Maraoka: Maneho Hevitra Momba ny Fanafihana tao Marrakech ireo Mpitoraka Bilaogy

Tratry ny fipoahana baomba i Marrakech, tanàna sangan'ny fizahantany ao Maraoka tamin'ny Talata teo, izay nandrava trano fisakafoanana iray tao anatin'ny ora fisakafoanana indrindra, ny Argana, manamorona ny Kianja Jamaa Lefna. Araka ny fanambaràna ofisialy dia nahafatesana olona 16 ilay fipoahana ka maro tamin'ireo no vahiny. Nitranga indrindra ity fanafihana ity raha toa ka miatrika onjam-pihetsiketsehana am-pilaminana hangatahana fiovàna ara-demaokratika ny firenena. Maro no maneho ny tahony ny hisian'ny fihemorana taorian'ilay fanafihana. Ny sasany nampitandrina ny ho voka-dratsy henjana noho ny fomba hatao ho fampandriana fahalemana izay mety hanohina ny fahalalahan'ny olom-pirenena tsirairay ao anatin'izao vanim-potoana izay iomanan'ny firenena hiroso aminà andiam-panovàna izao. Nandritra ny fitsidihany ny toerana nitrangan'ilay fipoahana, nampanantena ny mpanjakan'i Maraoka, Mohammed VI, fa tsy ho voaelingelina amin'izao ny dingana ho amin'ny fanovàna.

Ireo mpitoraka bilaogy sy mpiondana aterineto no haingana indrindra tamin'ny fandefasana fijoroana vavolombelona teo noho eo. Mitohy hatrany ireo fanambaràna firaisankina sy fanamelohana ilay fanafihana mahery setra any anaty bilaogy sy tambajotra any. Ity ny fantina amin'ireo izay hita nivoka hatreto.

Tao amin'ny Twitter, teo ambanin'ny tenifototra #Marrakech sy #Argana no nanarahana ireo vaovao avy any Marrakech.

Fotoana fohy taorian'ny fipoahana dia nifampizaràna ity saripika ity, avy any an-toerana, nalefan'i Mehdi El Baroudi (@melbaroudi) iray amin'ireo voalohany indrindra nandefa bitsika ny vaovao:

#maroc #Marrakech #FIPOAHANA @ cafe Argana kianja Jamaa El Fna 17 maty… Tsy mbola misy fanampim-baovao hatreto @zarchix @Fanajeen @AmoonaE

Saripika nalefa tamin'ny Twitpic, avy amin'i Mehdi El Baroudi (@melbaroudi)

Maherin'ny in-12.000 no nisy nijery ity sary ity.

Analitikis, mpandefa bitsika koa dia nizara ity lahatsary ity, nalaina fotoana vitsy taorian'ny fipoahana, ahitàna ireo tra-doza navoaka avy tao anatin'ilay trano fisakafoanana ary novonjen'ireo mpandalo, mandritra izany no tonga teo amin'ilay toerana ny voalohany tamin'ireo fiara mpamonjy voina (Mahitsy toraka be ny sary sasantsasany. Tsy dia ilaina horakorahana loatra):

Tanatin'ny fotoana fohy nanaraka ilay fipoahana, i Ismail Erahhali (@ismailerahhali) dia nandefa bitsika hoe:

Une pensée pour les victimes de ce crime odieux. Condoléances aux familles des victimes. #Marrakech

Fiombonan-tsaina amin'ireo tra-doza noho iny herisetra tsy am-piheverana iny. Miara-ory amin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy. #Marrakech

Mbola maro ireo fanehoankevitra mirotsaka avy amin'izao tontolo izao:

Rolande Johnson (@Ro1y) mandefa bitsika hoe:

Ketraka noho ny #fanapoahanabaomba tao #Marrakech. Fotoana betsaka no laninay tany amin'ny kianjan'i Djemaa el-Fna raha 2 volana monja izay no tany an-toerana izahay. Tena mampalahelo.

Ali Salim (@AliSalim_Es) Maraokana iray monina any Espana dia nandefa bitsika hoe:

No se llega a sentir dolor e inquietud de verdad por culpa de un atentado hasta que se vive uno contra su propia patria.#Argana #Marrakech

Tsy tena tsapanao ny hirifiry sy ny ahiahy ateraky ny asa fampihorohoroana raha tsy efa tonga mitsidika ny firenenao izy#Marrakech #Argana

Jennifer Leo (@jenleo), mpanoratra, izay nitsidika an'i Marrakech nandritra ny fotoana nisian'ilay fanafihana dia mandefa bitsika hoe:

Misaina bebe kokoa ny fipoahana tao #Marrakech raha mitaha amin'ny#royalwedding #fampakarambadin'ny mpanjaka. Fahaketrahana ara-tsaina. Tena teny an-toerana mihitsy izahay (pic #6): http://bbc.in/j89DEO

SCasillas (@SegundoCasillas) avy any Espaina no mibitsika:

Impresionado y triste. #marrakech atentado. Una plaza y un cafe en los que he estado y disfrutado tantas veces ahora ya simbolos del dolor.

Tohina sy malahelo mikasika ny fanafihana tao #Marrakech. Kianja iray sy trano fisotroana kafe nandaniako fotoana mamy matetika no zary lasa sary famantarana ny hirifiry.

Dominique de Roo (@DominiquedeRoo) avy any Netherlands mibitsika hoe:

Zie beelden van #Marrakech #Argana onwerkelijk en weer gevoel van machteloosheid tegen dit soort verschrikkingen.

Mijery ireo sary avy any #Marrakech #Argana. Tsy mampino. Tena mahatsiaro tena ho tsy mahavita na inona na inona manoloana ny fampihorohoroana tahaka izao.

Doudiss (@Nonewzz) avy any Maraoka mibitsika hoe:

Mandeha rà i #Marrakech androany alina, nefa tahaka ny raozy iray any an-tanihay dia mbola hivelatra soa indray atsy ho atsy. RIP

Eladlouni M. Amine (@eladlouni), Maraokana mpitoraka bilaogy dia mibitsika hoe:

Aujourd'hui je suis marrakchi plus que jamais #argana #Marrakech

Androany aho vao tena Marrakchi (ilazàna ny mponina ao Marrakech) mihoatra lavitra noho ny hatrizay – #Argana #Marrakech

Hoy izy manampy taoriana kely:

On va les retrouver ces terroristes dar dar byte byte fard fard zenga zenga #Marrakech #argana

Ho tratra ireny mpampihorohoro ireny… isan-trano, isam-pianakaviana, isan'olona, Zenga Zenga (isaky ny làlana) — #Marrakech #Argana

Kerstin dia mpiasa mpila ravinahitra monina ao Marrakech. Mizara izay fahatsapany voalohany izy ao amin'ny bilaoginy, Maid in Marrakech. Hoy izy manoratra:

Tena tsy mety takatro mihitsy ny hoe fa nahoana no misy olona manao an'izao ary inona no tanjona tian-dry zareo hahatongavana? Ny zava-manahirana dia raha mpanao vy very ny ainy tokoa iny, tahaka izay nilazan'ireo mpampahalala vaovao vahiny azy, dia efa tsy velona intsony ilay ranamana ary tsy ho fantatsika mandrakizay ny antony nanaovany azy iny. Fizahantany, sa ara-politika, inona? Azo antoka fa mijery an'i Marrakech daholo ny maso amin'izao. Indrisy fa noho ny antony ratsy mahamenatra.

Ny manampahefana dia manilika ny hoe olona mpanao vy very ny ainy iny ary milaza fa fipoahana nobaikoana avy lavitra no nisy.

Reda Chraïbi, Maraokana mpitoraka bilaogy, dia miteny fa ny Maraokana dia tsy ho kivin'izay fipoahana tao Marrakech ary mandrisika ny hitakiana ireo fanovàna, izay lazainy, fa hany fiarovana tokana amin'ny asa fampihorohoroana. Manoratra izy [Fr]:

Enfin, notre printemps ne saurait être gâché par cet orage passager. Bien au contraire, cet acte provient certainement de ceux qui ne souhaitent pas que la liberté et la démocratie adviennent au Maroc. Il n’est donc pas meilleure attitude à adopter, aujourd’hui plus que jamais, que de s’engager plus avant vers l’instauration d’une société équitable, juste et libre. En attendant, on retournera à Jemaa elfna, encore plus qu’avant, profitant de ses plaisirs et narguant les crapuleux, car nous ne sommes pas terrorisés.

Ela ny ela, ny Lohatonantsika [Maraokana] tsy ho sembanin'iny oram-batravatra nandalo iny. Ny mifanohitra amin'izany aza, iny fihetsika iny dia azo antoka fa avy amin'ireo tsy maniry ny hahatongavan'ny fahalalahana sy ny demaokrasia eto Maraoka. Tsy misy toetra tsara aseho araka izany –manomboka eto– afa-tsy ny firosoana hatrany mankany amin'ny fametrahana fiarahamonina isian'ny fitoviana, malalaka sy madio. Mandritra izay fotoana izay, hiverina ho any amin'ny kianjan'i Jemaa Lefna isika, bebe kokoa noho ny fahiny, hiaina ny fahafinaretany sy hiatrika ireo kaondrana mitapy, satria tsy nihorohoro isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.