- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistan: Fitantarana mivantana an-tsiokantsera ny fahafatesan'i Osama bin Laden tany Abbottabad

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Azia Atsimo, Arabia Saodita, Etazonia, Pakistana, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Tankina hatreo ny fiainan'ilay atidohan'ny fampihorohoroana Saodiana Osama bin Laden raha nanafika fanorenana marolafy iray tany Abbottabad, Pakistan ny ekipa iray notarihan'ny sampam-pitsikilovana Amerikana CIA. Mpisera Twitter iray, Sohaib Athar, izay misioka antsera amin'ny anarana @ReallyVirtual [1], no mitantara antsiokantsera ny fanafihana, sy ny fihetsehampony ihany koa.

Athar moa dia milazalaza ny tenany ho “mpanolotsaina amin'ny kajimirindra izay miala sasatra amin'ny hazakazaky [ny fiainana] amin'ny fiafenana eny an-tendrombohitra miaraka amin'ny solosaina findainy.”

Toy izao ny fitantarany: