- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Però: Fotoam-Panombohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
[1]

Ireo mpifaninana: Ollanta Humala sy Keiko Fujimori. Sary: TVCultura (CC BY-NC-SA 2.0) ary ny Kongresin'ny Repoblika (CC BY 2.0)

Herinandro vitsy talohan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidiannaa ao Però, isafidianana amin'ireo mpifaninana, dia ry  Gana Perú [2], Ollanta Humala Tasso [3] sy ny zanaka vavin'ny filoha taloha Alberto Fujimori [4], Keiko Sofía Fujimori [5] (ho an'ny Fuerza 2011 [6]), ny fitombon'ny fisamahan'ny fiarahamonina Peroviana, sy ny anjara toeran'ireo mpifidy no tena mivandravandra kokoa na any anaty gazety samihafa [7] na any anaty tambajotra sosialy.

Ny vaovao tena manaitra tato ho ato dia ny fandroahana mpanao gazety roa tao amin'ny fantsona mpampahalala vaovao Canal N, fananan'ny vodron'orinasa “El Comercio”, nambara ho tsy nanaraka ny toro-làlana amin'ny fandefasana tatitra manome tombon-dahiny an'i Keiko Fujimori [8].

Niteraka fahasorenana teo anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpanao gazety ilay fihetsika, eny fa na teo amin'ny mpiara-miasa amin'ireo voaroaka aza. Raúl Tola, mpanao gazety mpiara-miasa tamin'i  Patricia Montero sy José Jara, dia manontany ao amin'ny matoan-dahatsoratra fanaony isanandro ao amin'ny La República [9] [es]:

¿Cómo debemos interpretar este despido quienes todavía trabajamos en Canal N o América Televisión? ¿A partir de ahora, cada vez que propalemos una noticia deberemos hacerlo tomando en cuenta lo que los propietarios consideran «el bien del país», es decir la candidatura de Fuerza 2011? ¿Acaso no es nuestra obligación informar sin consideraciones de esta naturaleza, respondiendo solo a nuestras conciencias, a los principios rectores de la profesión, a los lectores y televidentes, y no a intereses subordinados?… ¿Qué pensará la ciudadanía de un medio que juega y esconde la carta de la libertad de expresión de acuerdo a los devaneos de la coyuntura…?

Ahoana no tokony handikàntsika, dia isika izay mbola manohy miasa ao amin'ny Canal N na ny  América Television, iny fandroahana iny? Manomboka izao, isak'izay hamoaka tantara ve izany isika dia tokony hametraka anatin'ny làlan-jotrantsika ny hoe misaina izay ” soa ho an'ny firenena” ny tompony, amin'ny teny hafa dia hoe, ny fampielezan-kevitra ho an'ny Fuerza 2011? Angamba tsy anjarantsika ny mampahalala zavatra tsy manome lanja tahaka izany, fa ny fahatsapantenantsika irery ihany, amin'ireo hevitra fototra iorenan'ny asa aman-draharaha, ho an'ny mpamaky sy mpijery, nefa dia lasa ho an'ny tombontsoan'ny tena manokana?… -Dia inona no hiheveran'ny olona ny mpampahalala vaovao manafina sy milalao ny Lalànan'ny fahalalaham-pitenenana araka izay mahametimety azy fotsiny noho ny fifandraisana ananany… ?
[10]

Keiko Fujimori ao anatin'ny fivorian'ny Kaongresy. Sary: Kaongresin'ny Repoblikan'i Pero (CC BY 2.0)

Manontany toy izany koa ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa ny tambajotra sosialy. Ohatra, i Gustavo Faverón nanoratra tao amin'ny bilaoginy Puente Aéreo (Aerial View) [11] [es]:

quienes se aprestan a votar por Keiko Fujimori colocan como uno de sus argumentos (el más disparatado) su temor de que con Humala llegue una dictadura represiva, que barra con las libertades de información y de prensa…. (…) Y para ponerse al día sobre las cosas que Humala hará con sus libertades de expresión, leen los diarios y las  estaciones de televisión del grupo El Comercio, medios en los cuales, hace varios días, han empezado los despidos y los extraños nombramientos: despidos de periodistas que se niegan a escribir en favor de Keiko Fujimori y contra Humala, nombramientos de otros periodistas que ya estuvieron conectados con la mano negra fujimorista en la dictadura anterior…

ireo izay niomana hifidy an'i Keiko Fujimori dia maneho (matetika amin'ny fomba kidaladala) ny tahotr'izy ireo ny mety hisian'ny famoretana raha i Humala no mitondra, izay mety hanao kenda roroka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety…. (…) Ary ho fiomanana ho amin'ny andro izay mety hitrangan'ny zavatra eritreretina hataon'i Humala momba ny fahalalahana miteny, dia mamaky gazety sy manaraka ny fahitalavitry ny El Comercio ry zareo, izay tato anatin'ny roa andro izao, dia nanomboka nanao fandroahana sy fanendrena hafahafa: fandroahana ireo mpanao gazety izay mandà ny hanoratra fiandaniana amin'i  Keiko Fujimori ary hanaratsy an'i  Humala; ary ny fanendrena mpanao gazety iray hafa izay nifandray tamin'ny tàna-maloton'ny fitondrana Fujimori teo aloha…

César Lievand (@argosmozart [12]) manamarika ao amin'ny  Twitter:

@Frospigliosi [13] @tuesta [14] lo que ha hecho el GRUPO EL COMERCIO ha sido un atentado contra la libertad de prensa y expresion.

@Frospigliosi [13] @tuesta [14] ny nataon'ny GRUPO EL COMERCIO dia tsy inona fa fanohintohinana ny fahalalahana amin'ny fanaovana gazety sy fitenenana.

Silvio Rendón mizara ny fomba fijeriny ao amin'ny pejy Facebook-ny bilaoginy Gran Combo Club [15] [es]:

Cipriani [el Cardenal] es el alfil, El Comercio es el caballo, la CONFIEP [gremio de empresarios] es la torre, Fujimori [Alberto] es el rey, y Keiko la reina. Y hay hartos [muchos] peones.

Cipriani [the Cardinal] no mpitari-pivavahana, El Comercio no ilay mpitaingin-tsoavaly, ny CONFIEP [fikambanan'ny mpandraharaha ara-barotra] no tilikambo, Fujimori [Alberto] no mpanjakalahy, ary i Keiko mpanjakavavy. Ary misy fanirakiraka tsy tambo ho isaina ao.

Jack Sánchez (@wifaperu [16]) manamafy:

A votar con mayor razón por Ollanta Humala.

Betsaka ankehitriny ny antony tokony hifidianana an'i  Ollanta Humala.

Ny fiantombohan'ity lahatsoratra ity dia milaza ny fisamahan'ny fiarahamonina, izay tsikaritra koa eny anivon'ireo tambajotra sosialy: anatin'ity bitsika maneso sy mandranitra nalefan'i  Paul Nassi (@ManzanaPecadora [17]) ity, be ny mampisalasala ny olona amin'ny antoka azo omena ireo  mihetsika ho fanohanana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, toy ny fanehoana izay fetezany amin'ny  resaka ara-moraly fotsiny :

Si El Comercio apoya a Fujimori, se ha vendido. Pero si la Republica apoya a Humala es libertad de expresion. No jodan

Raha toa ny El Comercio manohana an'i  Fujimori, dia nivaro-tena taminy izany. Fa raha ny La Republica no manohana an'i Humala, dia noho ny fahalalahana miteny. Aza mampihomehy ho'aho…
[18]

Ollanta Humala. dikasary tamin'ny Enlace Nacional, TVCultura (CC BY-NC-SA 2.0)

Sokro, avy ao amin'ny bilaogy Cero Contenido [19] [es] (Tsy Misy Atiny) dia miresaka momba ireo mpanao gazety ao an-toerana izay nilaza ampahibemaso fa mpanohitra an'i Humala:

“…estaban convencidos que cholos comiendo sushi es lo mismo q crecimiento económico, q blancos viendo “Al fondo hay sitio” [popular shows de TV local] y comiendo en pollos Hikary [populares restaurantes de pollo a la brasa] es lo mismo que la superación del racismo, y que los pobres son pobres porque son brutos o flojos…

“…resy lahatra ry zareo fa miresaka ny “cholos” (metisy) mihinana sushi dia tsy misy hafa amin'ny fisondrotana ara-toekarena, ary ireo fotsy hoditra izay mijery ny “Toerana ho an'ny fahefana ery an-damosina ery”  (“Al fondo hay sitio”, andiam-pandaharana be mpanaraka tokoa ao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana]  sy ny fihinanana akoho Hikary [trano fihinanana be mpankafy, malaza amin'ny akoho natono] dia zavatra mitovy amin'ny fandresena'ny fanavakavahana ara-piaviana sy hoe mahantra ny mahantra satria mitapy sy kamo ry zareo…

Luchín (@Lu_chi_to) [20] mijery mialoha sahady:

#Elecciones2011 [21] bayly [Jaime Bayly, presentador de TV, quien ha declarado su apoyo a Fujimori] regresará a la TV como parte del plan demoledor a “OH” [Ollanta Humala] mucho cuidado y atentos con lo que viene aparte de todo esto

#Elecciones2011 [21] bayly [Jaime Bayly, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, izay nanambara ny fanohanany an'i  Fujimori] dia hiverina ho ao amin'ilay fahitalavitra ho fampiharana ny tetika famotehana ny  “OH” [Ollanta Humala] Mitandrema tsara ka saino tsara izay rehetra hitranga sy ho vokatr'izay.

Alexis Palomino (@alexispalomino [22]) miteny hoe:

Gran parte de la riqueza de la fam [familia] #Bayly [23] se basa en las utilidades mineras. Esas q Ollanta promete revisar…#elecciones2011 [24]

Ny ampahany lehibe indrindra amin'ireo haren'ny olon'ny Bayly [fianakaviana] #Bayly [23] dia saika avy amin'ny harena ankibon'ny tany avokoa. Zavatra iray nampanantenain'i Ollanta fa hanaovana fanadihadiana…#elecciones2011 [24]

Tsy dia mijery ny tena fototr'olana loatra ireo mpitoraka bilaogy  mikasika ireo fifanoheran-kevitra sy fanontaniana, ohatra i Mario Ceroni dia manoratra ao amin'ny bilaoginy hoe [25] [es]:

Estoy harto de recibir correos y mensajes en contra de un candidato o candidata. Lo peor que ni siquiera están bien sustentados y tan solo se basan en conjeturas que fácilmente pueden ser rebatidas razonablemente. En vez de ello deberían enviar mensajes a favor de su candidato, exponer y sustentar algunas de esas propuestas.

Leo be mandray mailaka sy hafatra ho fanohanana na fankahalana an'itsy na iroa mpifaninana iroa aho. Ny ratsy indrindra dia tsy dia misy tohan-kevitra matanjaka mba aroson-dry zareo fa dia mifototra fotsiny amin'izay fampielezan-kevitra azo lavina mora foana izy ireny. Fara faharatsiny mba hafatra manome tombondahiny ny mpirotsaka tohanany no alefan-dry zareo, manolotra sy mifikitra amin'izay teniny.

Araka ny fitsapankevitra natao momba ny fifidianana navoaka tamin'ny Alahady 24 Aprily [26] [es] dia elanelana kely monja no manasaraka an'i Humala sy Fujimori, 42% sy 36% avy.

Ireo mpampiasa Tweeter,  Bryan Gutiérrez (@brgch [27]) sy Maria Gracia Pérez (@mariagraciap [28]) dia mandika ny tsy hafaliana mahazo ny ankamaroan'ireo Peroviana amin'ny fitondrana fanamarihana hoe :

Ollanta o Keiko, en vez de elegir al mejor elegiremos al menos malo

Ollanta sa Keiko, raha tokony ho ny mendrika no hofidiana, dia hifidy izay azoazo kokoa amin'ireto ratsy saina roa ireto isika

Creo que no importa cuánto lea sobre los candidatos, mi voto seguirá siendo un asco el 5 de junio. #elecciones2011 [24]

Tsy dia heveriko loatra ho zava-dehibe izay azontsika vakiana mikasika ireo mpirotsaka ho fidiana roa ireo, ny safidiko dia hijanona hatrany ho safidy iray noho ny rikoriko amin'io 5 Jona io