Tankina hatreo ny fiainan'ilay atidohan'ny fampihorohoroana Saodiana Osama bin Laden raha nanafika fanorenana marolafy iray tany Abbottabad, Pakistan ny ekipa iray notarihan'ny sampam-pitsikilovana Amerikana CIA. Mpisera Twitter iray, Sohaib Athar, izay misioka antsera amin'ny anarana @ReallyVirtual, no mitantara antsiokantsera ny fanafihana, sy ny fihetsehampony ihany koa.
Athar moa dia milazalaza ny tenany ho “mpanolotsaina amin'ny kajimirindra izay miala sasatra amin'ny hazakazaky [ny fiainana] amin'ny fiafenana eny an-tendrombohitra miaraka amin'ny solosaina findainy.”
Toy izao ny fitantarany: