'ny fandranitana fifankahalàna” na handrehitra “herisetra, fandrobana na asa fampihorohoroana” sy “handika lalàna na handeha mifanohitra amin'ny fisainana ara-moraly sy ny maha-olona.”

Na dia niteny aza ny mpanjaka fa  “tsy misy olona hotohintohinin'ny lalàna noho ny fanehoan-kevitra amin'ny fomba milamina sy mifanaraka amin'ny maha-olo-mandroso,” mbola maherin'ny mpanao gazety 70, mpanoratra anaty aterineto, ary mpitoraka bilaogy no voasazy, voasambotra, na voarahona ao  Bahrain, araka ny ny taratasy iray ao amin'ny aterineto [4] nalefan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Bahrain [5] androany.

Manakaiky ny 20 amin'ireo voatanisa ao anatin'ilay taratasy no mpitoraka bilaogy na mafàna fo eny anivon'ny aterineto. Isan'izy ireny ilay mpamorona ny sehatra fifanakalozana resaka eo anivon'ny aterineto Al Dair, Zakariya Al Aushayri, izay maty tany am-ponja tamin'ny 9 Aprily 2011. Ny sasany nosamborina, natao fanadihadiana, na nosokajiana ho toy ny “mpamadika tanindrazana”. Ny mpamorona ny  BahrainOnline.org [6] sady mpiara-miasa amin'ny [7] Global Voices Advocacy  Ali Abdulemam dia efa nosamborina koa taloha ary miaina miafina amin'izao fotoana ao Bahrain.

Miaina anaty fepetra amin'ny tany misahotaka i Bahrain amin'izao fotoana nanomboka tamin'ny famoretana ny hetsi-panoherana niandoha tamin'ny 14 February 14. Jereo ny Rakotra Manokana Ataon'ny Global Voices [8].