- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: “Ny 2011 dia ho taona voamarika anatin'ny tantara”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Ejipta, Libia, Fanoherana, Hevitra, Politika, Tantara

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden [1].

Mety hoe vao volana May izao fa maro ny zava-nitranga nandritra ny volana vitsivitsy tamin'ny tontolo Arabo. Taorian'ny vaovao omaly momba ny namonoan'ny Amerikana an'i Osama Bin Laden tany Pakistana, Saodiana atidoha nikotrika ny fampihorohoroana , mandinika ny taona nodiavina ireo mpandefa tweets.

Mananihany [2] ilay Ejiptiana Wael Ghonim :

2011 dia taona ho voamarika anatin'ny tantara. Vao volana May izao dia efa mitranga daholo izao rehetra izao! #Tunisia #Egypt #Libya #Yemen #Syria and now #OBL

Hanan Yousef, avy any Ejipta ihany koa, dia miantso [3]:

Mba ento mora ny fandeha re ry 2011 ah! Tsy afa-miaina intsony izahay

Manamarika [4] Ibn Omar avy any Libia :

miaraka amin'ny fahafatesan'i BinLadin… taonan'ny  #lohataona arabo ve ity sa ny #fahalavoan'ny devoly arabo?

Ary manampy [5] i Ahmed Shihab-Eldin :

Mety hoe fahatsapàna ihany, fa tsapako fa rehefa hanao jery todika amin'ny 2011 dia ho taona niovàn'izao tontolo izao ny taona 2011. #Obama #Binladen #OBL

Farany nefa tsy kely indrindra, Ali Al Saeed, avy any Bahrain dia manamarika [6]:

Tsy nitsahatra ny nitombo ny tranga nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Mankaiza izao tontolo izao? Indraindray toa anaty tafio-drivotra izany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden [1].